- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iràna: Vehivavy Mpikatroka Mafàna Fo Ao Amin'ny Facebook Manazava Amin'ny Antsipirihany Ny Nahazoany Sazy Fito Taona An-Tranomaizina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Cartoon by Tooka Neyastani shows imprisoned women's rights activist Bahareh Hedayat behind bars. Image from International Campaign for Human Rights. [1]

Sariitatra nataon'i Tooka Neyastani mampiseho ny namonjàna an'i Bahareh Hedayat, mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy. Sary avy amin'ny Fanentanana Iraisampirenena Momba ny Zon'Olombelona.

Lahatsoratra nivoaka voalohany tao amin'ny  iranhumanrights.org [2] ity ary naverina navoaka etoana tao anatin'ny fiarahana miasa amin'ny Fanentanana Iraisampirenena Momba ny Zon'Olombelona ao Iràna.

Nanambara ny iray tamin'ireo valo mpikatroka mafàna fo tao amin'ny Facebook, izay namoahana sazy [3] tamin'ny 2013 hifonja mandritry ny taona maro noho ny fanehoankevitra sosialy sy politika tao amin'ny pejiny Facebook, fa nandritry ny fotoana nitazonana azy dia nolavina ny hahazoany mifandray aminà mpisolovava, ary nalaina am-bavany momba ny fiainany manokana sy nampangaina taminà heloka tsy nataony velively izy.

Hoy i Naghmeh Shahsavandi Shirazi tamin'ny Fanentanana Iraisampirenena Momba ny Zon'Olombelona ao Iràna :

Tsy navelan-dry zareo hanana mpisolovava aho mandrapahatongan'ny raharahako tany amin'ny fitsaràna fandravàna didy, ary na dia tsy natrehako aza ilay fitsaràna tamin'izany fotoana izany.  Ny Mpitsara Moghisseh izay tsy mahafantatra na inona na inona momba ny aterineto sy ny solosaina no nisahana ny raharahanay, satria raha nahay izany izy dia mety tsy hihevitra velively ho toy ny sary vetaveta ireo sariitatra momba an'i Ali Jannati [mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Mpiaro] sy Ali Khamenei [Mpitarika Faratampony] …Tsy manana sary vetaveta izahay na iray aza ao amin'ny pejinay Facebook.

Nitantana pejy valo malaza ao amin'ny Facebook i Shirazi sy ireo mpiara-voaheloka taminy ary nizara votoaty avy aminà tranonkala maro ety anaty media sosialy. Ny 14 Aprily 2014, nohelohina fito taona an-tranomaizina izy noho ny vesatra mahakasika faniratsiràna ny Mpitarika Faratampony, Khamenei sy Ayatollah Khomeini, ilay mpanorina ny Repoblika Islamika, fikononana fanoherana fanjakàna, ary famoahana sary vetaveta.

“Tsy politika ny betsaka amin'ny pejinay [Facebook],” hoy i Shirazi, nampiany hoe, “Manana pejy roa izahay izay [sahala] amin'ny hoe fanaovan-gazetin'olon-tsora. Manangona vaovao avy any am-ponja sy mamoaka azy ireny ao. Efatra tapitrisa eo no mpankafy ireny pejy ireny ary noho izany, nampangain-dry zareo izahay ho manohintohina ny filaminan'ny firenena.”

Notohizany :

Namerina nandefa ireo sariitatra izay efa nisy tety anaty aterineto izahay. Tsy nisy zavatra hoe noforoninay manokana. Indraindray izahay mametraka hifanakaiky ny sarin'ireo mpitarika ny firenena ho ao anaty sary iray arahana maribolana mifanaraka aminà toe-draharaha isankarazany, ohatra hoe rehefa nisy olona novonoina ho faty. Raha hitsiana dia andianà ‘mpitantana’ izahay izay nitatitra trangan-javatra tena nisy ho ao amin'ny pejinay, toy ny olontsotra manao gazety.

Nampiany fa tena kepoka izy tamin'ilay vesatra “fikononana fanoherana fanjakàna” satria ny karazana votoaty alefan-dry zareo dia tsy inona fa famerenana ihany izay efa hita tety anaty tambajotra media sosialy, ary ny votoaty tena azy ireo manokana dia ilay efa novoaka tany aloha teny anaty tranonkalan'ny media sosialy tao Iràna.

Naghmeh Shahsavandi Shirazi. Image from ICHRI. [2]

Naghmeh Shahsavandi Shirazi. Sary avy amin'ny ICHRI.

Ho an'i Shirazi, izy, sy ireo fito hafa mpikatroka mafàna fo ety anaty Facebook, dia ny mpitandro filaminana no namantatra azy ireo, tafiditra ao anatin'izany ilay iray amin'ireo mpitaraina izay mpikambana teo aloha tao amin'ny miaramilan'ny habaka an-tserasera Mpiambina Revolisionera Islamika ao Shiraz. Ny andro nitsaràna azy ireo, maro ireo lehilahin'ny Mpiaro Revolisionera no nijoro ho mpitory teo anatrehan'ny fitsaràna. “Niezaka niaro anay ny Mpitsara Pourarab tao amin'ny fitsarana tampony, saingy tsy navelan-dry zareo,” hoy izy.

Nolazain'i Shirazi fa saiky fanontaniana momba ny fiainana “manokana” no betsaka tamin'ireo napetraka, hatramin'ny momba ireo namany sy ny fianakaviany.

“Ilay mpanadina ihany no nilaza tamiko fa nodarohana ireo lehilahy [voampanga]  [nandritry ny fakàna am-bavany]. Ara-batana dia tsaratsara kokoa ny fomba nitondràna ahy saingy ny tsindry ara-tsaina no ratsy indrindra. Renim-pianakaviana niteraka roa aho ary noho io, dia nilazan-dry zareo zavatra mankarary ny saiko foana aho isanandro. Nilazan-dry zareo izao zavatra maharikoriko rehetra izao,” hoy Shirazi nanampy.

Nolazain'i Shirazi tamin'ilay Fanentanana fa noforonina taminà anarana tsy izy ny kaontin'ny mpitantana ilay pejy Facebook, saingy fantatra kosa satria namaly fanehoankevitra natao tany amin'ny pejiny ny iray tamin'ireo mpitantana izay nampiasa kaonty iray hafa amin'ny tena anaran-dry zareo. Izany kaonty izany no nojirihan'ny manampahefana ary nahafahany niditra tamin'ireo kaonty hafa.

“Raha ny marina, momba ireo fanehoankevitra no nitarainan'ireo mpitory. Noho ny fanehoankevitra iray dia voasambotra ny iray taminì'ireo namanay ary nandritra ny fakàna am-bavany azy dia nojirihan-dry zareo ny kaontiny ka tamin'izany no nahafantaran-dry zareo fa iray amin'ireo mpitantana ilay pejy izy,” hoy i Shirazi.

Nampian'i Shiraz fa tsy dia tonga saina loatra tamin'ireo karazana fepetra fiarovantena samihafa izy, izay mety ho nanampy azy tsy ho fantatra anarana amin'izay ataony ety anaty aterineto. Mba handinganana ireo tranonkala tantavanin'ny fanjakàna, dia nividy Virtual Private Network [4] (VPN) iray teny amin'ny varomaizina Iraniana i Shirazi, fitaovana iray ahafahan'ny mpampiasa azy mandingana ireo fitantavànana ny aterineto. Tsy afaka hiantohana velively ny maha-azo antoka ny fiarovana avy amin'ny fitaovana tahaka izany, indrindra fa hoe tao an-toerana ihany no nividianana azy. Manamarika ireo manampahaizana manokana momba ny resaka fiarovana ety anaty aterineto fa ao anaty vondrom-piarahamonina toy ny ao Iràna, toerana izay anaovana antsojay amin'ny olona noho ny votoaty sy zavatra ataony [5] ety anaty aterineto, dia ireo fitaovana iraisampirenana fandinganana ny sàkana amin'ny aterineto (toy ny Tor,  na Psiphon), na VPNs tsy miankina izay novidiana ivelan'ny firenena ary aminà loharano azo itokiana, no tena azo antoka hialàna amin'ny fanarahan-dia ataon'ireo masoivohom-piarovan'ny fanjakana.