- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanomboka Ny Andro Fifidianana Tao Trinidad & Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
"Trini gyul"; photo by Shiv, used under a CC BY 2.0 license. [1]

“Trini gyul”; sary an'i Shiv, nampiasàna ny lisansa CC BY 2.0.

Taorian'ny vanintaona hafahafa tsy nampino [2] nanaovana fampielezankevitra politika [3], tonga ihany ny andro fifidianana nony farany ao Trinidad sy Tobago. Milaza ireo kaontin'ny [4] mpisera ety anaty aterineto fa na eo aza ny zava-manahirana sarotra hamarinina momba ny fahalainan'ny mpifidy, somary natevintevina ihany ny tahan'ny fandraisana anjara tany amin'ny ankamaroan'ireo birao fifidianana nanerana ny firenena :

132 ireo mpifaninana haka ny vaton'ireo mpifidy miisa 1.099.245 aminà fari-pifidianana 41 ao anatin'ny fifidianana atao androany eto #trinidad [5] sy #tobago [6]

Nisy sahady anefa ny fanaovana hevitra ratsy nialohan'ny fifidianana, izay naminavinàna,  araka ny fikarohana farany [8] fa hibata fandresena ny People's National Movement [9], na dia maro aza no mihevitra fa ho henjana ny fifaninanana. Tao amin'ny famoriam-bahoaka farany nataon'ny PNM ny Sabotsy lasa teo, lehilahy iray nilaza ny tenany ho ‘Jesosy’ no nandrehitra ny lampihazo [10]; tsy nisy ny naratra ary nentina tany amin'ny biraon'ny polisy ilay lehilahy.

Nisy ihany koa ireo famantarana nalefa tao amin'ny distrikam-pifidianana tao San Fernando Andrefana nanisi-kevitra hoe tsy afaka fidiana i Faris Al Rawi [11], mpirotsaka avy amin'ny PNM ao amin'ny faritra. Hatreo dia namoaka fanambaràna iray ny [12] Elections and Boundaries Commission [13] (EBC), ilay rantsana tomponandraikitra amin'ny fitantanana ny fifidianana, niantso ny vahoaka mba tsy hiraharaha ireny fanamarihana ireny, tamin'ny fanamafisana fa mpirotsaka tsy handiso fanantenana i Al Rawi.

io maraina io, nisy pitika vaovao roa nifafy. Ny iray nolazaina fa fanamafisana [14] avy amin'ny Kaomisera mpisolo toerana ao amin'ny polisy hoe manao fanadihadiana tatitra iray ny polisy, tatitra nilaza fa nanaovan'ny manampahefana vitsivitsy bemidina tao amin'ny tranon'ireo solontena roa an'ny United National Congress [15] (UNC; ilay antoko lehibe ao anatin'ny governemanta iraisana tarihan'ny People's Partnership ankehitriny) hikarohana “lisitra sy maha-pikambana ara-politika”.

Ny faharoa dia fanambaràna iray avy amin'ny EBC [16] milaza fa “tsy maintsy mahazo fitarainana ofisialy ry zareo momba ny fanaovana fampielezankevitra tety anaty media dizitaly/sosialy tamin'ny Andro Fifidianana, vao afaka manome baiko hanaovana fanadihadiana. Dr. Keith Rowley, mpitarika ny fanoherana, dia efa nametraka fitarainana araka ny takian'ny lalàna tao amin'ny EBC:

FANAVAOZANA:  lazain'i Dr. Keith Rowley, mpitarika politika ny PNM, fa nametraka fitarainana ofisialy tany amin'ny EBC  mikasika ny fanaovana fampielezankevitra dizitaly ny antokony

Tao amin'ny Twitter, nandefa fanehoankevitra mikasika ny nahatanterahany ny andraikiny tamin'ny fifidianana ireo mpisera ety anaty aterineto :

Andraikitra sivily. Fifidianana 2015 eto Trinidad sy Tobago. Fianakaviana

Ny hafa mampahatsiahy ireo olom-pirenena namana ny amin'ny maha-zava-dehibe ny fifidianana, ary ny ankamaroan'ireo tamberina dia hoe nisosa, nahafinaritra ary tsy nisy olana ny dingana rehetra. Trinidad sy Tobago, tsy toy ireo faritra hafa [21], dia tsy manana tantaranà fifidianana nisy herisetra izany .

Androany ilay andro ry Trinidad sy Tobago. Eo an-tànanao ny firenena

@tv6tnt [27] Trincity.  Nisosa tsara. Niditra dia tafavoaka afaka 10 minitra teo ho eo

Ny faritra hafa nitatitra fisiana fiandrasana elabe :

Filaharana lava be ato amin'ny Foibe Wallerfield Early Childhood aty amin'ny fari-pifidianana La Horquetta Talparo

Mpifidy milahatra aty amin'ny Sekolim-panjakana Fanabeazana Fototra Dinsley-Trincity

Nomarihan'i Wesley Gibbings, mpanao gazety miasa tena fa :

ny 69,88% tamin'ireo mpifidy tamin'y 2010 no avo indrindra hatramin'ny 1961 raha ny 88,11% kosa no nifidy tao #trinidad [5] sy #tobago [6]

Ny 2010 no nitondra ho eo amin'ny fahefana ny governemanta iraisana tarihan'ny People's Partnership, [38] taorian'ny nifidianan'ny vahoaka nanohitra ny fanararaotana sy ny tsy fhaizana mitantana nataon'ny fitantanan'i Manning [39], izay filoha avy tamin'ny PNM tamin'izany fotoana.

Taona dimy taty aoriana, toa nisy fahatsapàna goavana izany toy ny manao hoe ‘ny teo ihany no miverina’ — niantefan'ny fiampangana ho manao kolikoly, fitantanana goragora [40] ary fanenjehana ny fahavalo ara-politika [41] ny governemantan'i Kamla Persad-Bissessar– ary ho an'ny sasany, mbola vao ny tendron'ny ranomandry [42] fotsiny io. Andrasana eo izay ho fivoakany, na tena tofoka tokoa amin'ny mpitondra ireo mpifidy, toy ny tamin'ny taona 2010; manomboka aorian'ny fikatonan'ny birao amin'ny 6 ora hariva ny fanisàna vato, ora ao Trinidad sy Tobago.