- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afa-manadio ny kolikoly any amin'ny orinasam-panjakana ao Shina ve ny fanomezana azy amin'ny tsy miankina?

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
A cartoon on SOE corruption from China state-owned Xinhua News and China's top 10 profitable companies (All are SOEs).

Sariitatra momba ny kolikolin'ny orinasam-panjakana avy amin'ny gazetim-baovaom-panjakana ao Shina Xinhua sy ireo orinasa 10 mahazo tombontsoa indrindra ao Shina (orinasam-panjakana avokoa izy rehetra).

Tsy mbola nisy hetsika fikendrena ireo ahiahiana ho manao kolikoly eo amin'ny mpitantana ambony avy amin'ny antoko komonista shinoa, governemanta, miaramila ary orinasa tantanin'ny fanjakana natao toy izao hatramin'ny niakaran'ny Filoha Shinoa Xi Jinping teo amin'ny fitondrana tamin'ny faramparan'ny taona 2012. Mbola mihalava hatrany ny lisitry ny “lalitra” (olon-tsotra) sy ny “tigra” (mpitantana ambony) [1] voafandrika, saingy maro ny manontany tena raha hampiova zavatra ny fanenjehana olona tsirairay, rehefa hita fa efa namboarina hiarahan'ny manampahefana ambony ao amin'ny governemanta sy ny kapitalista miasa akaiky ny rafitra.

Ho famahana ny olana fototry ny kolikoly, dia nahasahy niantso ny hividianan'olon-tsotra tsy miankina ireo orinasa tantanin'ny fanjakana i Liu Shengjun, mpahay toekarena malaza sady mpitari-kevitra eo amin'ny fampitam-baovao sosialy shinoa Weibo. Nantsoiny hoe [2] “kapitalisman'akamakama”, izy ireny satria tsy mahomby sady mikolokolo ampihimamba sy kolikoly fotsiny.

Namelabelatra [3] bebe kokoa ilay mpahay toekarena:

实践证明,国企既非社会主义的优越性,亦非执政基础,而是在破坏执政基础。假如能把国企私有化(以公开透明方式)则:出售国企收入填补养老金黑洞,财政何愁没钱?破除垄断、公平竞争,经济何愁不好、企业何愁不创新?话费油价下降,何愁消费不给力?腐败减少一半,何愁民众不满意?

Efa voaporofo fa sady tsy misolontena ny tombontsoa sosialista no tsy manamafy ny fahefam-panjakana, fa manimba ny fanapahan-kevi-pitondrana. Raha ampitantanina olona tsy miankina amin'ny fanjakana ao anatin'ny fisokafana sy ny mangarahara ireo orinasam-panjakana shinoa ireo, inona ny tokony atahoran'ny governemanta amin'ny tetibolam-panajakana rehefa afa-manentsina ny fatiantoka amin'ny fisotroan-dronono ny vola azo? Inona no atahoran'ny governemanta amin'izay fitotonganana sy ny orinasa amin'ny tahotra hitondra zavabaovao rehefa mandrava ny ampihimamba sy miteraka fifaninanana madio izany? Inona ny atahorantsika amin'ny fibolisaran'ny fanjifana rehefa mihintsana ny vidin'ny finday sy ny solika? Inona ny tokony atahoran'ny governemanta amin'izay fitarainam-bahoaka rehefa mihena hatrany amin'ny atsasany ny kolikoly?

Notsongainy [4] ihany koa ny tenin'ny mpandraharaham-pamarotan-karena mifaka [trano sy tany] malaza iray sady mpitari-kevitra, Ren Zhiqiang, fa “tokony hofoanana tanteraka ny orinasam-panjakana”.

【国企改革呼唤思想解放】1、吴敬琏:有人说因为有社会主义前缀,国企就改不成了,我说没这道理;2、胡祖六:有国企就不可能公平竞争;3、@任志强:我最重要的认识是,国企应彻底取消

Mila fivelarana ara-potokevitra ny orinasam-panjakana: 1. Wu Jinglian (mpahay toekarena malaza): Misy miteny fa tsy mety avaozina noho ny famaritana azy [ho orinasa] sosialista ny orinasam-panjakana, miteny aho fa tsy misy fiheverana izany; 2. Fred Hu (mpitantana ankapobeny teo aloha ny Goldman Sachs Asia – Pacific): Tsy hisy mihitsy ny fifaninanana madio raha mbola mijoro ny orinasam-panjakana; 3. Ren Zhiqiang: tokony hofoanana tanteraka ny orinasam-panjakana, izay no fahalalana tsara indrindra avy amiko.

Ny fanehoan-kevitr'i Liu dia valin'ny raharahan-kolikoly hafa vao nahatafiditra orinasam-panjakana shinoa indray.

I Deng Qilin, filoha teo aloha tamin'ny orinasa lehibe mpamokatra vy tsy ho harafesina Wuhan Steel, dia nambara fa “nanitsakitsaka ny fifampifehezana” (fomba itenenana ny fanaovana kolikoly), hoy ny Vaomieran'ny Fanarahamaso ny Fifampifehezana ao amin'ny Foiben'ny Antoko Komonista (CCDI) tao amin'ny tranonkalany tamin'ny 30 aogositra.

I Deng dia nolazaina [5] no manao fitondran'olon-tokana ary manjakazaka eo amin'ny fomba fitantanana. Nahazo tombontsoa tsy ara-dalàna tsy nandoavan-ketra nanararaotra ny fahalalana olona ny rahalahiny sy ny zananilahy. Niteraka fatiantoka goavana ny fanapahan-kevitr'i Deng's hampiasa vola amin'ny fitrandrahana tany ivelany.

Raha iverenana tamin'ny volana Marsa, dia nofotopotorina amin'ny fanitsakitsahana ny fifampifehezan'ny antoko [6] ny filoha teo alohan'ny fanamboarana fiara lehibe indrindra ao Shina FAW, Xu Jianyi, araka ny nolazain'ny CCDI. Iray volana taty aoriana, dia nomelohina higadra mandrapahafatiny noho ny fanekena handray kolikoly ny filoha faratampony amin'ny fitantanana teo aloha Shi Tao.

Tamin'ny herintaona i Beijing no namoaka ny politikan'ny “fangaron-tompony” [7], izay mandrisika ny renivolan'ny tsy miankina ampiasaina sy hitazona petra-bolan'ny vitsy an'isa ao amin'ny orinasam-panjakana. Fa tsy dianisy fiantraikany loatra ilay politika satria ny fitazonana petrabola vitsy an'isa ao amin'ny orinasa dia manala azy ireo tsy ho afaka mandray fanapahan-kevitra eo amin'ny tetika ara-pandraharahana sy fitantanana, mahatonga ny ny mpampiasa vola hisalasala amin'ny mety ho tamberim-bolany.

An'arivony ny orinasam-panajakana ao Shina, ary ireo no hazondamosin'ny fitomboan-karena. Ny ampihimamba tazoniny amin'ny sehatra maro no manaisotra vondrona kelikely kokoa amin'ny tsena ary mitarika any amin'ny servisy tsy dia mankaiza.

Na izany aza dia mbola fady ao Shina ny miresaka izany fanomezana ny orinasampanjakana ho an'ny tsy miankina na fanafoanana izany orinasampanjakana izany satria ny fotokevitry ny antoko komonista dia mbola mifototra amin'ny “fiaraha-manana [fananana iombonana]”. Ny hiakan'i Liu dia antso ara-potoana natao hampisaina ny vahoaka amin'ny endriky ny kolikoly ao amin'ny firenena sy hitadiavam-bahaolana amin'izany.