Maliana mpikatroka an'aterineto manampy ara-bola ny mpianatra ao Tombouctou amin'ny fanomezana ora fianarana akademika manokana

Tombouctou high school via Global Voices author Johanne Veilleux CC-BY-20

Lisea Tombouctou avy amin'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Johanne Veilleux CC-BY-20

Nanangana tetikasan-teknolojia vaovao antsoina hoe ” Tombouctou” ho fanampiana ny fampianarana akademika amin'ny tanàna iray nandalo ny hamafin'ny ady an-tano vao haingana nisy tao amin'io tanàna io ny vondrom-piarahamonina an'aterineton'i Tombouctou, Mali.

Ny tanjona voalohan'ity tetikasa mitentina arivo dolara amerikana, izay notohanan'ny Maliana mpikatroka an'aterineto,  antsoina hoe Recam manontolo ity , dia ny hanomezana ora fianarana fanampiny iray volana hanenjehana ny famitana lesona hanaovana fanadinana ho an'ireo mpianatry ny Lisea ao Tombouctou sy hanampiana ireo mpianatra ho mpampianatra avy ao amin'ny Ivotoerana Frantsay-Arabo Hégire ao Tombouctou. Itony fianarana manokana itony dia tsy natao hikarakarana fanadinana fotsiny ihany, fa natao ihany koa hampiakarana ny taham-pahafahana fanadinana amin'ireo tanàna ao avaratr'i Mali izay tratran'ny krizim-pilaminana goavana.

Cours d'appui scolaire à l'IFM hegire de Tombouctou avec la permission de l'auteur

Academic support classes at Timbuktu's Franco-Arabic teacher training institute (IFM), Hégire de Tombouctou, with the author's permission

Ankoatra izany dia niaina korontandrotana ihany koa ny mpianatry ny Lisea Mahamane Alassane Haidara sy ireo mpianatra ho mpampianatra ao amin'ny Ivotoerana, noho ny fisian'ireo hetsika ara-tsosialy maro toy ny fitokonana sy ny fitazonan'ny mpampianatra ny naotin'ny mpianatra ary ny fanodikodinana ny vatsim-pianarana.

Koa mandritra ny iray volana izany ny mpianatra 200, izay ankizivavy ny 50 amin'izy ireo, no misitraka fampianarana manokana amin'ny taranja matematika, fizika ary filozofia. Nahafaly ny mpitantana ny sekoly sy ny mpianatra mahazo tombontsoa amin'izany, izay nihetsi-po tamin'ny fahitana fa misy Maliana ivelan'ny tontolon'ny fampianarana mieritreritra ny momba azy ireo sy ny hoaviny amin'ny fanampiana azy ireo hikarakara ny fanadinana faran'ny taona ity hetsika ity. Hoy ny mpianatra iray taminay:

Je promets de faire de mon mieux pour passer aux examens. C’est la seule manière de leur dire merci. Nous devons étudier, avoir des diplômes pour revenir servir notre pays. Le Mali a besoin de nous tous, grands comme petits.

Hanao izay azoko atao aho ahafahako fanadinana. Izay no fomba tokana ahafahana misaotra azy ireo. Tsy maintsy mianatra izahay, mahazo diplaoma ka hiverina hanompo ny tanindrazantsika. Mila antsika rehetra na lehibe na kely i Mali.

cours de physique du ReCam au lycee de tombouctou

Kilasy fanohanana ao amin'ny lisean'i Tombouctou nahazoana alalana avyy amin'ny mpanoratra

Nanambara toy izao tamin'ny alalan'ny mailaka ny talen'ny Lisea Mahamane Alassane Haidara ao Tombouctou, Atoa Sidibé :

Nous ne pouvons que remercier toute bonne volonté qui apporte son soutien pour l’éducation des enfants qui sont les futurs dirigeants du Mali de demain. Vraiment merci au ReCam.

Tsy misy azo atao afa-tsy ny misaotra ireo tsara sitrapo rehetra izay mitondra ny fanohanany amin'ny fanabeazana ny ankizy izay hitondra an'i Mali rahampitso. Mankasitraka indrindra ry Recam.

Ao anatin'ny faniriana hisokafan'ny hoavy matanjaka sy feno fanambinana ho an'ny mpianatra amin'ny alalan'ity fisantaran'andraikitra ity ny manampahefana ara-panabeazan'i Tombouctou no nandray tsara ity ezaka sy fahalalaha-tanana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.