Tantara tamin'ny 15 Septambra 2015
‘Mihoatra noho ny firaisankina tsotra’: Fanomezana avy ao Portiogaly ho an'ny Syriana mpialokaloka ao Hongria
Misy valalamanjohim-piara firaisankina handray fanomezana avy ao Portiogaly hoan'ny mpitsoa-ponenana ao Hongria. Natsangan'ny vondron'olompirenena iray nanome anarana azy ho Valalamanjohy Aylan Kurdi ny fisantaran'andraikitra ho fanomezam-boninahitra azy.
Manao Famangiana Tselika Ilay Iraniana Nianjeran'Ilay Vy Avobe Fibatàna Enta-Mavesatra Ny Mpanjaka Saodiana
Mamangy ilay Iraniana nianjeran'ilay fitaovana vy be fibatàna entana mavesatra tany Lameka, izay nahafaty mpanao fivahinianana masina 107 tamin'ny Zoma ny Mpanjaka Saodiana, Salman. Lazain'ny sasany fa fanazarantena ho an'ny PR izany , ny hafa kosa midera an'i Salman.
Raràn'ny Rosia Ny Fandefasana Ny Lahatsarin'ilay Fehinteny Mirehidrehitra Nataon'ny Lehiben'ny Mpanohitra Tao Amin'ny Efitrano Fitsaràna
Andiana lahatsary maromaro miresaka politika ao amin'ny Yuotube ary manasongadina ny antso ho fikatrohana hanohitra an'i Putin no noraràn'i Rosia tsy ho azo alefa. Indrindra indrindra, noraràn'ny manampahefana ireo lahatsary avy amin'ilay lehiben'ny mpanohitra misy ny fehinteny nanambaràny nandritry ny raharaham-pitsaràna azy
Mianatra Miteny Angisy Amin'ny Lantompeo “Persiana”
Hoy ny fanazavàn'ilay vondrona ao ambadiky ny tetikasa hoe: "Amin'ny maha-Persiana monina ivelan'i Iràna, dia manimanina ny fiteny Farsi aho. Isaky ny misy olona reko miteny amin'ny lantompeo Persiana dia lafatra ny androko."
Fefen'ny mpikatroka Makedoniana ao anaty fihetsiketseham-panoherana ny Governemanta
Entin'ny mpikatroka ihany koa ireo hafatra manasongadina tsonga maro tamin'ny fihainoana miafina fandraisam-peo tsy ara-dalàna naporitsaky ny mpitarika ny fanoherana tao anatin'ny volana vitsivitsy, izay nahazo anaram-bositra hoe "baomba" ao Makedonia.
Namono olona 12 ahitana Meksikana mpizahatany 8 i Ejipta dia niala tsiny avy eo
Meksikana mpizahatany valo miaraka amin'ny efatra hafa no maty voatifitry ny angidimby tao amin'ny toerana iray malaza eo amin'ny samy mpizahatany, ao amin'ny Tanihay Andrefana, ao Ejipta. Fa nahoana no lasibatra ry zareo?