Fankahalambahiny atrehin'ny Syriana mpitsoaponenana iray mikasa ho any Eoropa

This is all that Abu Yazan, a Syrian refugee, will take with him on his escape to Europe, tweets journalist @jenanmoussa, who is interviewing him

Ireo ny zavatra rehetra ho entin'i Abu Yazan, Syriana mpitsoa-ponenana iray, amin'ny fandosirany mankany Eoropa, hoy ny siokan'ny mpanao gazety @jenanmoussa, manao antsafa aminy amin'izao fotoana izao

Fanontaniana feno fankahalana sy tsy fitiavana vahiny no natrehin'ilay Syriana mpitsoa-ponenana iray mikarakara ny fandosirany mankany Eoropa raha natao antsafa mivantana tamin'ny alalan'ny Twitter izy. Ny mpanao gazety Jenan Moussa no mandefa mivantana amin'ny alalan'ny sioka ny antsafa nifanaovany tamin'i Abu Yazan, izay any Torkia, amin'ny fampiasana ny diezy #AskAlaan. Novahan'i Moussa ny biby mampatahotra rehefa nandefa sioka ho an'ireo mpanjohy miisa 94K izy:

Amin'ny 9 ora tiorka (8 ora Paris) Syriana mpitsoa-ponenana mikarakara ny diany ho any Eoropa no hamaly ny fanontanianao amin'ny alalan'ny kaontiko. Alefaso ny fanontanianareo; diezy #AskAlaan

Indreto ny fanontaniana sasantsasany nanontanian'ny mpamaky an'i Abu Yazan, sy ny mpitsoaponenana an'arivony manisy olona ny lalany mivoaka an'i Syria, amin'ny fanantenana honina indray any Eoropa, raha mbola mitohy ao an-tanindrazany tao anatin'ny efa-taona ny ady ao an-tanindrazany. Ho setrin'ny fanontanian'i Moussa, nibarareoka i Tarak:

Fa maninona ry zareo no manani-bohitra aty Eoropa nefa tsy misy aty Eoropa mitady azy ireny ho tonga aty? Maninona ry zareo no manangana ady aty Eoropa?

Nanampy i WhatsMyname :

Fantatrao fa tsy tadiavina ianao, moa tsy izany va?

Manohy i Orobas :

Raha afaka taona vitsivitsy miala avy eto ka handaroka baomba izy, haka olona ho an'ny ISIS, hitady [ampiharana] ny sharia any amin'ny firenena rehetra manaiky azy

Ary manolo-kevitra i Juulde Toeret :

Firy ny mpampihorohoro mitondra baomba ny tenany ho avy aty Eoropa? Fa maninona no tsy mankany amin'ny firenena Miozolomana tahaka an'i Arabia Saodita?

Abu Yazan, izay nitondra ao aminy vola vahiny vitsivitsy, lakilen'ny tranony any Syria ary ny scooter izay nopotehin'ny fitondrana ary ny akanjo nanaovany raha tao Nusra (vondrona nisintaka tamin'i ISIS), no mikarakara ny diany izay heveriny hifarana any Alemaina.

Handeha ho any Alemaina. Matahotra ny dia aho. manantena ny hahazo zom-pirenena na tahirinkevitra izay ahafahako manana fiainana sy dia milamina

Te-ho voakarakara any Alemaina aho. Efa tany amponjan'ny fitondrana 3 andro, fonjan'i Nusra 70 andro. Arabia Saodita 7 andro, Fanjakana Islamika 2 andro.

Ary rariny raha matahotra ny lalana izorany izy. Misedra ny zava-drehetra ny Syriana mpitsoa-ponenana amin'ny dia rehetra mampididoza ataony ambony sambo sy lakana fingotra mankany Gresy, toerana ikasany hodiavina raha mankao Eoropa. Avy ao no izorany mankany Eoropa Andrefana, raha velon'aina soa amantsara ry zareo. Araka ny Syrian Refugees, tranonkala iray velomin'ny Migration Policy Centre [Foibem-Politikam-Pifindramonina] ao amin'ny European University Institute [Ivotoeran'ny Oniversite Eoropeana] :

An estimated 9 million Syrians have fled their homes since the outbreak of civil war in March 2011, taking refuge in neighbouring countries or within Syria itself. According to the United Nations High Commissioner for Refugees (UNHCR), over 3 million have fled to Syria's immediate neighbours Turkey, Lebanon, Jordan and Iraq. 6.5 million are internally displaced within Syria. Meanwhile, under 150,000 Syrians have declared asylum in the European Union, while member states have pledged to resettle a further 33,000 Syrians. The vast majority of these resettlement spots – 28,500 or 85% – are pledged by Germany.

Tombanana ho 9 tapitrisa ny Syriana nandositra ny tanindrazana hatramin'ny nahavakisan'ny ady an-trano tamin'ny marsa 2011, nitady fialofana tamin'ny firenena manodidina na tao Syria ihany. Aaka ny Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana Misahana ny Mpitsoaponenana (UNHCR), dia mihoatra ny 3 tapitrisa ny olona nandositra an'i Syria nankany amin'ireo mpifanolobodirindrina aminy mivantana toa an'i Torikia, Libaona, Jordania ary Iràka. 6.5 tapitria ireo nifindra toerana fa tao Syria ihany. Mandritra izany fotoana izany dia latsaky ny 150.000 ny Syriana nangataka fialokalofana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, raha niangavy ny hametrahana Syriana 33.000 hafa ny firenena mikambana ao amin'ny Vondrona. Ny ankamaroan'ireo toerana hametrahana [mpitsoaponenana] ireo – 28,500 na 85% – dia nampanantenain'i Alemaina.

Ny tatitra navoakan'ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Mpitsoaponenana (UNHCR) dia ahitana izao:

In the first six months of this year, 137,000 refugees
and migrants crossed the Mediterranean Sea,
travelling in terrible conditions upon unsafe boats
and dinghies.
Many more tried, but didn’t make it. In mid-April
2015, 800 people died in the largest refugee
shipwreck on record, highlighting a staggering
increase in refugees and migrants dying or missing
at sea.

Nandritra ny enim-bolana voalohany tamin'ity taonaity, mpitsoa-ponenana sy mpifindramonina 137.000 no niampita ny ranomasina Mediteraea, mandeha ao anatin'ny fepetra mampihoron-kodia ambonin'ny sady sy lakana tsy mampilamin-tsaina.
Maro no efa niezaka fa tsy tody. Tamin'ny tapaky ny volana avrily 2015, olona 800 no maty tamin'ny faharendrehan'ny sambo, mampivoitra ny fitomboan'isa mahavalalanina amin'ireo mpitsoaponenana sy mpifindramonina maty na nanjavona an-dranomasina.

Fa androany ny lohatenim-baovao no mitondra ao an-trano ny horohoro atrehin'ny Syriana mpitsoaponenana manao ny sambo andehanana mankany Gresy, rehefa maro ireo sarin'ny maty an-drano, ahitana ankizy, nifampizarana ka mametraka endrika sy tantaran'olona amin'ny voina mitranga.

Na izany aza tsy izay rehetra miampita ny ranomasina Mediteranea mankany Gresy sy Italia dia Syriana avokoa. Manatevin-daharana azy ireo ny mpitsoaponenana sy mpifindramonina avy amin'izao tontolo izao voatarika mankany an-drano noho ny finiavan-dry zareo hiavotra. Miaraka amin'izany rehetra izany dia efa nihoatra ny 300.000 ny isan'ny mpitsoaponenana sy ny mpifindraminina niampita an'i Mediteranea nankao Eoropa tamin'ity taona ity, mihoatra 219.000 raha ampitahaina ny tamin'ny taona 2014 iray manontolo, araka ny filazan'ny UNHCR.

Ho vitan'i Abu Yazan ve ny ho tody any Alemaina? Ary hanao ahoana ny fiainany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.