Ny Fitsingerenana'ny Andro Nahaterahako

“Tsy notsofinay ny labozia satria tsy nisy herinaratra.” SARY : Joey Ganoon avy amin'ny Wikimedia Commons
Ampahany amin'ny andiany manokana amin'ireo lahatsoratra nosoratan'ilay mpitoraka bilaogy sady mpikatroka mafana fo, Marcell Shehwaro, mitantara ny fiainana any Syria mandritra ny ady eo amin'ireo hery mpanohana ny fitondrana amin'izao fotoana izao sy ireo mitady ny hialàny ity lahatsoratra ity.
12 Aogositra 2010
Manokatra facebook aho mba hijery ny firariantsoa amin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahana. Nanararaotra ilay fotoana aho mba hamaliana ilay firariantsoa, sy hanonerana ireo telo taona izay tsy nahafahako nandefa firariantsoa ho azy noho ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany. Telo taona no nigadrany noho ny nanoratany tamin'ny aterineto. Nahazatra ahy ny nandray anjara tao amin'ny haban-tranonkalany. Akhawia no anarany.
Namana mahafinaritra i Karim Arabji.
Nandritra ny telo taona, nilalao tamin'ny mofo mamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahako aho sady nitsoka ny laboziako no maniry fahafahana sy zava-tsoa ho azy. Navoaka ny fonja izy ary nandefasako hafatra tamin'ny facebook. Nandefasako firariantsoa tamin'ny fomba mihaja noho ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany izy, firarian-tsoa izay tsy ampy nampita ny haben'ny hafaliako noho ny fahafahany. Ary novaliany tamim-panajana izany.
Izay no fotoana farany nankalazanay an'i Kareem. Maty noho ny aretim-po teo amin'ny faha-33 taonany rehefa tafavoaka ny fonja izy, ary mampanontany tena anay fa inona no fampihorohoroana niainan'ilay fo, inona no nampilavo lefona azy. Nandao ity tany ity nialoha kely ny revolisiona izy.
Tena niavaka ireo firariantsoako. Nahakasika ny fahafahana mankany Amerika, ny fianarako, ny fitiavana ary ny fiainana ny sasany. Ary notsofiko ny labozia.
12 Aogositra 2011
isan-taona, ho an'io andro io, apetraky ny reniko ao anatin'ny hafalian'ny fotoan'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahana ny fianakaviana. Tsy nisy afaka nandresy lahatra azy mihitsy hoe efa lehibe izahay ary mety mba hankalaza ny fitsingerenan'ny andro nahaterahanay any an-kafa fa tsy ao an-trano.
Mitovy foana ny sakafo : mofo kely voasesika, zaatar, epinara sy fromazy, pizza kely izay ireharehany fa matsiro kokoa noho ny amidy eny an-tsena, taboula (karazana salady), mofo mamy vita amin'ny sôkôlà izay ahitàna ny anarako sy misy ireo labozia. Voalamina ny trano ary nanasa fianakaviana sy namana vitsivitsy izy.
Nisy ny fanomezana. Vakana misy lolo ( fony aho mbola be fanantenana, dia noheveriko ho mariky ny hery sy ny maha-vehivavy izy io). Ary nifanaraka izaho sy ny rahavaviko ny amin'izay fanomezana hovidiany ho ahy.
Nataon'ny reniko nalaza kokoa ilay fankalazana tamin'ity taona ity. Faly izy hoe salama tsara aho. Nanakiana ahy moramora momba ny horohoro nihatra taminy noho ny nataoko izy nandritra ny fety. Notsofiko tamin'ny firariana ny hahombiazan'ny revolisiona ny laboziako. Nihira hanihany ho ahy ry zareo : ” Nanjombona ny andro tamin'ny nahaterahanao.” Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nisaina aho fa izay no tena marina.
Ny faniriako : ny hionganan'i Assad. Heveriko fa tsy misy mpikomy na dia iray aza naniry zavatra hafa tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany.
Avy eo, nanana fankalazana ny fitsingerenan'ny andro nahaterahako hafa niaraka tamin'ireo namako aho, ireo namako fahazaza.
Tamin'io andro io, tsy nomenay lanja ny fahasamihafana ara-politika eo aminay ary nifanakalo hevitra tsy tamim-pahatsorana izahay. Izay no farany nitsofinay ny labozian'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahako.
12 Aogositra 2012
Taorian'ny nahafatesan'ny reniko, tsapako fa tsy mety ny manao fankalazàna ao an-trano tsy misy azy. Mbola miakanjo mainty aho. Adinon'ireo namako fahazaza- na niniana nohadinoina- ny fitsingerenan'ny andro nahaterahako. Ny tahotra ny hifamatopatotra amiko no manjary zava-dehibe mamaritra ny fifandraisanay. Nanjary fahasamihafàna ara-politika ny fahasamihafanay. Tonga fahasamihafana ara-poto-kevitra mampisaraka izay tsy voaonitry ny vazivazy, eny hatramin'ny fanesoana aza izany.
Ny maraina, tsy maintsy niatrika ny fakàna am-bavany isan-kerinandro tany amin'ny sampan-draharaha misahana ny fiarovana ara-politika aho. Nolazaiko tamin'ny mpaka am-bavany fa tena mampihomehy ny nanaovana izany amin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahako, ary nihomehy kidaladala izy.
Niaraka tamin'ireo vondronà namana vaovao izay vao fantatro tamin'ireo sekolin'ny toby fanampiana taorian'ny nahafahan'ny antsasak”i Allepo sy ny nironan'ny antsasany iray ho amin'ny famonjena ny maha-olona ny fankalazàko ny andro nahaterahako.
Ny fialàn'i Bashar Al Assad, ny fijanonan'ny daroka baomba any Aleppo ary ny hifaranan'ny fakàna am-bavany mandreraka no firariako. Izay no fotoana farany nitsofako ny laboziako tao an-tranon'ny fianakaviako tany andrefan'i Allepo, izay tsy azoko tsidihana hatramin'izao fa mbola fehezin'ny fitondràna.
12 Aogositra 2013
Monina any amin'ny faritra afaka any Allepo aho, efa fotoana elaela izay ary voahodidina namana mahafinaritra nantsoiko hoe ny ” vera feno tapany” nandritra ny ady.
Tsy miova ry zareo fa mbola toy ny taloha ihany. Namana tsy mahalala na inona na inona momba ny fahazazako sady tsy mbola nitsidika ny tranom-pianakaviako ireo- fa ny mampivondrona anay dia ny revolisiona. Nanomboka ny fakàna an-keriny voalohany tao amin'ny tànanako ny ISIS tamin'io andro io. Ny omalin'io dia tsy hita i Abu Maryam ary tsy nahafantatra izay vondrona naka azy izahay na tena nalaina an-keriny marina izy.
” Andro manjombona” tahaka ny teo aloha ny fitsingerenan'ny andro nahaterahako, nalaina'ny ISIS an-keriny i Samar sy Mohammed. Mbola tsy hita izy ireo hatramin'izao.
Notapahan'ny feonà fipoahana izay efa zary mahazatra anay sy tsy manelingelina anay loatra ny fankalazàna. Tsotra ny mamy natolotra. Ohatra ny natao ho entina handevina ilay fehezam-boninkazo, noho ny antony maro. Nitondran-dry zareo fehezam-boninkazo iray hafa namakivaky ilay fiampitàna mampidi-doza izay mety hahafaty raha vao iampitàna fotsiny aho. Namakivaky izany ilay namako mba hiara-mankalaza amiko ny fitsingerenan'ny andro nahaterahako .
Ny hiverenako any amin'ilay Allepo fantatro fahiny no niriako, sy ho an'ny fahasalaman'i Abu Maryam ary ny tsy hahitako intsony ny ISIS. Bitika izany raha oharina amin'ny haben'ny olako eto an-toerana. Tsy afaka manao firariana mahenika ny firenena aho. Tsy notsofinay ireo labozia satria tsy nisy herinaratra.
12 Aogositra 2014
Aty Gaziantep, Tiorkia aho, ary tsy afaka hiverina any Aleppo. Lasa adala amin'ilay olon-tiako sy matahotra ny hamoy azy aho. Tsy misy na inona na inona salama ato anatiko, raha izay no azo ilazàna azy. Manambatra ny heriny rehetra izy hikarakarana fitsingerenan'ny andro nahaterahana tsy nampoiziko ho ahy. Manasa ny namana sy fianakaviany vitsivitsy izy. Mividy fanomezana sy mifidy ny toerana izy ireo. Tena sarotra ny mamokatra fahagagana izay mifanaraka amin'ny heverintsika fa ” fahakiviako lalim-pàka”.
Tamin'ny fotoana nidirako tao amin'ilay fety sy ny nahitako azy rehetra ireo, tena tsy safononoky ny hafaliana aho. Ny mifanohitra amin'izany aza, kizintina aho. Toy ny rehefa fisehon'ny hatezerako dia nokianiko tsy ara-drariny izy : “efa nolazaiko anao fa tsy mila fety aho “. Manomboka ny mozika tamin'izay fotoana izay. Mampitsamboatra ahy ny mozika tiorka. Tsy hiverina any Allepo intsony aho. Mipetraka eo ambony seza ao amin'ilay trano fisakafoanana nohodidinin'ireo namana maro be aho. Mitomany migogogogo aho. Vala-ketraka.
Nilaozako ilay fety.
12 Aogositra 2015
Andro tsotra. Izany no nankalazako ny fitsingerenan'ny taona nahaterahako.
Angamba efa zatra ny fiainana an-tsesitany aho.
Ny maraina, tsy maintsy manatrika ny valan-dresaka momba ny andraikitry ny fiarahamonim-pirenena aho.
Ny tolakandro, manana fotoana amin'ny mpitsabo ahy aho.
Ary ny alina, hihaona amin'ireo namana izay hiarahana miady hevitra politika momba ny vola Tiorka, ny faritra tsy ahitàna miaramila ary ireo hetsi-panoherana any amin'ny faritra amorontsiraka.
Tsy misy zavatra manokana avy aty amiko amin'ny ankapobeny.
Tsy misy firariantsoa.
Tsy misy labozia.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...