16 Volana Aty Aoriana, Mbola Tsy Vita Ny Fitsaràna Ireo Mpitoraka Bilaogy Zone9

Mitondra an'i Natnael ( afovoany havanana) sy ny mpitoraka bilaogy namany Atnaf Berahane ( afovoany havia) ho any amin'ny Fitsarana ny mpitandro filaminana. Sary avy amin'ny bilaogy Trial Tracker (Fanarahana Fitsaràna).
Hatramin'ny nisamborana azy ireo voalohany sy ny namonjàna azy ireo tamin'ny 25 Aprily 2014 dia maro ireo fivoarana sy fiovàna natrehan'ireo mpitoraka bilaogin'ny Zone9 ao Etiopia momba ny raharaha mahakasika azy ireo. Amin'izany rehetra izany, in-30 mahery izy ireo no niseho teo anatrehan'ny fitsaràna tao anatin'ny 16 volana ary nahemotra isaky ny mihetsika izany. Saingy miaraka amin'ny famotsorana ireo dimy voafonja, tamin'ny volana Jolay, dia tonga amin'ny sehatra saropady ny raharaha.
Etopiana dimy mpanoratra ( ny efatra any am-ponja ary ny iray tsy nanatrika) no mbola tsaraina noho ny fanenjehana azy ireo aminà heloka bevava mifandraika aminà fampihorohoroana izay lazain'ny governemanta fa notanterahana tamin'ny fiandohan'ny volana May 2012. Mitarika antsika amin'ny alàlan'ny fivoaran'ny toe-draharaha farany momba ny fitsaràna ireo mpitoraka bilaogin'ny Zone9 mialoha ny fotoam-pitsaràna manaraka amin'ny Alatsinainy 7 Septambra i Endalk Chala, mpikambana iray mpamorona ny fitorahana bilaogy iombonana Zone9 sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices.
Ahoana no nanombohany ?
Tsy azon'ny fianakaviana vangiana na omena torohevitra momba ny lalàna nandritra ny telo herinandro ireo mpitoraka bilaogy ireo rehefa voasambotra tamin'ny 25 Aprily 2014. Efatra herinandro monja taorian'ny nisamborana azy ireo dia nanomboka ny fitsarana tsy manam-pahataperana ireo mpitoraka bilaogy ireo. Na izany aza, nandritra izay efatra herinandro izay, lazain'ireo namana sy fianakavian'ireo mpitoraka bilaogy fa mahita ny kaonty Gmail-n'izy ireo misokatra ry zareo. Ilay teboka maitso manambara ny fisokafan'ny kaonty Gmail no nanaitra ny olona akaiky ireo mpitoraka bilaogy, ary maro no nitaintaina fa nampijaliana izy ireo mba hanomezany ny tenimiafin'ny kaonty Gmail-ny nandritra ny fotoana naharitra nanaovana ny famotorana mialoha ny handefasana azy any amin'ny fitsarana, efa telo volana mahery raha atambatra.

Ireo fotoam-pitsarana araka ny daty
Ny fisamborana sy ireo fepetra izay nitazonana ireo mpitoraka bilaogy tany am-ponja no naha-zava-dehibe ny fitsarana tamin'ny faha-17 May satria fotoana nahitana raha toa ka tsy naninona ireo mpitoraka bilaogy. Voalaza fa nentina antsokosoko notsaraina ireo mpitoraka bilaogy talohan'ny 17 May, saingy tsy nisy afaka nanatrika mba hanamarina izany fitsarana izany.
Tsy nisy afaka nahita azy ireo mandra-pisehony teo amin'ny fitsarana ny faha-17 May. Tsy maintsy niandry tamim-pitaintainana nandritra ny ora maro ireo namana sy ny fianakaviana tao anatin'ny fitsaràn'i Arada efa rava, toerana nanombohana ny fitsaràna talohan'ny nanapahan'ny fitondrana hevitra ny hamindràna izany any amin'ny toerana misy azy ankehitriny, ny Fitsaràna Avon'i Lideta. Nifandrombahana ny naka sary ireo mpitoraka bilaogy ireo nandritra ny fanaterana azy ireo tany amin'ny efitra fitsarana rehefa nentina ho tsaraina izy ireo. Maro be ireo mpiambina nanodidina ireo mpitoraka bilaogy ary tena hendratrendratra ny tontolo. Na dia teo aza ny famoretana mafy nataon'ny mpiandry manokana tamin'ireo mpanao gazety sy ny namana, dia nibitsika mivantana sy nandefa ny sarin'ny fitsarana ireo mpitoraka bilaogy ihany izy ireo.
Nanafina ny findainy, nibitsika ny tenin'ny mpitandro filaminana taminy ity olona iray nanatrika rehefa niezaka ny haka sary ireo mpitoraka bilaogy tamin'ny làlany ho any amin'ny fitsarana : “Nanondro ny tany tamin'ny fanondrony ny mpitandro ny filaminana no nivazavaza tamiko ; tsy afaka maka sary na dia ity tany ity aza ianareo na dia ireo mpitoraka bilaogy aza.” Nanomboka tamin'izay, lasa fironana izany fitondrantenan'ireo mpitandro filaminana izany; amin'ny ankamaroan'ny raharaham-pitsarana, asain'ny mpitandro filaminana vonoin'ireo mpanatrika ny findainy rehefa ao anatin'ny fitsarana izy ireo. Tahaka izany ny fomba fandaminana amin'ny tontolon'ny fitsaràna Etiopiana amin'izao fotoana izao. Tsy azo itondràna ‘camera’ na fitaovana fandraisam-peo ao amin'ny efitra fitsaràna na dia hamafisin'ny lalàna etiopiana aza fa ampahibemaso ny fitsarana rehetra.
Nandritra izay fitsarana lavareny 16 volana izay, fotoana vitsy foana no tsy ahitana olona milahatra lava be miandry eo ivelan'ny varavaran'ny Fitsarana Avon'i Lideta mba hanatrika ny fitsarana ireo mpitoraka bilaogy, saingy ady mandrakariva ny fidirana ao amin'ny efitra fitsarana. Manomboka any amin'ireo mpisahana ny fiarovana ka hatramin'ireo mpiasa mpikirakira ny lalàna, ny ankamaroan'ireo mpiasa ao amin'ny fitsaràna no mahasorena sy mahakivy. Ireo mpitandro filaminana kosa mandritra izany fotoana izany dia manao fihetsika jiolahimboto mandrakariva amin'ireo te-hanatrika ny fitsaràna ireo mpitoraka bilaogy. Nandritra izay fitsaràna 16 volana izay, fara-fahakeliny olona telo izay nanandrana naka sary ny fandehan'ny fitsarana tamin'ny findainy no notànana fotoana fohy ary nasaina namono ny sary azony. Noho io trangan-javatra io, tsy mahagaga raha ny tenan'ireo mpitoraka bilaogy no misedra zavatra maro mandritra ny dingam-pitsarana rehetra.
- 500 andro tany amponja ireo bilaogera
- in-36 nahemotra ny fitsarana
- lahatsoratra no naseho ho porofo
- nijoro nanamarina ny fisian'ireo lahatsoratra ny vavolombelona
- mpanao gazety niisa 150 no voaheloka momba ny resaka fampihorohoroana hatramin'ny 2009
Fanemorana matetika
Efitra fitsaràna voatokana mampalahelo kely ery ambony amin'ny farany ao amin'ny Fitsarana Avon'i Lideta no misy ny efitra faha-23 fitsarana ny heloka bevava. Na dia efa in-36 nahemotra aza ny fitsarana nandritra ny 16 volana, dia ora 10 latsaka no fotoana lanin'ireo mpitoraka bilaogy sy ny mpanolotsaina azy ireo amin'ny resaka lalàna tao amin'ny fitsaràna. Amin'ny andro fitsarana mahazatra iray, latsaky ny 8 minitra no lanin'ireo mpitoraka bilaogy tao amin'ny efitra fitsarana fa tsy nisy lalàna mafonja na porofom-panenjehana. Lanin'ny mpitsara na ireo mpampanoa miditra tara ao amin'ny efitra fitsarana amin'ny fandehanana handray ny toerany eny amin'ny rihana farany ambony ny antsasa-potoana, avy eo mangataka ny fanemorana ny fitsarana ny mpampanoa lalàna. Indraindray tazoniny ho amin'ny farany indrindra ilay fitsarana fa ireo tranganà heloka bevava hafa no ataony mialoha ny hiverenany amin'ireo mpitoraka bilaogy, asainy mipetraka eo ambony seza hazo lava manoloana ny efitra ry zareo mba hanemorana ny fitsarana.
Nandrasana hiverina eo anoloan'ny fitsarana indray ireo mpitoraka bilaogy amin'ny Alatsinainy 7 Septambra. Mbola hahemotra indray ve ny fitsarana ? Vakio ity fanaparitahana ny Jolay sy ity tatitry ny Aogositra ity mba hahalalàna bebe kokoa ny momba ilay fitsarana.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...