Tantara tamin'ny 11 Septambra 2015
Mahazo Fandrahonana Ho Faty Avy Amin'Ireo ‘Mpiambina ny Jihad’ Ireo Mpanao Gazety Mpitatitra Ao Mali
Mandrahona hamono ireo mpanao gazety miasa ho an'ny media vahiny izay mitatitra mikasika an'i Mali ny vondrona mpitolona iray .
Tantara an-tsarimiaina ny fahaizan'ny Cherokee hampifandrindra hatrany ny teknolojia ho azo ampiasaina amin'ny endritsoratra Cherokee
Ity ny lahatsarin'ny fomba nandraisan'ny fiteny Cherokee sy ny nivoarany hifanaraka hatrany amin'ny teknolojian'ny fifandraisana nampidirina tao anivon'ny fiarahamonina.
Tiorkia: Iharan'ny Onjam-panafihana Nefa Mitohy Ihany Ny Fitokonan'ny Mpitandro Filaminana Ao Afovoany Atsinanana
Koa satria mihalehibe hatrany ny ady sy fifandirana izay maharomotra an'i Tiorkia amin'ireo firenena manakaiky azy, dia miharatsy ny fandriampahaleman'ny mponina ao aminy.
Kiobàna LGBT Mpikatroka Mafana Fo Mandray Ho Andraikitra Ny ‘Fehezan-dalàn'ny Fianakaviana’ Izay Mitahiry ny Fomba Hatrizay
Nahatonga resabe momba ny tsy maha-araka ny toetrandro intsony ny Fehezan-dalàna ho an'ny Fianakaviana Kiobana ilay lahatsoratra nalefa tao amin'ilay gazetim-panjakana Granma.
Aotrisiana Sy Alemà An-jatony Miarahaba Tonga Soa Ireo Mpitsoa-Ponenana Avy Any Hongria
Amin'ny tehaka no andraisan'ireo Aotrisiana sy Alemà izay mitondra, tsy ny hatsaram-panahiny ihany, fa mitondra sakafo, rano madio mahasalama ary kilalao ihany koa ao amin'ny gara ireo mpitsoa-ponenana mamakivaky an'i Aotrisy ho any Alemaina.
Matson'i Shina Momba ny Ady Lehibe II : Manenjika Ireo Mpanakanto Tsy “Tia Tanindrazana” Ireo Mpandranitra
Nanaisotra ny sarin'ireo zanany kambana ny mpihira Taiwanezy teratany Amerikanina, Christine Fan, rehefa nahazo fankahalana nirarakompana tao anaty aterineto noho ny fizarany ny sarin'iretsy farany fa tsy ny an'ny matso ntaon'ny tafika.