- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tadiom-bovoka mandrakotra an'i Palestina, Isiraely, Jordania, Syria ary Libanona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Iràka, Israely, Jordania, Libanona, Palestina, Syria, Tiorkia, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana
The Gaza marina enveloped in dust this afternoon. Photograph shared by  @shawajason on Twitter [1]

Ny moron-dranomasin'i Gaza voarakotra anaty vovoka omaly folakandro. Saripika nozarain'i @shawajason [1] ao amin'ny Twitter

Misy tadiom-bovoka goavana manavatsava ny ilany andrefana amin'i Afovoany Atsinanana omaly sy anio, izay mampihena ny fahitana any amin'ny firenena sasantsasany ary mahatonga ny olona hankany amin'ny hopitaly [2] hotsaboina amin'ny aretin'ny fisefoana ankoatra ny zavatra hafa. Nandrakotra an'i Libanona, izay fahafahakeliny olona dimy no maty [3] ary 750 no tsaboina any amin'ny hopitaly noho ny fahasemporana, sy i Syria, Palestina, Isiraely, Jordania ary ny faritra sasantsasany ao Arabia Saodita, Ejipta, Iraka, Torkia ary Shipra izany tadio izany. Tsy dia fahita ao Afovoany Atsinanana loatra ny tadio mahazatra an'i Arabia Saodita tahaka izao ka mahatonga ny sary ifampizarana fatratra sy mahatonga lavitra ao amin'ny media sosialy.

Indreto sasantsasany amin'ny pikantsary ahitana ilay tadiom-bovoka.

Jordania:

Tao Jordania, nizara ity sary avy ao amin'ny tobim-pialokalofana ao Zaatari [4], izay onenan'ny Syriana mpitsoaponenana eo ho eo amin'ny 80.000 mandositra ny ady ao amin'ny tanindrazany ity ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpialokaloka (UNHCR):

Toetrandro henjana teto Zaatari androany. Nanolotra fikarakarana sy sarontava ahafahana miaina amin'ny mpialokaloka ny toera-pitsaboana sy hopitaly lehibe sivy.

Libanona:

Tsy misy fihatsarany ny zava-mihatra amin'ny Syriana mpialokaloka. Khaled Kabbara, Mpiara-miasa eo amin'ny fifandraisana amin'ny hafa ao amin'ny UNHCR, nizara ireto sary nampiseho ny toe-piainana mampahonena ireto:

Tadiom-pasika goavana mahazo an'i Libanona avaratra, mahazo ireo mpitsoaponenana efa miaina ao anatin'ny fahasarotana

Khodr 60 taona, mandrakotra ny tavany tsy ho tratran'ny vovoka, iray amin'ireo Syriana mpitsoaponenana tratran'ny tadiom-pasika izy.

Alex Thomson nizaar ity lahatsary ity tona amin'ny Twitter ahitana ny tadio mitsofoka ao Beirota, tamin'ny filazana fa “tsy mbola nahatsiaro ho nahita tahaka izay hatrizay niainany ny mponin'i Beirota”:

Jereo hoe inona no mipoaka avy any Syria

Syria

Mpanangom-baovaon'i BBC Jeremy Bowen, izay manangom-baovao any Syria amin'izao fotoana izao, no namoaka ny vaovao farany amin'ny toetr'andro ao amin'ny kaonty Twitter hatramin'ny nanombohan'ny tadio afak'omaly.

Tadiom-pasika vaventy manerana an'i Syria

Omaly maraina izy nanontany:

Fa lasa aiza i Damaskosy? mitohy ny tadiom-bovoka maventy ao Afovoany Atsinanana

Ejipta:

Samer Al-Atrush nizara ity sary avy ao Kairo ity:

Afovoan'i Kairo mirakotra vovoka

Isiraely:

Ary ity sary nozarain'i @ygurvitz avy ao Tel Aviv ny atoandron'ny omaly ity:

Sarin'ny NASA:

Mpandinika ny toetany Rob Bryant, avy ao Sheffield, Angletera, nizara itony sarin'ny NASA itony tao amin'ny Twitter:

Namovoka dia namovoka tokoa tao ho ao izay tao Syria,Jordania ary Isiraely, tahirinkevitra Aqua tamin'ny 7 sy 8 septambra

Heverina mbola hitohy anio (alarobia 9 septambra) ity tadio ity.