Netizen Report: Andraman'i Ejipta Amin'ireo Mpampiasa Facebook Ilay Lalàna Vaovao Momba Ny Fampihorohoroana

protester holding a placard in Tahrir Square referring to Facebook and Twitter, acknowledging the role played by social media during the 2011 Egyptian Revolution. Photo by Sherif9282 via Wikimedia (CC BY-SA 4.0)

Mpanao fihetsiketsehana mitazona takelaka ao amin'ny Kianja Tahrir, milaza ny Facebook sy ny Twitter, manaiky ny anjara asan'ny media sosialy nandritra ny Revolisiôna Ejiptiana 2011. Sary avy tamin'i Sherif9282 tamin'ny Wikimedia (CC BY-SA 4.0)

Ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy dia manome topimaso amin'ireo fanamby iraisam-pirenena, ireo fandresena, ary ireo fironana  vao mitranga amin'ny resaka zo amin'ny Aterineto manerana ny tany.

Tamin'ny fametrahany voalohany ny lalànany vaovao miady amin'ny fampihorohoroana, nisambotra olona telo mpampiasa Facebook ny governemanta Ejiptiana, ny 23 Aogositra, nampangaina nohon'ny “fihantsiana herisetra”, niampanga azy ireo ho nanaparitaka fitaovana manohana ilay fikambanana mahery setra fantatra amin'ny hoe ISIS. Voakendry tao anatin'ny fanaovana fikarohana ho an'ny fitandroana ny filaminana ireo olona telo ireo, mpianatra ny roa ary ny iray mpitsabo biby; avy eo nosamborina taorian'ny nahitan'ireo manampahefana lahatsary lazaina fa fanohanana ny ISIS tao amin'ireo solosaina findain-dry zareo. Tsy nazava tsara ny antony tany ampiandohana nisafidianana azy ireo hanaovana fanadihadiana tamin'ny voalohany.

Ny tapaky ny volana Aogositra, nankatoavin'ny Filoham-pirenena Abdel Fattah al-Sisi tamin'ny antsipirihany, ilay lalàna dia manome sazy an-tranomaizina dimy taona farafahakeliny ho an'ireo rehetra izay manokatra na mampiasa vohikala manindrahindra hevitra na finoana izay miantso ny fanaovana “hetsika fampihorohoroana”. Mametraka fefy hentitra amin'ny media ihany koa ilay lalàna: Misy andàlana iray manàla ny fahalalàhan'ny fanaovana gazety, fandraràna ny olona iray na antoko tsy haka sary na handrakitra ireo zava-mitranga ao amin'ny fitsaràna na mandefa izany ho loharanom-baovao ao amin'ny fandaharana, na amin'ny media an-tsoratra, na media sosialy na amin'ny fitaovana hafa. Misy iray koa manasazy ireo olona mandefa “vaovao diso” na angon-drakitra manohintohina na manohitra ireo fanambaràn'ireo tomponandraiki-panjakana ao amin'ny governemanta momba ireo fanafihan'ny mpampihorohoro. Tamin'ny tafatafa niaraka tamin'i Al-Monitor, nilaza izao i Gamal Eid, Talen'ny Tambajotra Arabo Fampahafantarana momba ny Zon'olombelona : “Mamadika ireo mpanao gazety ho lasa mpampita ireo angon-drakitra ofisialin'ny fanjakana fotsiny ilay lalàna.”

Mandritra izany, nandà fitoriana izay nikendry ny hanakatona ny Facebook ny fitsaràna Ejiptiana, ny Talata 01 Septambra lasa teo; nilaza ilay fitoriana fa manampy ny fanaparitahana vaovao diso sy manindrahindra ny fivarotantena ny media sosialy. Araka ny Ahram Online, sainin'ny fitsaràna hoe mety ho fomba mety kokoa entina hanenana io olana io ny fanivanan-tena sy “fandrakofana tsy mitanila ataon'ny media”, valin-kafatra mahagaga ihany raha ny zavatra mitranga etsy ambony.

Mandràra ny fanindrahindràna amin'ny Aterineto ny famoriana olona ho amin'ny fanavaozana ny fifidianana i Malezia

Mibahana ireo vohikala izay “manindrahindra, manaparitaka, ary mankahery ireo olona mandray anjara” amin'ireo hetsi-panoherana karakarain'ny Bersih ny manampahefana Maleziana, io dia fikambanana vondrona manindrahindra ny fanavaozana ny fifidianana izay niantso ny Praiminisitra Najib Razak hametraka fialàna. Tao anatin'ilay fibahanana, nanambara soso-kevitra ny Kaomisionan'ny Serasera sy ny Fampitam-baovao Maleziana, nangataka ireo vohikalam-baovao rehetra mba hisoratra anarana ao amin'ny governemanta. Na teo aza ireo fitsipika ireo, mbola nitohy sy natanjaka ihany ireo hetsika fangatahana ny fanavaozana ny fifidianana. Maminavina ireo mpikarakara hoe hisy olona miisa 500.000 hanjohy ireo hetsika any Kuala Lumpur ary hisy an'arivony handray anjara amin'ny hetsika any Kota Kinabalu sy Kuching.

Manapaka ny fandefasana hafatra amin'ny finday ireo manampahefana Indiana satria lasa nisy herisetra ireo korontana

Nibahana ny sehatra fandefasana hafatra amin'ny finday ny fanjakana Gujarat an'i Inde, ao anatin'izany ny WhatsApp, manoloana ny oho ireo rotaka avy amin'ireo hetsi-panoherana sy ireo fanavakavahana ny sokaly sosialy atao ampahibemaso. Araka ny BBC, nampiasa WhatsApp ireo mpikarakara mba hanaingàna ireo mpanao hetsika.

Nandràra tampoka ireo pejin-ny vohikala noho ny rongony, alt-rock, i Rosia

Roskomnadzor, mpandrindra ny serasera ao Rosia, namoaka ary avy eo namàfa haingana ny fandraràna tamin'ny Wikipedia, taorian'ny nandavan'ilay vohikala mipetraka any Etazonia tsy hamafa ny lahatsorany momba ny rongony (haschish). Namoaka lalàna ny fitsaràna teo an-toerana fa nanitsakitsaka ny lalàna misy eo amin'ny firenena ilay pejy, lalàna izay mandràra ny votoaty amin'ny Aterineto manindrahindra na mifandraika amin'ny fampiasàna rongony tsy ara-dalàna. Na dia tokony hangataka ireo manampahefana hanitsoka ilay lahatsoratra resahina fotsiny aza ilay lalàna, nilaza ny Roskomnadzor fa nilaina nahitsoka manontolo mihitsy ny Wikipedia noho ny fampiasan'ilay vohikala ny fanoratana HTTPS, izay  manasarotra ny dingana fibahanana ireo pejy voafaritra manokana ao anatin'ilay vohikala. Nahatonga adihevitra teo amin'ireo Rosiana mpampiasa Wikipedia ao amin'ilay vohikala ilay fandraràna, hoe ahoana no fomba tsara indrindra hamaliana ilay baiko. Ny farany, nanapaka hevitra ny hanao fanovàna kely tao amin'ny URL-n'ilay lahatsoratra izy ireo, nanao io hifanaraka ara-tekinika amin'ilay lalàna. Tsy mila lazaina intsony hoe lasa nahasarika ny sain'ny maro sy lasa be mpijery kokoa ilay lahatsoratra hatramin'ny nisian'ilay resabe  niparitaka nisy teo aloha.

Nanitsoka ny sehatra mozika amin'ny Aterineto, Last.fm, ihany koa ireo mpandrindra Rosiana, noho io nanome hira avy amin'ilay tarika “Psychea” mpiangaly hira mavesatra  mitonra lohateny hoe “Kill a Cop.” (Mamonoa Polisy)

Sivanin'i Shina ireo tantara miresaka ny fitontongan'ny tsena

Nametraka hery famoretana vaovao mikasika ireo tsahotsaho amin'ny Aterineto i Shina tamin'ity volana Aogositra ity, tao anatin'ny fioomanan aho amin'ny matson'ny tafika. Nilaza ny Ministeran'ny Fiarovam-bahoaka Shinoa hoe nanasazy mpampiasa Aterineto miisa 197 noho ny filazàna azy ireny ho nanaparitaka loharanom-baovao nodisoina tamin'ny media sosialy sy tamin'ireo tolotra fandefasana hafatra, araka ny PCWorld. Taoriana kelin'izay, nitondra tamin'ny onjanà fanivànana hafa koa ny fiovaovana tamin'ny tsena Shinoa: mitondra any amin'ny fisokafana valiny voatsonga fotsiny ireo fikarohana ny ‘fitotonganan'ny tsena’ atao amin'ny Baidu, ary misy ireo fanitsohana mitovy amin'izany napetraka tamin'ny sehatra fanaovana bilaogy Weibo.

Manangasanga any Kambodza ny famoretana media sosialy ?

Mpampiasa Facebook Kambodziana, Kong Raiya, nosamborina sy nampangaina ho “nihantsy ny hanaovana revôlisiôna” tamin'ireo hafatra nalefany tamin'ny Facebook nanindrahindra fitroarana faobe ao amin'ny firenena. Amin'ny fehezan-dalàna fanasazian'i Kambodza, mety hahazo sazy roa taona an-tranomaizina amin'izany hadisoana niampangàna azy izany izy. Mety ho mariky ny fitomboan'ny politika fanarahamaso ny votoaty amin'ny Aterineto ao amin'ny firenena ny fisamborana azy — Milaza ny Ministeran'ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra ao Kambodza hoe “fanangonam-baovao” io, mba handrafetana lalàna vaovao momba ny heloka bevava atao amin'ny alàlan'ny Aterineto, manome fahefana bebe kokoa ny governemanta amin'ny fanarahamaso ny fitenenana ao amin'ny Aterineto.

Mila fehezin'ny Facebook ireo votoaty misy fanavakavahana, hoy ny minisitra Alemàna

Nanendry ny Facebook ihany koa ny minisitry ny fitsaràna Alemàna ny faran'ny herinandro lasa teo, tamin'ny taratasy iray ho an'ilay orinasa , milaza fa tena kely tokoa ny zavatra ataon'io orinasa io mba hamerana ny fanehoan-kevitra miaty fanavakavahana. “Ireo mpampiasa Facebook, indrindra indrindra, dia ahitana fitomboana fitarainana hoe tsy tena mibahana ireo ‘lahatsoratra’ sy ireo fanehoankevitra miaty fanavakavahana ny orinasanareo, na eo aza ny fanondroan-dry zareo ireo ohatra azo tsapain-tànana,” hoy ny nosoratan'ny Minisitra Heiko Maas. Mikasa ny hihaona amin'ireo solontenan'ny Facebook any Berlin izy ny faran'ity volana ity.

Manohy manisy fitsipika mamepetra ireo tolotra fandefasana hafatra i Azerbaijan

Nilaza ireo manampahefana Azerbaijani fa eo an-dàlan'ny fanaovana fifanarahana fifanekena amin'ireo mpanome tolotra fandefasana hafatra sy VoIP izy ireo; ao anatin'izany ny Viber, WhatsApp ary ny Skype. Sahala amin'ny mangataka ilay orinasa hisoratra anarana ao amin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Teknolojia Ambony ireo fifanarahana ireo, mba hahafahana miasa ao amin'ny firenena.

Fikarohana Vaovao

Nandray anjara tamin'ity tatitra ity i Ellery Roberts Biddle, Arzu Geybullayeva, Weiping Li, Hae-in Lim, Kevin Rothrock, ary Sarah Myers West.


Misoràta anarana amin'ny mailaka alefan'ny Netizen Report

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.