- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanohizana sa fiovana no hofidian'i Singapaoro?

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Opposition candidates from the Workers' Party hold an election rally. Photo from the Facebook page of Workers' Party [1]

Kandidàn'ny mpanohitra avy ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa manatontosa fihaonam-pampielezankevitra. Saripika avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Antokon'ny Mpiasa

Taorian'ny fankalazana anaty lanonambe ny faha-50 taona nanorenana ny firenena tamin'ny volana lasa teo, dia eo ampikarakarana ny fifidianana ankapobeny [2] hotontosaina amin'ny 11 Septambra ho avy izao i Singapaoro. Sambany teo amin'ny tantaram-pirenen'i Singapaoro no misy mpifaninana roa farafahakeliny avokoa ny seza 89 ifandrombahana, izay midika fa tsy maintsy miasa mafy kokoa ny antoko mitondra avy amin'ny Antokon'ny Katro-Bahoaka na People’s Action Party (PAP) ahafahany mitazona ny maro an'isa any amin'ny biraom-pifidianana. Ny PAP no teo amin'ny fitondrana tao anatin'izay 50 taona izay ary tsy mbola resy mihitsy izy tamin'ny fifidianana, na dia vitsy kokoa aza [3] ny vato azony tamin'ny fifidianana 2011.

Ny teny filamatry ny [4] praiminisitra manao hoe “Miaraka aminareo, ho anareo, ho an'i Singapaoro”, no mampahatsiahy amin'ny mpifidy ny zavabitan'ny firenena tao ambany fitarihan'ny PAP. Mandritra izany fotoana izany, asongadin'ny antoko mpanohitra ny filànafiovana sy ny mahazavadehibe ny fanarahamaso sy ny tsindrilentam-pahefana ao amin'ny governemanta. Ny lohahevitra ankapoben'ny antoko mpanohitra ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa dia ny “Omeo hery ny hoavinao”, raha ny hiakan'adin'ny Antoko Voalohan'ny Singapaoreana na Singaporeans First Party, vondron'antoko mpanohitra hafa, dia ny “Mamerina amin'ny toerany ny firenentsika” ne “Restore our nation”.

Marina tokoa fa mananjò ny hilaza ny PAP fa feno fanambinana tokoa i Singapaoro teo ambany fitarihany. Saingy mihabetsaka ny isan'ny olona mitaraina amin'ny tsy fahafahan'ny PAP mamaha ny fisian'ny hantsana ara-pidirambola, ny fiakaran'ny vidimpiainana, ary ny firohotan'ny vahiny mpiasa. Efa nampisara-kevitra ny firenena io lohahevitra farany io raha niampanga ireo vahiny mpiasa ho manimba ny fari-piainana ao amin'ny tanàna-firenena ny Singapaoreana sasantsasany.

Folo ny isan'ny antoko mandray anjara amin'ny ity fifidianana ankapobeny 2015 ity.

Singapore Prime Minister Lee Hsien Loong meets with constituents. Photo from the Facebook page of People's Action Party [5]

Praiminisitr'i Singapaoro Lee Hsien Loong mihaona amin'ny mpifidy azy. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Antokon'ny Katro-Bahoaka

Raha mihamafana ny propagandy amin'ity herinandro ity, maro amin'ny Singapaoreana no milaza [6] ny fijeriny momba ny teti-panorona ara-pampielezankevitry ny kandida sy ny antokoo politika.

Anil Balchandani, manoratra amin'ny tranonkalam-baovao mahasolo iray The Online Citizen, manontany ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanafohy [7] ny fotoana hanaovana fampielezankevitra :

If the Prime Minister thinks this is a watershed election, then it puzzles me that the electorate is only given eight days to decide on this. How is it that the Prime Minister expects the electorate to comprehend all the issues canvassed by his party and the opposition for years to come in eight days?

Raha mieritreritra ny praiminisitra fa fifidianana dobondrano izy ity, dia mahalasa saina ahy ihany no anomezana ny mpifidy valo andro monja hanapahan-kevitra amin'izy ity. Ahoana no anantenan'ny praiminisitra fa hahatakatra ny lohahevitra rehetra nodinihan'ny antokony sy ny mpanohitra an-taonany ao anatin'ny valo andro ny mpifidy?

Ny blaogera Belinda Yek nanoratra fa ireo mpitariky ny firenena hoavy eo dia tokony hofantenina [8] amin'ny fampanantenana nataondry zareo fa tsy amin'ny antoko misy azy ireo fotsiny:

I wouldn't want to have a situation where time and resources are wasted and unsatisfactory compromises made just because of the increased opposition seats and their veto power in parliament. Instead, when voting for the opposition, vote based on the election promises and programs they will implement, and judge them with the same fervour that we judge the incumbent as they have had 4 years since GE2011 to deliver on their promises and programs.

Tsy te-hahita toedraharaha mandany fotoana sy hery amin'ny tsy misy dikany aho ary tsy maintsy manao marimaritra iraisana tsy mahafapo noho ny fitomboan'ny isan'ny sezan'ny mpanohitra sy ny fahafahandry zareo mametraka vato tsy azo ivalozana ao amin'ny parlemanta. Fa raha mifidy ny mpanohitra dia mifidiana amin'ny fampanantenana sy ny fandaharan'asa hampidirin-dry zareo, ary tsarao araka ny itsarantsika mavitrika ny amin'izao fotoana izao araka ny nataony 4 taona lasa namoahany ny fampanantenany sy ny fandaharan'asany.

Tanora mpanoratra Cassandra Chia nanatrika fivoriam-pifidianana iray ary nanoratra ny zavatra hitany [9]:

I sat down on the grass patch with the rest of the crowds. What I initially expected was a rock concert style environment with many die-hard roaring fans, just that the singers singing were now replaced with candidates speaking for their political party. However, the atmosphere was not as “electrifying” as I imagined.

Nipetraka teo amin'ny bozaka niaraka tamin'ny vahoaka teo aho. Ny nantenaiko tamin'ny voalohany dia rindrankira amin'ny endrika rock miaraka amin'ny mpankasitraka die-hard maro, fa ireo mpihira moa izany dia soloin'ny kandidà mikabary hanasoasoana ny antoko politikany. Saingy, tsy “nangorovitsika” araka ny neritreretiko ny fotoana.

Si Ying, tanora mpanoratra hafa, nitafatafa [10] tamin'ny mpifidy zokinjokiny sasantsasany izay nilaza fa hifidy ny “fahamarinantoerana” ry zareo:

“Stability” and “assurance” are common factors to account for why most of the elderly citizens would rather stick with the familiar than to risk change.

“Fahamarinantoerana” sy “antoka” no singa iraisana mila raisina mahatonga ny maro amin'ny olom-pirenena zokinjokiny hiraikitra amin'ny mahazatra kokoa noho ny hianjoria any amin'ny fiovana

Saingy misy ihany koa ny horaka mitady fiovana eo amin'ny tanora mahatsiaro ho tsy faly amin'ny toe-draharaha ankehitriny:

…we’re also seeing a significant slice of the younger generation who feel that change is necessary, alternative/new voices are needed, being-satisfied wouldn’t suffice and that Singapore has far greater potential to improve and succeed.

Hitanay ihany koa ny fisian'ny ampahany maro amin'ny taranaka tanora izay mahatsapa fa tsy maintsy atao ny fiovana, ilaina ny feo vaovao, tsy ampy ny afa-po ary manana otrik'angovo betsaka i Singapaoro hivoarana sy hahombiazana.

Ho fantatra amin'ny 11 septambra ny anjaran'ny [11] PAP sy ireo antoko mpanohitra. Mandritra izany fotoana izany dia ampiasaina hanarahamaso ny f   iitaran-draharaha farany amin'ny fampielezankevitra.