Tantara tamin'ny 04 Septambra 2015
Syriana mpitsoaponenana ao Torkia aho, saingy nanapakevitra ny hody an-tanindrazana
Koa satria heniky ny tatitra misy ireo mpitsoaponenana mananda ny fiainany hiampita an'i Eoropa ny vaovao, dia misy Syriana Kiorda iray izany nahazo fialofana tao Torkia nanapa-kevitra ny hiverina hody.
Nibodo Ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana Ireo Mpikatroka Libaney “Maimbo Ianareo”
Mpanao fihetsiketsehana Libaney 50 eo ho eo avy amin'ny hetsika "Maimbo ianareo" sy ny hetsika hafa tamin'ny Talata teo no nanambara fibodoana misokatra ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, ora vitsivitsy alohan'ny ifaranan'ny fe-potoana 72 ora nomen'ireo mpanao fihetsiketsehana hamaliana ny fitakian'izy ireo.
Toy Izao No Nitranga Raha Nosazian'ny Fitsarana Rosiana Sazy An-tranomaizina 20 Taona Ilay Okrainiana Mpamokatra Sarimihetsika
Nitarika fahatezerana teo amin'ny Rosiana sy ny Okrainiana ny fanagadrana 20 taona an-tranomaizina an'ilay mpamokatra sarimihetsika Okrainiana Oleg Sentsov ao amin'ny fonja tsara ambina ao Rosia noho ny fiampangana azy ho manao fampihorohoroana
Niala ny filoha Goatemalteka rehefa nivoaka ny didy fampisamborana
Rehefa niala teo amin'ny toerana maha-filohan'i Goatemalà azy i Otto Pérez Molina dia nitolo-tena teo amin'ny fitsarana ary nalefan'ny mpitsara tany amponja mandrapivoaka ny fehinteny manaporofo ny anjara andraikiny amin'ny kolikolim-padintseranana aminà tapitrisa dolara
Mamaly Ny Fanamby Napetrak’ireo Mitovy Aminy Miteny Anglisy Ny Vondrom-Piarahamonina Teknolojika Any Afrika Miteny Frantsay
Ny teknolojia any Afrika miteny Frantsay toa vonona ho amin'ny fanamby miaraka amin'ny fiforonan’ny tetikasa vaovao mahabe fanantenana amin'ny fihavaozana nomerika.
Tratra Ny Ezaka Saika Hanafenana Ny Hitsaka Nataon'ny Solika Tao Pero
Ampahany voalohany amin'ny fanadihadiana nataon'ny Convoca ity, nifototra tamin'ireo tatitra momba ny fanaraha-maso ny tontolo iainana amin'ny vokatry ny hydrocarbure sy ny herinaratra maherin'ny 1.000, izay nampirimin'ireo governemanta telo nifandimby tao Pero teo aloha fotsiny.