- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana No Ahafahanao Manampy ny Syriana Sy Ny Mpitsoa-ponenana (Hafa)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Andrefana, Alemaina, Gresy, Hongria, Syria, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge
Photo of an Afghan refugee family leaving the Keleti train station. From Budapest Seen's Facebook page. [1]

Sarin'ny fianakaviana Afghana mpitsoaponenana iray miala ny garan'ny fiarandalamby ao Keleti. Sary avy amin'i Edd Carlile tao amin'ny pejy Facebook Budapest Seen.

Ny krizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eoropa no nahatonga ny maro nanontany ny fomba handefasana mivantana vola fanampiana sy ny fifantohana amin'ny Syriana sy mpitsoaponenana hafa. Maro karazana ny fandraisana an-tanana, saingy vitsy ihany no hitako ho tsara :

Roa taona lasa izay aho no nanoratra tsanganana iray [13] amin'izay ahafahana manampy ny Syriana mpitsoaponenana. Raha mbola mitoetra ny fampahafantarana tao amin'io tsanganana io, dia nanapa-kevitra aho ny hanoratra vaovao iray izay ampidirana fikambanana niorina vao haingana. Tafiditra ao amin'ity tsanganana ity ihany koa ny efa voalaza sasantsasany taloha. Mankasitraka indrindra an'i Lina Sergie Attar [14] sy i Sima Diab [15] amin'ny fanampian'izy ireo.

Araka izay nohazavaiko tamin'ny farany, nasongadiko ny fikambanana tsy mitady tombontsoa miorina ao Etazonia tafiditra ao amin'ny 501(c)(3) [mahazo fampihenan-ketra] ary mahazo naoty ambony avy amin'ny GuideStar sy Charity Navigator, fa misy roa manivaka.

Tsy misy fandaharana manokana ny tolokevitra:

Ity tsanganana ity dia nivoaka voalohany [49] tao amin'ny blaogin'i Jillian C.York’. Jillian [50] dia solontenan'ny mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Filakevi-pitantanan'ny Global Voices. Talen'ny EFF eo amin'ny Fahalalaham-pitenenana Iraisampirenena ihany koa izy ary miorina ao Berlin, Alemaina.