Ao Thailandy avaratra, ahafahan'ny vehivavy voafonja manarina ny fiainana indray ny fianarana manotra

Gadra mikojakoja tarehy iray andro alohan'ny handraisana mpanjifa hohorina. Sary nalain'i Anne Bailey. Nahazoana alalana avy amin'ny PRI
Ity lahatsoratra sy tatitra radio nataon'i Anne Bailey ho an'i The World nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 8 Septambra 2015 ity dia navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizaram-botoaty.
Niteny i Ponnipa Chanpeng fa tsy manana safidy hafa intsony izy. Maty avokoa ny ray amandreniny, fony izy 22 taona, ka nahatonga azy hikarakara ny anadahiny tanora kokoa noho izy — sy ny trosan-drainy. Tsy afa-nanampy ny fianakaviana. Nanadala azy isan'andro ireo tompon-trosa. Tsy hanome trosa azy ny Banky. Ka dia nanao safidim-pamoizampo. Safidy nitondra azy tany am-ponja.
Nihaniakatra ny tahan'ny fampidirana amponja ny vehivavy tao Thailandy. Tanelanelan'ny 2006 sy 2012, niakatra efa ho 50 isanjato ny isan'ny vehivavy any amponjan'i Thailandy, ka ny ampahany be tamin'izany dia avy amin'ny fampiasana, famokarana na fivarotana rongony [na fanafody tsy ara-dalàna] — methamphetamine amin'ny ankapobeny. Na dia tsy ho avelan'ny manampahefanan'ny fonja hanontany ny antsipirihan'ny helok'i Chanpeng (na haka sary azy aza) aho, dia nolazainy fa nikasa nanao “izany” indray mandeha na indroa izy. Izay hahazoana vola ampy hamerenana ny trosan-drainy. Saingy voasambotra izy avy eo.
Ao amin'ny tokotany manginan'ny Foibe Fiofanan'asa ho an'ny Vehivavy ao Chiang Mai, tsy ho hitanao amin'ireo vehivavy mamafa sy manadio ireo akory ny endrika maha jiovavy ikoizana azy ireo. Tsy ho vehivavy hanapa-dalana anao akory aza izy ireo. Saingy miara-migadra ao amin'ny Toby Fanarenana ny Vehivavy avokoa izy rehetra ary mihoatra ny 85 isanjato no mitovy heloka amin'i Chanpeng, noho ny rongony.

Ny talen'ny Toby Chiang Mai Fanarenam-Behivavy Arirat Thiamthong. Sary nalain'i Anne Bailey. Nahazoana alalana tamin'ny PRI
Nilaza i Arirat Thiamthong, talen'ny Toby Fanarenana, fa tsy zava-tsy mahazatra ny raharaha Chanpeng. Ny vehivavy avy amin'ny foko any an-tendrombohitra — voambolana manjavozavo nampiasaina hamariparitana ireo vondrom-piarahamonina vitsy an'isa monina any avaratra — di amiatrika adidy ara-kolontsaina manokana izay mety mahatonga azy ireo hiafara eto amin'ny ampahany.
“Manana adidy mavesatra amin'ny fianakaviany raha ohatrina amin'ny adidy omena ny lehilahy” ireo vehivavy ireo, hoy i Thiamthong. “Tsy maintsy mikarakara ny ankizy sy ny zavatra hafa rehetra ao amin'ny fianakaviana izy ireo, ary rehefa tsy afa-mamahana ny fianakaviana ry zareo, dia mora dia mora ny mandresy lahatra azy ireo hanao ity karazan-javatra ity.”
Milaza ny tompon'andraikitra fa mila mijery ny antony nahatonga azy hiafara any ampigadrana ny voafonja Chanpeng.
“Voatery manao izany ny zazavavy sasantsasany. Ary raha tsy voatery ho nanao izany ny zazavavy sasantsasany dia mety ho noterena,” hoy ravehivavy.

Lamba mihahy ao amin'ny Toby Fiarenam-Behivavy ao Chiang Mai. Sary nalain'i Anne Bailey. Nahazoana alalana avy amin'ny PRI
Raha tsy jerena indray ny amin'izay voateny izay, dia ambany dia ambany kosa ny taham-pamerenan-keloka ao amin'ny Toby Fiarenana ao Chiang Mai. Izany dia noho ny ezaka lehibe nataon'ny Tompokovavy ny Printsesy Bajrakitiyabha Mahidol. Mpisolovava mavitrika miaro ny zon'ny vehivavy voafonja tokoa ity mpikambana ao amin'ny fianakaviam-Panjaka ity hatramin'ny 2006, rehefa nanokatra ny fisantaran'andraikitra nantsoina hoe “Inspire” izy. Ny tanjon'izany dia ny hanatsarana ny fiainan'ny reny voafonja sy ny hanampiana azy ireo ho afa-miditra tsara indray ao amin'ny fiarahamonina rehefa afahana izy ireo. Vokatra mivantana avy amin'ny ezaka ataon'ny printsesy ny Toby Fiarenana ao Chiang Mai.
Isan'andro dia misy filaharam-panjifa, ary mpizahatany ny ankamaroany, manao famandrihana hohorina ao amin'ny Toby Fiarenana. Feno vetivety ny toerana, ary maro ireo lazaina hiverina ny ampitso fa tsy araka intsony.

Ankoatra ny fanorana, dia mianatra mandrary, mahandro hanina, manao amboradara ary asam-barotra hafa ihany koa ny voafonja. Sary nalain'i Anne Bailey. Nahazoana alalana avy amin'ny PRI
Nilaza ny tale Thiamthong fa alohan'ny [amotsorana] azy ireo dia mahazo vola bebe ihany ny voafonja. Raha tsy mahita asa hafa handoavana ny faktiora ry zareo rehefa avotsotra dia mety hiverina amponja indray. Taorian'ny fanazarana manontolo amin'ny fanaovana otra, dia mety hahazo hatramin'ny 30000 Thai baht isambolana (manodidina ny $870) ry zareo, ary ampy tsara izany karama izany ao Chiang Mai.
Fantatr'ireo tranombarotra mpanao masazy ao Chiang Mai fa nahazo fanarazana avo lenta ireo vehivavy ireo ary mavitrika ry zareo amin'ny fandraisana mpiasa nahazo diplaoma. Mahazo fifanarahana ofisialy amin'ny toby mihitsy aza ry zareo amin'ny hampiasan-dry zareo voafonja efa nahazo diplaoma ka dia samy mahazo tombontsoa ny roa tonta.
Mahasoa an'i Chanpeng, izay efa manapitra ny telo taona farany igadrany ko ho lasa mpanotra rehefa mivoaka, izany rehetra izany. Saingy mbola nalahelo ihany aho rehefa niresaka taminy. Noho ny fikarakarany ny fianakaviany no nandaniany ny 17 taona an-tranomaizina. 22 taona izy tamin'izany fotoana izany; vao nodimandry ny ray amandreniny, ary diso safidy izy. Nahavita nanao zavatra hafa ve aho raha tratran'ny toe-draharaha tahaka izany?
40 taona ankehitriny i Chanpeng ary toy ny mahita ny tenany amin'ireo vao tonga ao am-ponja isan-kerinandro.

Voafonja mikarakara ny tokotanin'ny toby mialoha ny hahatongavan'ny mpanjifa isa-maraina. Sary nalain'i Anne Bailey. Nahazoana alalana
“Malahelo azy ireo aho, ary malahelo ahy koa satria nanary ny hoaviko,” hoy izy. Saingy ankehitriny, farafaharatsiny, efa mba fantany ny ataony amin'ny manaraka.
“Manome fitokisa-tena bebe kokoa ho ahy hizotra amin'ny fiainana izany,” hoy izy. “Tsy hivarotra rongony tahaka ny nataoko tamin'ny farany aho. Mieritreritra aho fa efa hitako ny lalako.”
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...