Na eo Aza Ireo Fanoherana, Manosika Ny Fanaovan-dalàna Momba ny Hery Fiadiana, Izay Miteraka Resabe, I Japana

japan security law protest

Mitazona sorabaventy mivaky hoe “Tsy hamela an'i Japana hiady izahay” ireo mpanohitra any Tôkyô. Dikasary avy ao amin'ny fantsona ofisialin'i 朝日新聞社 (Asahi Shimbun) ao amin'ny fantsona YouTube.

Nanapaka ny adihevitra ny fiaraha-mitantana misy amin'izao fotoana any Japana, izay tarihin’ny Praiminisitra Shinzo Abe, ary nanosika ny Fanaovan-dalàna ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana any amin'ny kômity voatokana hisahana ny fanaovan-dalàna fiarovana ao anatin'ny Antenimieram-pirenena ny 15 Jolay 2015.

Manoritra ny làlana hampiharana ilay fanaovan-dalàna izany amin'ny faraparan’ity fahavaratra ity. Rehefa tafiditra izany Fanaovan-dalàna ho an'ny Fandriampahalemana sy Fiarovana izany dia hanitatra lavitra ny andraikitr'ireo Hery Fiarovan-tena any ivelany, ary hamela an'i Japana hampihatra ny “zony amin'ny fiarovan-tena iombonana” sy handray anjara amin’ireo hetsiky ny tafika miaraka amin’ireo firenen-kafa tahaka an’i Etazonia.

Ara-teknika dia tsy manaraka ny lalàm-panorenana ilay fanaovan-dalàna, mifanipaka amin'ny Andininy faha-9 ao anatin’ny Lalàm-panorenana ny Fandriampahaleman'i Japana taorian'ny ady.

Tsy neken’ny vahoaka ny nanapahana ny adihevitra tanatin'ny kômity sy ny fanerena ilay fanaovan-dalàna teo amin’ny Antenimieram-pirenena, na teo anatrehan’ny Parlemantan'i Japana izany na teo anatrehan’ny vahoaka. Nanohitra io hetsiky ny Antenimieram-pirenena Japoney io ireo mpanao pôlitika avy amin'ny mpanohitra, raha nidina an-dalambe kosa ny vahoaka an'arivony.

[Bitsika] VAOVAO MISONGADINA : Rahampitso ny governemanta dia hanararaotra ny fikatonan'ny adihevitra mba handefasana ny Fanaovan-dalàna ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana [any amin'ny Antenimieram-pirenena]. Olona mihoatran’ny 10.000 no hanao hetsi-panoherana any amin’ny Valanjavaboarin'i Hibiya ao Tôkyô.

Ireo mpanao pôlitika avy any amin'ny mpanohitra, isan'izany ny mpitarika ny Antoko Kaominista, Kazuo Shii, dia tonga teny an-toerana ary niteny tamin'ny vahoaka :

Rehefa mandinika tsara ny lalan-kalehan’ny firenena isika dia hita fa ny tanoran’i Japana no tena mitarika. Mino tanteraka aho fa ny ho avy izay antenaina sy ezahan’i Japana tratrarina dia akaiky dia akaiky!

Nahetsika ihany koa ny mpitandro filaminana mba hifehy ireo mpitokona:

安倍晋三から日本を守れ!

A video posted by @tikisani on

Arovy amin’I Shinzo Abe ny firenentsika!

Nanangana sakana ihany ny mpitandro filamanina ny farany mba hisorohana ny fanitsahan'ny vahoaka marobe ny faritry ny Antenimiera.

Nanangana sakana ny mpitandro filaminana mba hahazoany antoka fa tsy hisy na iray aza ho tonga eo anoloan'ny tranoben'ny Antenimiera.

Niparitaka teny an-dàlana ny vahoaka marobe nanohitra ny fanakatonana sy ny fandefasana mierinerina an'ilay volavolan-dalàna anaty lalàna manankery.

Eto alohan'ny Antenimieram-pirenena izahay. Bahanan’ny fokonolona ny arabe.

Be loatra ireo fokonolona hany ka mitangorona eny amin’izay toerana kely ahitany malalaka ny vahoaka.

Lasa niparitaka hatrany amin’ny Sahan'ny Parlemanta ny hetsi-panoherana.

Maro tamin’ireo mpanohitra nivory teo alohan'ny Antenimieram-pirenena no naneho ny fahakiviny sy ny tahony amin’ny ho avin’i Japana:

Eto alohan’ny Antenimiera. Aiza no hizoran’ity firenena ity, manontany tena aho? 15 Jolay 2015: andron'ny tahotra.

Na hitokona tahaka ny inona isika, na hikikiaka eto aza, dia hitohy ny [famadihan'izy ireo ny volavolan-dalàna ho lalàna manankery] ao ambadik’ireo sakana ireo. Tiako ho fantarina izay fomba hafa hampahafantaranay ny sitraponay ankoatra ny fitokonana eo alohan'ny Antenimiera. Amin’izao fotoana izao dia tandidonin-doza ny firenentsika. Tsy hanaiky ny ady izahay fa hitady ny fandriampahalemana hatrany.

Ilay ‘Lôjika Nampijaliana’ an'ny fiaraha-mitantana eo amin'ny fitondrana

Mba hialana amin’ny zotra fanitsiana ny lalàm-panorenana lavabe izay mety hisy fiantraikany amin'ny valim-pifidianan’ny Antenimieran-doholona hatao amin’ny herintaona, dia nitady fomba “hanovàna” ny fanapariahana ny miaramila ny fiaraha-mitantana ao Japana, fomba izay toa mifanaraka amin'ny Lalàm-panorenana ny Fandriampahaleman'i Japana.

Tamin’ny voalohan’ny volana Jolay, tao anatina tafatafa niarahana tamin’i Michael Penn avy ao amin’ny Masoivoho Fitateram-baovao Shingetsu, amin’ny anaran’ny Fikambanan'ireo Vahiny Mpifandray amin'i Japana, dia nanamarika i Kazuo Shii, mpitarika ny Antoko Kaoministan’i Japana, fa “niady ireo hevitra tsy fampiasa n'aiza n'aiza erak'izao tontolo izao ireo mpanao lalàna ao Japana”:

Raha ny sosokevitr’i [Shii] dia voatery nampiasa lôjika nampijaliana ny governementa ary namorona hevitra vaovao tanteraka izay tsy mbola nisy naheno na iray aza[…]

[…] Ny ohatra nampihomehy indrindra nomen’i Shii dia ny hevitry ny Governemanta Abe “hampiasa fitaovam-piadiana”.

Nilaza ny praiminisitra tamin’ny adihevitry ny Antenimiera fa raha sanatria misy manafika ireo Hery Fiarovan-tena mandritra ny fotoana “hanampiany amin'ny fiarovana ny faritra aoriana” ana tafika hafa any ivelany, dia manana ny rariny tsara izy “hampiasa fitaovam-piadiana” hiarovany tena.

Na izany ary anefa dia tsy manaiky mihitsy ny Praiminisitra Abe fa ny « fampiasana fitaovam-piadiana » dia azo raisina ho tahaka ny  “fampiasan-kery” – izay mibaribary fa voararan'ny Lalàm-panorenana Japoney.

Nihena be ny fanohanana mibaribary ny fiaraha-mitantana ny fitondrana, izay ahitana ny Antoko Demôkratika Liberaly mpitahiry ny fomban-drazana (“antoko mpitantana mahazatra” ao Japana) sy ny mpiara-miombon’antoka zandriny anatin'ny fiaraha-mitantana, Komeito, noho ny fanaovana ilay lalàna vaovao momba ny fiarovana.

Hita fa misy itovizany eo amin'ireo ezaka nataon’i Shinzo Abe handefa ilay fanaovan-dalàna vaovao momba ny fiarovana sy ny raibeny Nobusuke Kishi, izay niasa mba hanasoniavana fifanekena nasiam-panovana mikasika ny fiarovana teo amin'i Etazonia s'i Japana tamin'ny 1960.

Nipoaka ny sakoroka tany Tôkyô tamin’ny Janoary 1960 rehefa voasonia ny fifanekena momba ny Fiarovan'i Japana s'i Etazonia nataon'i Kishi. Enim-bolana taty aoriana dia voatery niala i Kishi, izay Ministra tao amin’ny Governemanta Fasistan’i Japana, noho ny tsy fankatoavan'ny olona azy.

Mandeha ny feo fa mety voatery hiala eo amin’ny toerany fotoana maro alohan’ny fifidianana loholona amin’ny 2016 I Shinzo Abe mba handraisany ny andraikiny momba ny tsy fankatoavan'ny vahoaka ny fanaovan-dalàna ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.