Fanohizana sa fiovana no hofidian'i Singapaoro?

Kandidàn'ny mpanohitra avy ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa manatontosa fihaonam-pampielezankevitra. Saripika avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Antokon'ny Mpiasa
Taorian'ny fankalazana anaty lanonambe ny faha-50 taona nanorenana ny firenena tamin'ny volana lasa teo, dia eo ampikarakarana ny fifidianana ankapobeny hotontosaina amin'ny 11 Septambra ho avy izao i Singapaoro. Sambany teo amin'ny tantaram-pirenen'i Singapaoro no misy mpifaninana roa farafahakeliny avokoa ny seza 89 ifandrombahana, izay midika fa tsy maintsy miasa mafy kokoa ny antoko mitondra avy amin'ny Antokon'ny Katro-Bahoaka na People’s Action Party (PAP) ahafahany mitazona ny maro an'isa any amin'ny biraom-pifidianana. Ny PAP no teo amin'ny fitondrana tao anatin'izay 50 taona izay ary tsy mbola resy mihitsy izy tamin'ny fifidianana, na dia vitsy kokoa aza ny vato azony tamin'ny fifidianana 2011.
Ny teny filamatry ny praiminisitra manao hoe “Miaraka aminareo, ho anareo, ho an'i Singapaoro”, no mampahatsiahy amin'ny mpifidy ny zavabitan'ny firenena tao ambany fitarihan'ny PAP. Mandritra izany fotoana izany, asongadin'ny antoko mpanohitra ny filànafiovana sy ny mahazavadehibe ny fanarahamaso sy ny tsindrilentam-pahefana ao amin'ny governemanta. Ny lohahevitra ankapoben'ny antoko mpanohitra ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa dia ny “Omeo hery ny hoavinao”, raha ny hiakan'adin'ny Antoko Voalohan'ny Singapaoreana na Singaporeans First Party, vondron'antoko mpanohitra hafa, dia ny “Mamerina amin'ny toerany ny firenentsika” ne “Restore our nation”.
Marina tokoa fa mananjò ny hilaza ny PAP fa feno fanambinana tokoa i Singapaoro teo ambany fitarihany. Saingy mihabetsaka ny isan'ny olona mitaraina amin'ny tsy fahafahan'ny PAP mamaha ny fisian'ny hantsana ara-pidirambola, ny fiakaran'ny vidimpiainana, ary ny firohotan'ny vahiny mpiasa. Efa nampisara-kevitra ny firenena io lohahevitra farany io raha niampanga ireo vahiny mpiasa ho manimba ny fari-piainana ao amin'ny tanàna-firenena ny Singapaoreana sasantsasany.
Folo ny isan'ny antoko mandray anjara amin'ny ity fifidianana ankapobeny 2015 ity.

Praiminisitr'i Singapaoro Lee Hsien Loong mihaona amin'ny mpifidy azy. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Antokon'ny Katro-Bahoaka
Raha mihamafana ny propagandy amin'ity herinandro ity, maro amin'ny Singapaoreana no milaza ny fijeriny momba ny teti-panorona ara-pampielezankevitry ny kandida sy ny antokoo politika.
Anil Balchandani, manoratra amin'ny tranonkalam-baovao mahasolo iray The Online Citizen, manontany ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanafohy ny fotoana hanaovana fampielezankevitra :
If the Prime Minister thinks this is a watershed election, then it puzzles me that the electorate is only given eight days to decide on this. How is it that the Prime Minister expects the electorate to comprehend all the issues canvassed by his party and the opposition for years to come in eight days?
Raha mieritreritra ny praiminisitra fa fifidianana dobondrano izy ity, dia mahalasa saina ahy ihany no anomezana ny mpifidy valo andro monja hanapahan-kevitra amin'izy ity. Ahoana no anantenan'ny praiminisitra fa hahatakatra ny lohahevitra rehetra nodinihan'ny antokony sy ny mpanohitra an-taonany ao anatin'ny valo andro ny mpifidy?
Ny blaogera Belinda Yek nanoratra fa ireo mpitariky ny firenena hoavy eo dia tokony hofantenina amin'ny fampanantenana nataondry zareo fa tsy amin'ny antoko misy azy ireo fotsiny:
I wouldn't want to have a situation where time and resources are wasted and unsatisfactory compromises made just because of the increased opposition seats and their veto power in parliament. Instead, when voting for the opposition, vote based on the election promises and programs they will implement, and judge them with the same fervour that we judge the incumbent as they have had 4 years since GE2011 to deliver on their promises and programs.
Tsy te-hahita toedraharaha mandany fotoana sy hery amin'ny tsy misy dikany aho ary tsy maintsy manao marimaritra iraisana tsy mahafapo noho ny fitomboan'ny isan'ny sezan'ny mpanohitra sy ny fahafahandry zareo mametraka vato tsy azo ivalozana ao amin'ny parlemanta. Fa raha mifidy ny mpanohitra dia mifidiana amin'ny fampanantenana sy ny fandaharan'asa hampidirin-dry zareo, ary tsarao araka ny itsarantsika mavitrika ny amin'izao fotoana izao araka ny nataony 4 taona lasa namoahany ny fampanantenany sy ny fandaharan'asany.
Tanora mpanoratra Cassandra Chia nanatrika fivoriam-pifidianana iray ary nanoratra ny zavatra hitany:
I sat down on the grass patch with the rest of the crowds. What I initially expected was a rock concert style environment with many die-hard roaring fans, just that the singers singing were now replaced with candidates speaking for their political party. However, the atmosphere was not as “electrifying” as I imagined.
Nipetraka teo amin'ny bozaka niaraka tamin'ny vahoaka teo aho. Ny nantenaiko tamin'ny voalohany dia rindrankira amin'ny endrika rock miaraka amin'ny mpankasitraka die-hard maro, fa ireo mpihira moa izany dia soloin'ny kandidà mikabary hanasoasoana ny antoko politikany. Saingy, tsy “nangorovitsika” araka ny neritreretiko ny fotoana.
Si Ying, tanora mpanoratra hafa, nitafatafa tamin'ny mpifidy zokinjokiny sasantsasany izay nilaza fa hifidy ny “fahamarinantoerana” ry zareo:
“Stability” and “assurance” are common factors to account for why most of the elderly citizens would rather stick with the familiar than to risk change.
“Fahamarinantoerana” sy “antoka” no singa iraisana mila raisina mahatonga ny maro amin'ny olom-pirenena zokinjokiny hiraikitra amin'ny mahazatra kokoa noho ny hianjoria any amin'ny fiovana
Saingy misy ihany koa ny horaka mitady fiovana eo amin'ny tanora mahatsiaro ho tsy faly amin'ny toe-draharaha ankehitriny:
…we’re also seeing a significant slice of the younger generation who feel that change is necessary, alternative/new voices are needed, being-satisfied wouldn’t suffice and that Singapore has far greater potential to improve and succeed.
Hitanay ihany koa ny fisian'ny ampahany maro amin'ny taranaka tanora izay mahatsapa fa tsy maintsy atao ny fiovana, ilaina ny feo vaovao, tsy ampy ny afa-po ary manana otrik'angovo betsaka i Singapaoro hivoarana sy hahombiazana.
Ho fantatra amin'ny 11 septambra ny anjaran'ny PAP sy ireo antoko mpanohitra. Mandritra izany fotoana izany dia ampiasaina hanarahamaso ny f iitaran-draharaha farany amin'ny fampielezankevitra.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...