- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Raràn'ny Rosia Ny Fandefasana Ny Lahatsarin'ilay Fehinteny Mirehidrehitra Nataon'ny Lehiben'ny Mpanohitra Tao Amin'ny Efitrano Fitsaràna

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanampenam-bava, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava
A courtroom speech by Alexey Navalny (right) is now banned in Russia. Image by Kevin Rothrock.

Voaràra ao Rosia izao ilay lahateny nataon'i Alexey Navalny (havanana) tao amin'ny efitrano fitsaràna. Sary avy amin'i Kevin Rothrock.

Andiana lahatsary maromaro miresaka politika ao amin'ny Youtube ary manasongadina ny antso ho fikatrohana hanohitra an'i Putin no noraràn'i Rosia tsy ho azo alefa. Indrindra indrindra, noraràn'ny manampahefana ireo lahatsary avy amin'ilay lehiben'ny mpanohitra misy ny fehinteny nanambaràny nandritry ny raharaham-pitsaràna azy tamin'ny Desambra 2014, rehefa nohelohina ho nanao hosoka sy nanao fanadiovana vola maloto izy ary farany dia nomena sazy mihantona 3-5 taona vokatr'izany. Nokianina be ho fanenjehana politika atao an'i Navalny ilay fitsaràna, Navalny izay nanao fehinteny mavesatra sy mivaivay niampanga ny fitondran'i Putin. Noraràn'ireo mpanivana ihany koa ny lahatsary [1] iray niaty hetsi-panoherana nolazaina fa nisy an'i Nizhny Novgorod “manohitra an'i Putin sy ireo mipetraka ao Kremlin.”

Tamin'ny faran'ny Desambra 2014, niandry hahafantatra i Maosko raha mety ho alefa any am-ponja ihany i Navalny, ny mpanohitra sy ny fanjakana samy nihazakazaka naneho hevitra tamin'ilay vaovao avokoa. Nanomboka nampiroborobo hetsika iray tsy nahazoana alàlana teo ivelan'ny tambohon'i Kremlin ireo mpikatroka mafàna fo, ary ny zavabitan'i Navalny tao amin'ny efitrano fitsaràna no nitondra aingam-panahy tonga lafatra ho an'ny fampahafantarana ireo lahatsary momba ilay fihetsiketsehana.

Voalohany dia noteren'ireo manampahefana ny Facebook hanakana [2] ilay pejy fototra natao ho an'ilay hetsi-panoherana, saingy tsy ela dia na tsy tò-teny tamin'ilay tambajotra sosialy intsony i Maosko, na nanapaka hevitra hiova tetikady. Satria tsy hoe nanomboka nitombo isa fotsiny ireo pejy natao ho solon'ilay pejy Facebook ho an'ny hetsika ary toa nitombo koa ny fanatrehana ireo fihetsiketsehana tsy nahazoana alàlana teo ivelan'ny Kremlin, nokarakaraina tamin'ny 15 Janoary 2015, fa roa herinandro taty aoriana dia tsy nampoizina koa ny nanambaran'ny fitsarana ny fampitsaharany ny didim-pitsaràny tamin'ny 30 Desambra 2014, nilaza ny tsy misy ilàna hetsi-panoherana goavana. Araka ny nosoratan'i Ilya Klishin avy ao amin'ny TV Rain tao amin'ny tsanganan-dahatsoratra [3] iray tao amin'ny Slon.ru, “Ny niafaràny, navela hampiasa ilay tambajotra sosialy Amerikana [Facebook sy Twitter] ihany ireo mpanohana an'i Navalny hiresahana ny antony nahavitsy ireo olona tonga nanatrika ny famoriam-bahoaka ny 15 Janoary.”

Ny fampanginana nataon'ny governemanta tamin'ity herinandro ity nanjo ireo lahatsary ampolony tao amin'ny YouTube [4] dia voalohany indrindra mikendry ireo votoaty mifandray amin'ireo hetsi-panoherana tamin'ny Desambra 2014 izay tsy tena naka velively ny endrika hita maso. Efa ho volana valo mahery izao ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Rosia no namoaka didy hibahanana ireny rohy ireny, saingy ny Roskomnadzor, ilay alika mpiambina ny media avy amin'i Kremlin, tsy nanao afa-tsy ny nampiditra azy ireny ho ao anatin'ny lisitr'ireo tranonkala tsy ara-dalàna fotsiny. Araka ny lazain'ny Rublacklist.net [5], mazàna ireo mpanivana no “‘manadino’ [ny momba ireo didy navoakan'ny Lehiben'ny Fampanoavana] ary manomboka fotsiny ny asa amin'ny alàlan'ireo fitakiana efa ho am-bolana na herintaona taorian'ny nametrahan'ny mpampanoa lalàna azy ireny, miezaka mamaha ny olana amin'ny alàlan'ny tolotra manokana, fa tsy miditra amin'ny fibahanana azy ireny.”

Androany ny Roskomnadzor nihetsika nifanaraka tamin'ny fitakiana iray navoakan'ny fampanoavana tamin'ny Desambra lasa teo. Noho ny fanitsiana lalàna nankatoavina tamin'ny 2013, nomena alàlana ny Lehiben'ny Fampanoavana hamoaka didy fibahanana avy hatrany izay rehetra loharano ety anaty aterineto, raha toa heveriny fa miaty zavatra “tafahoatra”. Natao hanatanteraka ireny fanapahana ireny ny Roskomnadzor.

Vadim Ampelonsky, sekretera misahana ny fifandraisana amin'ny gazety ao amin'ny Roskomnadzor, nilaza [6] tamin'ny Roem.ru fa tsy misy atahoran'ny Rosiana ny tsy ho afaka hiditra intsony amin'ny Youtube, satria mampiasa ny ‘protocol’ HTTPS ilay tolotra, izay nolazain'ireo manmpahefana tay aloha tny fa mila bahanana manontolo ilay tranonkakla fa tsy pejy iray monja  akory.