Mamely Mafy An'i Dominika ‘Nosin'ny Natiora’ Amin'ny Tafiotra Mahery Erika Ny Herin'ny Natiora

Dominica's picturesque capital, Roseau, 2005. Photo by Jean & Nathalie, used under a CC BY 2.0 license.

Sary mahafinaritry ny renivohitr'i Dominika, Roseau, 2005. Sary avy amin'i Jean & Nathalie, sary nampiasàna lisansa CC BY 2.0.

Nanomboka tamin'ny tranga mahonena ny vanim-potoanan'ny rivodoza any Atlantika tamin'ity taona ity, niaraka tamin'ny fahatongavan'ny tafiotra mahery Erika izay nandrava ny nosy Dominika. Niatrika tondradrano lehibe niaraka taminà fihotsahan'ny tany nahatonga faharavana maro ny “nosin'ny natiora” noho ny habetsahan'ny orambe nivatravatra nahatratra ankihibe iray (2,5 sm eo ho eo) isan'ora nandritra ny 12 ora.

Tahaka ny miseho matetika mandritra ny krizy dia ny haino aman-jery sosialy no làlam-pifandraisana izay ianteheran'ny olona hahazoam-baovao. Mazava ho azy fa ny Twitter no fitaovana haingana amin'ny fahazoam-baovao sy sary; matetika havaozin'i Robert Tonge, minisitry ny fizahantany sy fanavaozana ny tanàn-dehibe dominikàna ny pejy Facebook-ny, amin'ny lahatsary, sary avy amin'ny haino aman-jerin'olon-tsotra.

Nandefa ny lahatsarin'ny faritr'i Mahaut,  mampiseho ny fefiloha vaky sy ny fianahan'ny rano manerana ny tanàna miaraka amin'ny fandravàna, ilay  mpisera amin'ny Facebook Roberts Josie. Nampatahotra ihany koa ny fahitàna ny reniranon'i Roseau, anarana nalaina avy tamin'ny renivohitr'ilay nosy. Maro be ireo sarinà fiara safotry ny rano ; eny fa na dia ireo trano fivarotana fiara nahazo alàlana tamin'ny mpanamboatra aza dia nizàka ny vokatr'ilay tafiotra mahery. Tahàka ny romotra ny rano manafotra manerana ny nosy. Nalefan'ilay mpisera amin'ny Facebook Reichen Sylvester Faustin ny sarin'ny faritr'i Bayfront ao an-drenivohitra — tsy voaavaka ny tany sy ny ranomasina — safotry ny rano na dia ny foiben'ny mpiandry sisintany aza.

Tondraky ny rano ihany koa ny iray amin'ireo seranam-piaramanidina ao amin'ny nosy :

@wxjerdman orana “8,86” tao anatin'ny 6 ora tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Canefield. “Tondradrano tsy misy toa azy any #Dominica#Erika

Nahatonga an'i #Dominica ho tondradrano vetivety ny orambe mivatravatra avy amin'ilay tafiotra mahery #Erika.

Nazeran'ny herin'ny rano mody ny ampahany amin'ny fiangonana Roseau Rover ; mety ho renao ny horakoraky ny mpitazana izay nahita ny zava-niseho.

Mahavaky ny foko ny mahita ny zava-misy any #dominica (dominika) noho ny afitsok'i #Erika

Ampahan-dàlana maro no nihotsaka ary misy tatitra vitsivitsy momba ireo olona tsy hita popoka.

Sarin'ny tontolo mampalahelo toy ny tondradrano, ny fihotsahan'ny tany any #Dominica no navelan'ny TS #Erika mahafaty

Mitondra oram-batravatra, tondradrano, fihotsahan'ny tany izay tonga olana lehibe ho an'i #Dominica i #Erika

Koa satria miha-lehibe hatrany ny loza dia nisy antso naparitaka tamin'ny haino aman-jery sosialy mba hivavaka ho an'i Dominika. Nitony ihany ilay tafiotra mahery ny farany tamin'ny Alakamisy 27 Aogositra tamin'ny 5 ora hariva teo ho eo, namela takaitra mavesatra ny fandalovany :

Avy tamin'ny haintany mankany amin'ny tondradrano.Trangan-javatra ratsy ho an'i #Dominica ity maraina ity.

Tao aminà hetsika haingana be, nivalaketraka i Leslie-Ann Boisselle, mpampiasa Facebook nahita fa misy sasany tamin'ireo mpisera amin'ny aterineto no tsy mahafantatra ny zony ara-jeografia na ara-politikany :

Mahita aho hafatra maro amin'ny aterineto izay ilazàn'ny olona fa ‘ tsara ho an'i Dominika izany – ratsy loatra ny fitondran-dry zareo ny Haitiana’ ‘Milalao ody amin'ireo vahoaka Dominikàna ny Haitiana’ ALEO HITSIANA IZY  ITY’.

Fanjakana manana ny fiandrianany eto amin'ny nosy i Dominika. Mizara ny nosy Hispanola amin'i Haiti ny Repoblika Dominikana. FIRENENA ROA SAMIHAFA IZY IREO fa aza mahasosotra.

Ary tsy misy tokony hifaly amin'ny fahorian'ny hafa. Tsy mety izany – tsy mety amin'ny lafiny rehetra.

Na dia efa any amin'ny vahoaka Doimikana aza ny fon'ny faritra, dia nisy ny ahiahy mikasika izay mety ho avy manaraka :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.