- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nipoaka Ny Volkano Goavana Indrindra Tao Japana, Namoaka Sary Tao Amin'ny Instagram Ny Mpizahatany

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Siansa, Tsidika, Voina
Mount Aso erupts

Fanazavana: “Lavenona mahatonga hatrany amin'ny 2.000 metatra teny amin'ny rivotra. Andrasana mbola hitohy ny fipoahana, miaraka amin'ny tsipotipoti-bato volkanika mety hhitoraka hatrany amin'ny 1 kilaometatra farafahakeliny.” Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube ofisialin'ny ANN News [1].

Tendrombohitra Aso, volokano lehibe indrindra ao Japana no nipoaka tampoka teo amin'ny 9:40 maraina teo tamin'ny Alatsinainy 14 Septambra. Voalohany izao tao anatin'ny 36 taona no nipoahany indray.

Azo sary tamin'ny fakan-tsary napetraka teo amin'ny fitobiam-piarakodia, faritra mahatazana ny volkano ny lahatsarin'ny fipoahana.

Miorina ao amin'ny nosy andrefan'i Kyushu tokony ho 1.200 km miala an'i Tokyo, manana ny iray amin'ireo kaldeirà  [moro-paribolana nateraky ny volokano mirefy amina kilaometatra] lehibe indrindra manerantany ny Tendrombohitra Aso [2]. Ahitana tanàndehibe, tany fiompiana sy faritra ambanivohitra falehan'ny mpizaha-tany manerantany ny boriborin'ny kaldeirà mirefy 120 kilaometatra [3].

Nanery ireo mpizahatany hiala amin'ny toerana ny fipoahana [4], saingy tsy alohan'ny nandefasan'izy ireo sary vitsivitsy mahatalanjona tao amin'ny Instagram.

We are safe!!! Dont worry!! Thanks to #mountaso #onceinalifetime #activevolcano #emergency #volcanoerupted #ash #fullofash #darksky #run #activevolcano #volcano [5]

A photo posted by Lex (@lex_lexxie) on

Tsy manino-tsy maninona izahay! aza manahy!

Azo jerena manerana ny lemaka rehetra manodidina ny volokanon'ny Tendrombohitra Aso ny fipoahana.

#mountaso #kumamoto #japan [6]

A photo posted by Oui Xiah (@oui115) on

Tonga hatrao amin'ny vondrom-piarahamonina miorina ao anatin'ny kaldeirà ihany koa ny lavenona.

灰がぽとぽと音を立て降って来たよ [7]

A photo posted by なんくる裕一 (@usotukiyu1) on

Ash fell like raindrops [all over my car]. Gulp!

Milatsaka tahaka ny orana [manerana ny fiarako] ny lavenona. Ops!

Maro ny mpitsidika avy any amin'ny firenen-kafa no nampiditra ny sarin'ny fipoahana tao amin'ny Instagram, anisan'izany ity vondrona mpanao fitsidihana avy any Taiwan ity:

見證奇蹟的時刻! [8]

A video posted by Penrod Hong (@poohhong) on

This is like witnessing a miracle.

Tahaka ny mahita fahagagana imaso.

Nandefa tsanganana maromaro tao amin'ny Instagram izay mampiseho lahatsary mahavariana misy ny fipoahana ny mpisera Instagram iray aokaeru [9] :

#volcano #japan #kyushu #eructation #eruption #explosion #selfie #earth #angry #阿蘇山 #火山 #熊本 #噴火 #mountain #yesweather [10]

A video posted by Yasutoshi Tomita (@aokaeru) on

Tafaka-tsehatra tao amin'ny Instagram avy hatrany i okaeru, ary natonin'ireo sampam-baovao isan-karazany maro te ahafantatra raha azo ampiasaina ny lahatsariny.

#volcano #japan #kyushu #eructation #eruption #explosion #selfie #earth #angry #阿蘇山 #火山 #熊本 #噴火 #mountain #yesweather [11]

A video posted by Yasutoshi Tomita (@aokaeru) on

Sarin'ny fipoahana navoaka ara-potoana.

阿蘇火山#爆發! #阿蘇山#爆発#阿蘇中岳#火山#噴火#活火山#火山灰#噴發#今天早上#activevolcano #kumamoto#aso#explosion#MtAso#volcano#今朝#thismorning#20150914 撮影した従弟もびっくり [12]

A photo posted by taka t (@umaoi) on

My cousin was also freaked out when he saw the eruption.

Natahotra ihany koa ny rahalahiko rehefa nahita ny  fipoahana.

Na dia nambara fa ivelan'ny fetra [mampididoza] aza ny 4 kilaometatra manodidina ny fitosahana ,tsy mora amin'ireo olona monina ao anatin'ny kalderà ny miaro ny tranony amin'ny fotoana hisian'ny fitosahana goavana kokoa.

熊本到着 阿蘇噴火して…る? [13]

A photo posted by momoko noguchi (@nogmomo) on

I just arrived in Kumamoto, and Mount Aso seems to be… erupting?

Vao avy tonga tao Kumamoto aho, ary toa mipoaka ny Tendrombohitra Aso ?

Tsy maintsy mianatra miaina miaraka amin'ny rahon-davenona ireo mponina ao an-toerana atsy ho atsy.

1979年9月以来36年ぶりの火砕流らしい [14]

A photo posted by なんくる裕一 (@usotukiyu1) on

This is the first time Mount Aso has erupted since 1979.

Sambany nipoaka ny Tendrombohitra Aso hatramin'ny 1979.

Mampiseho ny haben'ny kaldeiràn'ny Tendrombohitra Aso ity tazana an'habakabaka ity.

Mt.Aso 2012/12/13 #aso #volcano #JAPAN #Kumamoto #kyusyu #DHC8 #DHC8Q400 #JAL #FUK #KMI #mountain [15]

A photo posted by rei (@sekinerei) on

Nanampy tamin'ny fanatontosana ny lahatsoratra i Oiwan.