Ahoana No Ahafahanao Manampy ny Syriana Sy Ny Mpitsoa-ponenana (Hafa)

Photo of an Afghan refugee family leaving the Keleti train station. From Budapest Seen's Facebook page.

Sarin'ny fianakaviana Afghana mpitsoaponenana iray miala ny garan'ny fiarandalamby ao Keleti. Sary avy amin'i Edd Carlile tao amin'ny pejy Facebook Budapest Seen.

Ny krizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eoropa no nahatonga ny maro nanontany ny fomba handefasana mivantana vola fanampiana sy ny fifantohana amin'ny Syriana sy mpitsoaponenana hafa. Maro karazana ny fandraisana an-tanana, saingy vitsy ihany no hitako ho tsara :

  • Refugees Welcome – Amin'ny teny Alemana ny tranonkala, saingy afa-manome fanomezana ato ianao na manohana hofantrano isam-bolana ho an'ny mpitsoa-ponenanana iray ato. Afa-manao asa an-tsitrapo ihany koa ny Alemana, na manome toerana ao an-tranony raha manana.
  • Migration Aid – Fikambanana fiantrana manampy manokana ny mpitsoa-ponenana tonga ao Hongria ary manaiky na vola na endrika fanomezana hafa.
  • Ny Migrant Offshore Aid Station manampy amin'ny famonjena mpitsoa-ponenana any an-dranomasina. Mieritreritra aho fa hevitra mety ity, saingy mila vakiana ny Fanontaniana Averimberina Matetika hahatakarana hoe ahoana no ikarakarany ny mpitsoaponenana rehefa voavonjy izy ireo.
  • Tsy manao famonjena mivantana ny European Council on Refugees and Exiles fa misolovava kokoa amin'ny isian'ny politika tsaratsara kokoa ao Eoropa.
  • Mpanao asasoa Britanika Refugee Action manolotra karazan-draharaha ho an'ny mpitsoaponenana mahatody ny morontsiraka britanika.
  • UOSSM Canada izay mitady fanomezana sy mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny toerany ao Ontario.
  • Ireo any Soeda dia afa-mirotsaka an-tsitrapo miaraka amin'ny “Ingen människa är illegal” (“tsy misy olona tsy ara-dalàna”) na miaraka amin'ny Swedish Network of Refugee Support Groups (FARR).
  • Ry zareo ao Budapest afa-mandray anjara asa an-tsitrapo miaraka amin'ny The Secret Kitchen, izay manolotra sakafo ho an'ny mpitsoaponenana ao.

Roa taona lasa izay aho no nanoratra tsanganana iray amin'izay ahafahana manampy ny Syriana mpitsoaponenana. Raha mbola mitoetra ny fampahafantarana tao amin'io tsanganana io, dia nanapa-kevitra aho ny hanoratra vaovao iray izay ampidirana fikambanana niorina vao haingana. Tafiditra ao amin'ity tsanganana ity ihany koa ny efa voalaza sasantsasany taloha. Mankasitraka indrindra an'i Lina Sergie Attar sy i Sima Diab amin'ny fanampian'izy ireo.

Araka izay nohazavaiko tamin'ny farany, nasongadiko ny fikambanana tsy mitady tombontsoa miorina ao Etazonia tafiditra ao amin'ny 501(c)(3) [mahazo fampihenan-ketra] ary mahazo naoty ambony avy amin'ny GuideStar sy Charity Navigator, fa misy roa manivaka.

Tsy misy fandaharana manokana ny tolokevitra:

  • Fikambanana fantadaza iraisampirenena ny Save the Children (95.01/100 ao amin'ny Charity Navigator) ary 501(c)(3) fikambanana mahazo fampihenan-ketra ary amin'izao fotoana izao dia mitantana ny vola fanampiana ny kilonga Syriana ao anaty krizy. Tsy manampaharoa ny programandry zareo amin'ny lafiny fametrahana “sehatra mendrika ny ankizy” hanomezana ny zanaky ny ao amin'ny vondrom-piarahamonina mpitsoaponenana ” sehatra milamina hilalaovana sy hahazoana fanohanana ahaafahana manadino ny fahasarotam-piainana atrehindry zareo.” Zavadehibe izany fanohanana ara-toetsaina ilaina ao anatin'ny krizy izany tahaka ny ilàna ny fikarakarana ara-pitsaboana na fiakrakarana hafa. Mahazo naoty tsara avy amin'ny Guidestar ihany koa ny Save the Children, mahazo ny marika ambaratonga volamena ao amin'ny Exchange.
  • Ny Syrian American Medical Society Foundation [Fikambanana ara-pitsaboana Syriana-Amerikana mpanao asasoa] dia voalahatra amin'ny sokajy volafotsy ao amin'ny Guidestar fa tsy mbola mahazo naoty ao amin'ny Charity Navigator (izay mitaky famenoana 7 taona nandoavana Hetra avy amin'ny vola azo). Manana fandaharanasa ao Libanona sy Syria atsimo ny fikambanana. Ny tatitra arabola isan-taona navoakandry zareo no milaza fa ny 1% amin'ny vola fanampiana ihany no mandeha any amin'ny fampandehanan-draharaha tamin'ny 2013.
  • Tsy voalahatra ny Basmeh & Zeitooneh satria fikambanana mpanao asasoa tsy Amerikana, fa miresaka be momba azy ity ny namana Syriana sy Lebaney. Ity vondrom-panampiana miorina ao Libanona ity dia manao ho laharampahamehana ny Syriana mpitsoaponenana ao Libanona, amin'ny alalan'ny fanohanana ara-tsaina, sakafo, fitafiana ary filàna hafa. Afa-manolotra fanomezana amin'ny fanentanana ataondry zareo amin'izao fotoana izao ato ianao. Mikarakara atrikasam-behivavy ihany koa ry zareo.
  • Ny International Rescue Committee dia sampana mpanao fanampiana tsara naoty iray ary manana ny satan'ny 501(c)(3) [mahazo fampihenanketra] tsy maka tombombarotra (95.36/100 ao amin'ny Charity Navigator) izay mahomby tokoa ny fampiasana ny vatsy (93% mankany amin'ny fandaharanasa, 3% monja no mankany amin'ny fanaovana fanangonambola).  Tsy afa-milaza manokana ianao fa mankany amin'ny Syriana mpitsoaponenana ny fanampiana ataonao, saingy efa manao izay mety tokoa any Syria sy toerankafa ny fikambanana.  Ary raha tsy manambola be loatra ianao, dia manana the IRC has a boaty hananganana fanangonambola amin'ny antonjavatra iray voatondro ny IRC.  Tsy miankina amin'ny fivavahana ny IRC ary tsy miankina amin'ny governemanta.
  • Ny Middle East Children’s Alliance dia fikambanana tsy mitady tombombarotra miorina ao California ary miasa ao an-toerana sy iraisampirenena, ary amin'izao fotoana izao dia eo ampanaovana fanentanana hanomezana fanampiana vonjimaika haingana dia haingana ho an'ireo Syriana mpitsoaponenana mitady fialofana ao Libanona. Mahazo isa 70.79/100 avy amin'ny Charity Navigator ry zareo noho ny habetsaky ny vola voaangona sy ny toerana misy an-dry zareo ao amin'ny Faritra Helodrano. Somary efa lany andro ihany ny toebolandry zareo ao amin'ny Guidestar.
  • Relief and Reconciliation dia mpanao asasoa izay mamelona Foibem-Pandriampahalemana ao Libanona avaratra “hanampiana ny olona amin'ny finoana rehetra … hialana amin'ny herisetra ary hitadiavana hoavy tsaratsara kokoa.” Noho ny tsy maha-Amerikana tsy mitady tombontsoa azy ireo dia tsy manana naoty avy amin'ny Guidestar sy ny Charity Navigator ry zareo, saingy afa-mirehareha tsara kosa ry zareo raha vakiana ny mombamomba azy ireo !
  • Syrianorphans.org dia fikambanana kely nahazo ny satan'ny 501(c)(3) tamin'ny 2013 [fampihenan-ketra], rehefa nanoratra ilay tsanganana aho. Na dia mbola tsy vita aza ny tatitra ara-bola (GuideStar), dia milaza ny fikambanana mpanao asasoa fa tsy mampiasa ny vola azo hanaovany fandaniana hafa izy fa natao manontolo hanampiana ny Syriana izany.
  • Ny fikambanana Islamika mpanao asa-soa Zakat Foundation (96.32/100 ao amin'ny Charity Navigator) manao fanentanana hanohanana ny mpitsoaponenana sy ireo tratran'ny voina manerana izao tontolo izao.

Ity tsanganana ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny blaogin'i Jillian C.York’. Jillian dia solontenan'ny mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Filakevi-pitantanan'ny Global Voices. Talen'ny EFF eo amin'ny Fahalalaham-pitenenana Iraisampirenena ihany koa izy ary miorina ao Berlin, Alemaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.