- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahoana No Heverin'ny Sasany Ho Hevitra Ahitàna Olana Ny ‘Marika Jamaika’

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fanatanjahantena, Hevitra, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
Illustration representing Usain Bolt reconstructed from parts and fragments of a Gatorade bottle; image by Charis Tsevis, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license. [1]

Fanaingoana mampiseho an'i Usain Bolt, naorina avy tamin'ireo ampahany sy silaka tavoahangy Gatorade; sary avy tamin'i Charis Tsevis, nampiasàna ny fahazoandàlana CC BY-NC-ND 2.0.

Amin'ireo nosy rehetra amin'ny vondronosy kely Karaibeana, mety ho Jamaika no hany tena manana marika malaza indrindra, Rihanna [2] sy Barbados, tsy araka ny nampoizina. Mieritrereta masoandro, fasika, ranomasina ary, izao koa…”spliffs [3]“… dia hieritreritra an'i Jamaika [4] ianao. Mozika Reggae [5] sy mampihetsiketsika [5]? Jamaika. Lehilahy haingam-pandeha indrindra [6] eo an-tany? Jamaika.

Tsara kosa, kanefa tsy nisafidy ny hipetrapetraka foana ilay nosy; fa, miezaka ny hamelona ny tenany indray [7] amin'ny alàlan'ilay Symposium voalohany indrindra ho an'ny Marika Jamaika, izay natao ny volana Jolay tao amin'ny Toeram-pianarana Mona, Anjerimanontolon'ny Antilles Andrefana, .

Ilay fivoriana, antsoina hoe ‘Avereno Saintsainina i Jamaika: Hevitra tsy misy fetra [8]’, nampiantranoan'ny Tetikasa Avereno:Saintsainina i Jamaika [9], tranon-kevitra iray momba ny marika nokarakarain'ireo Jamaikana roa mpila ravinahitra mpianatry ny anjerimanontolo  — Hume Johnson, izay mpampianatra mpanampy amin'ny sampam-pianarana seraseram-bahoaka ao amin'ny Anjerimanontolo Roger Williams any Etazonia; ary Kamille Gentles-Peart, mpampianatra ao amin'io Anjerimanontolo io ihany koa. Miara-miasa amin'ny Ivontoerana ho an'ny Fahaiza-mitarika sy Fahaiza-mitantana ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Antilles Tandrefana, mamory olona matihanina maro avy amin'ireo sampana midadasika anà indostria matanjaka ilay tetikasa, mba hifanakalo hevitra momba ireo zavatra manana ny fiantraikany amin'ny endrikan'ny firenena eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, izany rehetra izany mba “hanindrahindràna sy hiarovana ny Marika Jamaika” [9].

Araka an'i Dr. Johnson:

 

Amin'ilay fanantitranterana ny #fanatanjahantena, masoandro, kilalao & zavatra kely hafa, tsy mahagaga raha tsy afaka mitrandraka afa-tsy endrika 2 monja  amin'ny halehibeazantsika ireo vahoakantsika. #BrandJamaica

Eo ankilany, Annie Paul mipetraka ao Jamaika, izay mibilaogy ao amin'ny Active Voice [13], nanazava [14] ny antony maha-mavesatra  ny fototekivtra hametrahana marika ao anatin'ny firenena tahàka izao :

Ho an'ny maro amintsika, mametraka olana ny resaka fametrahana marika, avo roa heny mihitsy raha mifandraika amin'ireo firenena sahala amin'i JamaiKa miaraka amin'ny tantarany nisy fanandevozana, ireo olona natao ho toy ny fanànana, ary io ‘fanaovana azy ho zavatra io’ izay mahatsiravina tokoa dia vita tombokavatsa tao amin'ny nofony tamin'ny vy fametrahana marika—mety hoe ny tonony akaiky indrindra amin'ny resaka fametrahana marika—hametrahana ara-bakiteny ny marika na sary famantarana ny tompon'ny fambolena izay manana azy ireo ho hita mazava tsara amin'ny vatan'ireo andevo. […]

Lasa resaka esoeso ilay izy, izay na teo aza ilay tantaranà fanandevozana tsy araka ny maha olona tao amin'ny fanjakana, mbola mivelatra ao amin'ny firenena manindrahindra ny marika sy ny fametrahana marika ihany, ao anatin'ny taonjato faha-21 ny fanjakan'i Jamaika. Vao andro vitsivitsy nialoha ilay fivoriana, nanamarika [15] ny hoavin'i Jamaikana tamin'ny sary famantarana sy fametrahana marika, ilay mpahay toekarena mitondra ny anarana hoe Dennis Jones.

Niresaka ilay taratasy voalohany indrindra naseho [16]  tao amin'ilay fivoriana i Paul, ‘Miverina any amin'ny Marika: Tsy fitoviana sy Tsy fahatomombanana amin'ny “Marika Jamaika”’, nanamarika [14] fa “nitsikera tsara ilay zavatra atao io, nilaza ny tsy fanekena lalina avy amin”ireo mpanolotra, Moji Anderson sy Erin McLeod, ny hevitra ‘hanasiana marika ny firenena.’”

Na i Samantha North, ilay mpandahateny fototra [17] tao amin'ilay fivoriana aza tsy nahasahy niteny [14] ilay fomba filaza azy, tamin'ny filazàny tao amin'ny Twitter [14] hoe “Manao faobe ny zavatra rehetra sy manome hevi-diso ireo tena tanjonay marina ny fitenenana hoe #nationbrand (marikynyfirenena). TSY resaka dokambarotra io. Angamba ilaina ny fomba filaza iray vaovao, araka ny voalazako tao amin'ny kabariko ny alina lasa teo. Tsara ny fametrahana ny maha-ianao anao. #BrandJamaica = ny maha-Jamaika azy.”

Nanoratra ihany koa i Paul [14] fa “manana olana lehibe amin'ny endrika famantarana i Jamaika, izay tsy afaka fafàna tsotra fotsiny na avadika amin'ny fanentanana vitsivitsy tsara tosiky seraseram-bahoaka”:

Ireo ratsy amin'i Jamaika — ny heloka bevava miseho ao, ny herisetra, ny fankahalany ny mpifankatia mitovy taova fananahana, ny tsy fahampian'ny fisondrotan'ny toekareny — dia fifandraisan-javatra tokony hofoanana daholo na ahena mialoha ny hahafahana maneho tsara ireo zavatra tsara maron'i Jamaika, na mampiasa izany hanatsaràna indray ny endriny.

Taminà lahatsoratra fanarahana [18] an'io resaka io, nanontany tena i Paul raha toa ka misy efitra ho an'ilay mpamakafaka ara-koltoraly Stuart Hall [19] ao amin'ilay Marika Jamaika vaovao, raha jerena ny zava-miseho hoe tia ahavita “zavatra tsy mitovy betsaka, tantara somary sarotra momba ny firenena” ireo mpikarakara.

Mba hanaovana izany anefa, nanome sosokevitra [18] i Paul hoe tokony hihoatra ireo fototr'olana vitsivitsy ao aminy ny firenena:

Ny zavatra iray tena fantatro izao dia […] i Jamaika […] — firenena matikambo, tsy misy firaharahiana, manimba tena — dia iray amin'ireo izay tsy misy na ‘fametrahana marika’ iray aza haha-onitra azy. Tena ho sarotra amidy io. Hitaky fanovàna toetra sy fomba fijery manerana ny tany tontolo mihitsy ny ampahany amin'ny zavatra tokony atao hanamboarana endrika vaovao ho an'i Jamaika. Tsy misy olona manana ny enti-manana ampy tsara afaka hanampy izany mihoatra an'i Stuart Hall — mety hoe lasa izy, fa kosa namela rakitra fahalalàna vaovao izay irangorangoan'ireo mpianatra manerana ny tany. Tokony manao izany koa isika. Tonga dia misy fifandraisana amin'ny resaka fametrahana marika ny asany momba ny fisoloana tena, ny lanjan'ny endrika, sy ny sary apetraka ary ny fomba handrafetana azy ireo. Fa ny ohatra omeny ho an'ny tanora Karaibeana ny ho Jamaikana miasa mba ho lohany lalandava amin'ny lalao ataony, tsy hoe amin'ireo fanatanjahantena fotsiny, na amin'ny mozika, fa amin'ny fiainana tsy afaka tsapain-tànana rehetra, izany no tena zava-dehibe indrindra momba an'i Stuart Hall amin'ny maha endrika fitaratra azy, izay afaka sy tokony hijoroan'ireo Jamaikana.

Raha mampiasa ny tenifototra #BrandJamaica ireo mpampiasa Twitter, ny resaka indostria amin'ny endriny vaovao [20], fanatanjahantena [21], mozika [22] ary fiteny [23] no tena iompanan'izy ireo — mieritreritra izy ireo fa efa fantatra amin'izany ilay nosy — mety hamboraka zavatra lalindalina kokoa amin'ny maha-izy an'i Jamaika ny fijerena azy ireo amin'ny alalan'ny mason'i Stuart Hall. Misy iray mpampiasa Facebook aza nananihany [24] hoe misy firenena hafa migoka tombontsoa amin'ny marika Jamaikana:

Toa hita ho Shina no tena migoka ny tombontsoa amin'izany ?#?BRANDJAMAICA? izany…..maika loatra ny hametraka ireo karazana haba tsy ilaina amin'ny vahoakantsika ny governemantantsika…kanefa tsy tia handeha amin'ny dingana tokony atao amin'ny fanangonana ireo vola avy amin'ireo goavana sy mpisetrasetra izay manararaotra ny tany masina antsika fotsiny izy….?#?ratinnaparliament?

Fotoana tsara indrindra izao hijerena tsara ny maha-izy an'i Jamaika .