- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Herisetra Sy Tetidratsy Mahafaty : Inona No Mitranga Ao Tajikistan?

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika
BelAZ dump trucks burned during the Civil War in Tajikistan. Wikipedia image.

Nisy nandoro ny kamiao mpitatitra fako ao BelAZ nandritra ny Ady An-trano tao Tajikistan. Sary avy amin'ny Wikipedia.

Tao Tajikistan Sovietika teo aloha, tsy fahazarana tsindraindrain’ny governemanta akory ny tetika maizina, fa rà mamelona azy.

Tokony ho 18 taona lasa izay, nanao sonia fifanarahana fandriampahalemana teo ambany fiahian'ny Firenena Mikambana sy Rosia ny governemanta Tajik sy ny Mpanohitra Mikambana ao Tajik (UTO), izay namarana ny ady an-trano nihoson-drà nandritra ny dimy taona ka namoizana ain’olona mihoatra ny 100.000.

Nampanantena anjara fahefana ho an’ny UTO ny fifanarahana, ho takalon'izany ny fametrahany fitaovam-piadiana sy fanekena ho ara-dalàna ny governemantan'ny Filoha Emomali Rakhmon. Nefa tsy mankasitraka velively ny hevitra hiizaràna fahefana amin'ny fahavalony i Rakhmon, 62 taona, talen’ny toeram-pambolena iombonana iray teo aloha. Izy ireo kosa, nahita azy toy ny mpampiasa sarotra tiavina.

Ny marainan'ny 4 Septambra, notaterin'ny masoivohom-baovao Asia Plus fa notafihan’ny milisy ny toeram-pisavan’ny polisy ao Dushanbe [1] sy ny tobin'ny polisy ao Vakhdat [2] — tanàna iray any amin’ny faritany, 10 km atsinanan'ny renivohitra.

Niova nandritra ny tontolo andro ny isan’ny milisy sy ny mpitandro filaminana namoy ny ainy nandritra ilay fanafihana. Tamin’ny farany, namaritra ny isa ho 13 ho an’ny milisy ary 9 ho an’ny polisy ny Minisiteran’ny Atitany. Ny hetsika ara-miaramila misy amin'izao fotoana izao dia mbola nahafatesana milisy efatra fanampiny, hoy ny minisitera.

Tao anaty fifanjevoana manjavozavo sy ny tsy fisian’ny fanambarana avy amin’ny polisy, maro ny Tajik teo am-boalohany no nampifandray ny fanafihana amin'ny lazaina ho famonoana ny mpianatra iray 23 taona, izay nolazain’ny fianakaviany fa nodarohan’ny polisy mandrapaha-fatiny izy noho ny fitondrany volombava.

Ny zava-misy: nodarohan'ny polisy “Manohitra-Miozolmana” ao Tajikistan io mpianatra io satria manao volombava. Maty omaly alina izy.

Nandà ny Minisiteran’ny Atitany ao Tajik taty aoriana fa ny fianakavian’ilay lehilahy maty no nanomboka ny fanafihana.

Ho solon’izany, nilaza izy fa ny Minisitra lefitra misahana ny Fiarovana, Abduhalim Nazarzoda, mpitari-tafiky ny UTO teo aloha tafiditra tao amin’ny governemanta tamin'ny 1999, no nandamina ny fanafihana [5] sy “nitarika manokana izany”. Nesorina tamin’ny asany izy taty aoriana, ny andron’io ihany.

Nandositra any amin'ny faritra lavitra sy be tendrombohitra any avaratra-atsinanan'ny renivohitra i Nazarzoda, rehefa avy nanatanteraka ny fanafihana voalaza, niaraka tamin'ny mpanohana mitam-piadiana tsy fantatra ny isany.

Satria tompon’antoka tamin’ny fahafatesana milisy efatra hafa tamin'ny hetsika ny minisitera, nanambara izy tamin'ny 6 Septambra fa  fito na valo ihany izy ireo no sisa hosamborina.

Amin’ny fomba ofisialy, “mpanohana 7-8 fotsiny sisa tavela” najanon'ny Jeneraly Hoji Halim ary tahaka ny amin'ny sarimihetsika Indiana, tsy hifarana mihitsy ireo 7-8 ireo 🙂

Hita ho diso izany, rehefa nanambara ny minisitera ny harivan’ny 7 Septambra fa misy 20 hafa no notazonina tamin'ny fitohizan’ny hetsika.

Lafiny roa (na mihoatra) ho an’ny tantara iray

Tao amin'ny media sosialy, ny ady mafy ataon'ireo mpampiasa mba hahatakatra ny antony nahatonga kolonely manana toerana ambony ao amin’ny polisy handao ny toerany mba hanatevin-daharana ny ISIS any Afovoany-Atsinanana tamin’ny volana May [7], no fahavoazana tahatahaka izany entina hanazavàna ny antony nanosika ny Jeneraly Nazarzoda hanao fikomiana.

Izy ve mpanao heloka bevava fotsiny mba hanozongozona ny firenena, araka ny nambaran’ny Filoha Rakhmon nandritra ny fitsidihana an'i Vakhdat ny Alahady 06 Sept teo ?

Sarin’ny Filoha teny amin’ny lalam-baovao ao Vakhdat: ny ” Filoha no mpiantoka ny fandriampahalemana sy ny fitoniana”

Tamin'ny 6 Septambra, namoaka lahatsoratra [11] ny Tajik iray mpampiasa Facebook izay mihambo ho misolo tena ny minisitra teo aloha ka tao anatin’izany no nanononany ny Jeneraly Nazarzoda ho nilaza fa nandositra ny renivohitra izy ary tsy nanao fanafihana ny polisy fa naharay taratasy avy aminà loharano tsara-toerana eo anivon'ny governemanta.

Voalaza ho nampahafantatra azy ilay loharanom-baovao fa mety hosamborina daholo ireo mpifehy ny UTO aorian'ny hetsika sandoka izay tadiavin'ny governemanta foronina hamelezana ilay mpanohitra teo aloha namitranany fihavanana tamin'ny 1997 noho ny famonoana mpitandro filaminana maro.

Tsy azo hamarinina ho hafatra avy amin'ny Jeneraly Nazarzoda ilay izy, nefa raha araka ny nomarihan’ [12]i Edward Lemon dia tsy izy no jeneraly voalohany ho fongorina taorian’ny hita ho fikononana tetidratsy mazava hanozongozonana ny governemanta:

Yakub Salimov (nampidirina am-ponja tamin'ny 2005), Mahmadruzi Iskandarov (nampidirina am-ponja tamin'ny 2005), Ghaffur Mirzoyev (nampidirina am-ponja tamin'ny 2004) ary Mirzo Ziyoyev (novonoina tamin'ny taona 2009)

Tao amin'ny Fergana.ru, niady hevitra [13] momba ny zava-nitranga tamin'ny andro lasa ireo Tajik manampahaizana manokana amin'ny siansa politika, miaraka amin'ny Parviz Mullojonov  nanamarika hoe “miaramila manampahefana mahatoky, tsy dia ankatoavin-teny loatra manana fifandraisana manokana … tsy karazan’olona manomana fanonganam-panjakana” i Nazarzoda.

Nilaza ihany koa i Mullojonov fa ny fanafihana dia nanamarika ny fiafaran'ny Islamic Renaissance Party of Tajikistan (IRPT), antoko ho amin'ny fahaterahana vaovao – ahitana ampahany amin’ny mpikambana UTO teo aloha izay nitsangana avy tamin'ny lavenon’ny ady an-trano ho lasa hery ara-drariny sy hery mpanohitra malemy fihetsika ao anaty repoblika.

Tato anatin'ny herinandro vitsy farany, nasian’ny governemanta tombokase [14] ny foiben-toeran'ilay antoko, nampangainy [15] ho misy rohy amin’ny ISIS ary nambarany ho tsy ara-dalàna ny asa nataony. Ny 4 Septambra taorian’ny herisetra, nilaza izy fa mpikambana miafina ao amin'ny antoko i Nazarzoda, filazana izay nolavin’ny antoko.

Ny andian-tsoratra tao amin'ny YouTube, Facebook sy ny tambajotra sosialy Rosiana Odnoklassniki ary koa ny lahatsoratra maro any amin'ireo tranonkalam-baovao no mainka naharatsy ny vaovao mivoaka avy ao amin'ilay repoblika sy ireo feo Tajik voakenda any anatin'ny adihevitra momba izay mitranga any amin'ny fireneny.

Kaomisarian’ny polisy ao Vakhdat. Toa ohatra ny nisy ady goavana teto?

Satria tsy mitsaha-mitombo mihamaizina ny tabilao ankapobeny momba ny fanafihana tamin’ny 4 Septambra, mipoitra ny fahatakarana lalina kokoa an’i Tajikistan, firenena iray izay mbola tonga amin’ny farany miaraka amin'ny lovan’ny ady an-tranony mahatsiravina :

Manoratra [18] i John Heathershaw, Britanika mpampianatra amin’ny oniversite, izay niasa betsaka tamin’ny fandalinana ny firenena:

Toa manome soso-kevitra ny fikarohana ankehitriny momba an’i Tajikistan fa izay marina hita amin'ny raharaha manokana dia hita ihany koa any amin'ny ankapobeny. Raha tokony hiatrika ny mpihoko, izay mihitatra any ivelan’ny fanaraha-mason-dry zareo ny antony manosika azy, raha ny marina dia manome fandrisihana hikomy ny fanjakana taorian'ny ady. Noho izany, ny fanjakana no tena miteraka ny fifandirana izay lazainy fa izy no mpitsara.