- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamely Mafy An'i Dominika ‘Nosin'ny Natiora’ Amin'ny Tafiotra Mahery Erika Ny Herin'ny Natiora

Sokajy: Karaiba, Dominika, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Voina
Dominica's picturesque capital, Roseau, 2005. Photo by Jean & Nathalie, used under a CC BY 2.0 license. [1]

Sary mahafinaritry ny renivohitr'i Dominika, Roseau, 2005. Sary avy amin'i Jean & Nathalie, sary nampiasàna lisansa CC BY 2.0.

Nanomboka tamin'ny tranga mahonena ny vanim-potoanan'ny rivodoza any Atlantika [2] tamin'ity taona ity, niaraka tamin'ny fahatongavan'ny tafiotra mahery Erika izay nandrava [3] ny nosy Dominika [4]. Niatrika tondradrano lehibe niaraka taminà fihotsahan'ny tany nahatonga faharavana maro [5]ny “nosin'ny natiora” [6]noho ny habetsahan'ny orambe nivatravatra nahatratra ankihibe iray (2,5 sm eo ho eo) isan'ora nandritra ny 12 ora.

Tahaka ny miseho matetika mandritra ny krizy dia ny haino aman-jery sosialy no làlam-pifandraisana izay ianteheran'ny olona hahazoam-baovao. Mazava ho azy fa ny Twitter no fitaovana haingana amin'ny fahazoam-baovao sy sary; matetika havaozin'i Robert Tonge, minisitry ny fizahantany sy fanavaozana ny tanàn-dehibe dominikàna ny pejy Facebook-ny [7], amin'ny lahatsary, sary [8]avy amin'ny haino aman-jerin'olon-tsotra.

Nandefa ny lahatsarin'ny faritr'i Mahaut, [9]  mampiseho ny fefiloha vaky sy ny fianahan'ny rano manerana ny tanàna miaraka amin'ny fandravàna, ilay  mpisera amin'ny Facebook Roberts Josie. Nampatahotra [10]ihany koa ny fahitàna [10] ny reniranon'i Roseau, anarana nalaina avy tamin'ny renivohitr'ilay nosy. Maro be ireo sarinà fiara [11]safotry ny rano ; eny fa na dia ireo trano fivarotana fiara nahazo alàlana tamin'ny mpanamboatra [12] aza dia nizàka ny vokatr'ilay tafiotra mahery. Tahàka ny romotra [13] ny rano manafotra manerana ny nosy. [14]Nalefan'ilay [15]mpisera amin'ny Facebook Reichen Sylvester Faustin ny sarin'ny [15]faritr'i Bayfront ao an-drenivohitra — tsy voaavaka ny tany sy ny ranomasina — safotry ny rano na dia ny foiben'ny mpiandry sisintany [16]aza.

Tondraky ny rano [17]ihany koa ny iray amin'ireo seranam-piaramanidina [18]ao amin'ny nosy :

@wxjerdman [19] orana “8,86” tao anatin'ny 6 ora tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Canefield. “Tondradrano tsy misy toa azy any #Dominica [20]#Erika [21]

Nahatonga an'i #Dominica [20] ho tondradrano vetivety ny orambe mivatravatra avy amin'ilay tafiotra mahery #Erika [21].

Nazeran'ny [29]herin'ny rano mody ny ampahany amin'ny fiangonana Roseau Rover ; mety ho renao ny horakoraky ny mpitazana izay nahita ny zava-niseho.

Mahavaky ny foko ny mahita ny zava-misy any #dominica (dominika) [30] noho ny afitsok'i #Erika [21]

Ampahan-dàlana [34]maro no nihotsaka [35]ary misy tatitra [36]vitsivitsy momba ireo olona tsy hita popoka.

Sarin'ny tontolo mampalahelo toy ny tondradrano, ny fihotsahan'ny tany any #Dominica [20] no navelan'ny TS #Erika [21] mahafaty

Mitondra oram-batravatra, tondradrano, fihotsahan'ny tany izay tonga olana lehibe ho an'i #Dominica [20] i #Erika [21]

Koa satria miha-lehibe [42]hatrany ny loza [42] dia nisy antso naparitaka tamin'ny haino aman-jery sosialy mba hivavaka ho an'i Dominika [43]. Nitony ihany ilay tafiotra mahery ny farany tamin'ny Alakamisy 27 Aogositra tamin'ny 5 ora hariva teo ho eo, namela takaitra mavesatra ny fandalovany :

Avy tamin'ny haintany mankany amin'ny tondradrano.Trangan-javatra ratsy ho an'i #Dominica [20] ity maraina ity.

Tao aminà hetsika haingana be, nivalaketraka [47] i Leslie-Ann Boisselle, mpampiasa Facebook nahita fa misy sasany tamin'ireo mpisera amin'ny aterineto no tsy mahafantatra ny zony ara-jeografia na ara-politikany :

Mahita aho hafatra maro amin'ny aterineto izay ilazàn'ny olona fa ‘ tsara ho an'i Dominika izany – ratsy loatra ny fitondran-dry zareo ny Haitiana’ ‘Milalao ody amin'ireo vahoaka Dominikàna ny Haitiana’ ALEO HITSIANA IZY  ITY’.

Fanjakana manana ny fiandrianany eto amin'ny nosy i Dominika. Mizara ny nosy Hispanola amin'i Haiti ny Repoblika Dominikana. FIRENENA ROA SAMIHAFA IZY IREO fa aza mahasosotra.

Ary tsy misy tokony hifaly amin'ny fahorian'ny hafa. Tsy mety izany – tsy mety amin'ny lafiny rehetra.

Na dia efa any amin'ny vahoaka Doimikana aza ny fon'ny faritra, dia nisy ny ahiahy mikasika izay mety ho avy manaraka :