- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nibodo Ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana Ireo Mpikatroka Libaney “Maimbo Ianareo”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana

Supporters and protesters outside the Ministry of Environment building where #YouStink activists are staging a sit in. Photograph shared by Joey Ayoub on Twitter (@joeyayoub)

Mpanohana sy mpanao fihetsketsehana ao ivelan'ny tranoben'ny Minisiteran'ny Tontolo Iaianana izay nanaovan'ireo mpikatroka #YouStink [maimbo ianareo] sit in. Sary nozarain'i Joey Ayoub tao amin'nyf Twitter (@joeyayoub [1])

Mpanao fihetsiketsehana Libaney 50 eo ho eo avy amin'ny hetsika “Maimbo ianareo” sy ny hetsika hafa tamin'ny Talata teo no nanambara fibodoana misokatra ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, ora vitsivitsy alohan'ny ifaranan'ny fe-potoana 72 ora [2] nomen'ireo mpanao fihetsiketsehana hamaliana ny fitakian'izy ireo.

Nihitsoka tao amin'ny biraony ny Minisitra Muhammed Machnouk, satria nakaton'ny fanjakana ny minisitera mba hanakanana ireo mpikatroka tsy hanatevin-daharana ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nijanona tao ivelany mitaky ny fametraham-pialan'i Machnouk. Notapahan'ny manampahefana ihany koa ny herinaratra [3] tao an-tokontany nanaovana ny sit-in ary avy eo nandefasana tafika manodidina an'i Beirota. Nisy ihany koa ireo vondrona polisy misahana ny rotaka [4]nalefa tany amin'ny minisitera, izay voalaza fa handamina ny sit-in ary fantatra [5] fa nanomboka nidaroka mpanao hetsi-panoherana.

Mpanao fihetsiketsehana anjatony no nitangorona tao ivelan'ny minisitera, ary miha-mitombo ireo isa manatevin-daharana ny sit-in.

Tapitra ny fe-potoana. Mbola eto izahay.

Miha-betsaka hatrany ny vahoaka eo anoloan'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana

Miventy hoe “miala miala i Machnouq ” ireo mpanao fihetsiketsehana.

Mpanao gazety Al Hadath: Voahitsoka ao anatin'ny ministera noho ny hetsika Maimbo Ianareo ny minisitry ny tontolo iainana.

Mitatitra ireo fantsom-baovao hafa fa niezaka namoaka ny minisitra tao anatin'ny tranoben'ny minisitera tamin'ny alalan'ny varavarana any aoriana ireo mpitandro ny filaminana. Na izany aza, nandà tsy hivoaka tao ny minisitra fa te hijanona ao anatin'ny tranobe miaraka amin'ny fiarovan'ny mpitandro ny filaminana.

Mpandrindra ny fifandraisana ao amin'ny Mpanaramaso ny zon'olombelona, Rita Nehme, manamafy hoe:

Milaza ny minisitry ny tontolo iainana Mohammad Mashnouq fa hijanona ao anatin'ny biraony miaraka amin'ny fiarovan'ny ISF

Mandritra izany, manomboka mitangorona ao ivelan'ny minisitera ao Riyadh Al Solh ny olona ho firaisankina amin'ny fibodoana misokatra, nohidin'ny polisy ireo varavarana mba hanakanana ireo olon-kafa mbola hanatevin-daharana ny sit-in.

Misioka ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao anatin'ny minisitera i Luna Safwan;

Luna Safwan tweets a picture of the protesters from inside the building:

Sary voalohan'ireo mpikatroka #YouStink mibodo ny Minisiteran'ny tontolo iainana amin'izao fotoana izao

Nihaona tamin'ny minisitra Al Machnouq ny lehiben'ny polisy Mohammed Al Ayoubi ary nanapa-kevitra hamela solontena iray avy amin'ny ny mpanao fihetsiketsehana hiresaka amin'ny minisitra. Na izany aza, nolavin'ireo mpanao fihetsiketsehana ity fifanarahana ity fa nikiry ny amin'ny fametraham-pialàn'ny minisitra izy ireo.

Nanambara ny fanapahan-keviny hampiato ny fandraisany anjara ao anatin'ny vaomieran'ny minisitera natsangana vao haingana hisahana ny fitadiavam-bahaolana sy ny fitantanana ny olan'ny fako ao Libanona ny minisitra omaly. Na izany aza, tsy nankasitrahan'ireo mpanao fihetsiketsehana izay misisika ny amin'ny fialany amin'ny toerana maha-minisitry ny tontolo iainana azy ny fanapahan-keviny.

Mpitati-baovan'ny AFP ao Beirota, Maya Gebeily mitatitra hoe:

Hatezerana marobe ao ivelan'ny Ministeran'ny tontolo iainana noho ny fandavan'i Mashnuq tsy hametra-pialana amin'ny mahaminisitra saingy hiala ao anatin'ny komity misahana ny olan'ny fako

Sary marobe no niparika tao amin'ny media sosialy ahitana ny zava-nitranga ao anatiny sy ivelan'ny minisitera:

Manao marika sy hira fandresena ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny Minisiteran'ny tontolo iainana

Naeli-patrana ny polisy mba hanakatona ireo fidirana rehetra miditra ao amin'ny tranoben'ny minisitera, hoy ny siokan'i Abit Ghattas:

Nirahina hankany amin'ny fidirana rehetra ao amin'ny minisiteran'ny tontolo iainana ny polisy misahana ny rotaka

Mizara ny lahatsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana miezaka mitady fomba hafa hidirana ao amin'ny minisitera i Myra Abdulla:

Mpanao fihetsiketsehana “Maimbo Ianareo” mihazakazaka manerana ny fidirana hafa ao amin'ny tranobe Azarieh

Mizara lahatsary hafa avy ao anatin'ny minisitera ny vaovaon'ny Mashable:

Mpanao fihetsiketsehana mibodo ny minisiteran'ny tontolo iainana ao Libanona, mitaky fametraham-pialana noho ny olana amin'ny fitantanana ny fako

Imad Bazzi, iray amin'ireo mpitarika ny Maimbo Ianareo, ary anisan'ny olona tafiditra tao anatin'ny minisitera nilaza tamin'ny fampitam-baovao fa tsy mikasa handoto ny minisitera na hanimba andrim-panjakana izy ireo, fa sit-in mandroso mitaky ny fametraham-pialàn'ny minisitra no ataon'izy ireo ary tsy hiala izy ireo mandra-pivaly ny fitakian'izy ireo. Ao ivelany kosa, mamerina izany fanambarana izany ireo mpanao fihetsiketsehana ary manamafy fa tsy hiala ny faritra ihany koa raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo.

Ankoatra ny fitakiana fialan'i Machnouk, anisan'ny takiana nomena fe-potoana farany androany ihany koa [2]ny fitadiavam-bahaolana maharitra amin'ny olan'ny fako, izay antony voalohany mahatonga ny vahoaka nidina an-dalambe. Fitakiana hafa ny fanamelohana ireo tompon'andraikitra nandany volam-bahoaka nandritra ny fe-potoana farany ary tondroina ho tompon'andraikitra amin'izany ny minisitry ny atitany sy ireo rehetra nanome baiko hitifitra ny mpanao hetsi-panoherana.

Nanitatra ny fitakiany ny hetsika ny “Maimbo Ianareo” ankoatra ny tsy fahaiza-mitantan'ireo manampahefana ny olan'ny fako tamin'ny fanakatonana ny toerana lehibe indrindra fanariam-pako ao amin'ny firenena tamin'ny volana Jolay. Mitaky ny fialan'ny governemanta, ny fampitsaharana ny kolikoly sy ny fanaovana fifidianana solombavahoaka vaovao ireo mpikambana ankehitriny, ankoatra ireo fitakiana hafa. Tsy nanana filoham-pirenena nandritra ny herintaona mahery i Libanona, izay efa mijaly noho ny faharatsian'ny fotodrafitrasa sy ny fahatapahan'ny herinaratra isan'andro. Tamin'ny taona 2009, nanitata ny fe-potoam-piasana hatramin'ny taona 2017 tsy misy fifidianana ny parlemanta, noho ny korontana no lazaina fa antony.