- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanora Stalinista manimba ny endriky ny tsangambato vaovaon'ny ‘mpamadika’ Aleksandr Solzhenitsyn

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tantara, Akon'ny RuNet
Screen Shot 2015-09-08 at 4.07.11 PM

Lehilahy iray hita ho Maxim Shinkarenko manantona sora-baventy mivaky hoe “JODASY” amin'ny tsangambato vaovao an'i Aleksandr Solzhenitsyn. Pikantsary: YouTube.

Zatovolahy iray monina ao Vladivostok no nanimba ny endriky ny tsangambato vaovaon'ilay mpanoratra nahazo ny loka Nobel antsoina hoe Aleksandr Solzhenitsyn, tamin'ny fanantonana sora-baventy mivaky hoe “JODASY” tamin'ny sorok'i Solzhenitsyn. Tamin'ny 6 Septambra, ny ampitson'ny namoahan'ny tanàna ilay tsangambato, dia naka an-dahatsary ny tenany teo ankilan'ilay tsangambato ilay lehilahy, ary tamin'izany no nanazavany tamin'ny fakantsary fa “mpamadika” sady “tsy tia Rosiana” i Solzhenitsyn.

Hita endrika [1] ho i Maxim Shinkarenko, Stalinista 28 taona monina ao an-toerana. Ao amin'ny pejiny [2] Vkontakte i Shinkarenko no naneho ny fahalianany amin'ny fiara mifono vy, ny tambajotran'ny televizionam-panjakana rosiana RT, ary ny Antoko Komonista.

Ao amin'ny lahatsary i Shinkarenko mitaraina fa nangataka amin'ny manampahefanan'ny tanàna izy tamin'ny herintaona hanangana tsangambaton'i Josefa Stalinina, ho fanomezam-boninahitra ny faha-70 taona nandresen'i Firaisana Sovietika tamin'ny ady lehibe faharoa, saingy nolavina ny fangatahany. Araka ny manampahefana, Shinkarenko no miteny, dia tsy misy toerana ao Vladivostok mety hananganana ny tsangambato vaovaon'i Stalinina. Nikiry anefa i Shinkarenko fa tokony aleon'ny tanàna tsangambato ho an'i Stalinina no atsangana fa tsy ity vao najoro ho an'i Solzhenitsyn ity. Nanonona [3] fitsapan-kevitra an-tsersera iray nalaina kisendrsendra aza izy entina ampisehoana fa ny 75 isan-jaton'ireo nametraka ny safidiny no milaza fa “tsy voatery” atsangana ilay tsangambato vaovao ho an'i Solzhenitsyn.

Nilaza [4] ny polisin'i Vladivostok fa eo ampanaovana famotorana ny fanimbana ny tsangambaton'i Solzhenitsyn ry zareo hamaritra raha misy ny heloka bevava tontosa tamin'izany.