- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Culebra, Nosin'i Pôrtô Rikô: 135 Taona Nitolomana Sy Nandresena

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Pôrtô Rikô (Etazonia), Ady & Fifandirana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tantara, Tontolo_iainana, Zon'olombelona
La marina de guerra de los Estados Unidos utilizó la isla de Culebra, un municipio de Puerto Rico, como campo de entrenamiento militar por muchos años, dejando contaminación en su tierra y agua hasta el día de hoy. En la foto, culebrenses confrontándose a la marina. Imagen tomada de video. [1]

Nampiasa ny nosy Culebra, kaominin'i Pôrtô Rikô, tahaka ny toby fanofanana miaramila ny Navy Amerikana nandritra ny taona maro, ary nandoto ny taniny sy ny ranony hatramin'izao. Eo amin'ny sary, mifanandrina amin'ny Navy ny vahoakan'i Culebra. Dikasarin'ny “Culebra 135-40.”

Malaza i Culebra, nosy kaominin'i Pôrto Rikô, noho ireo moron-dranomasiny, izay be mpihevitra ho isan'ireo tsara indrindra eran-tany. Kanefa, tsy ny masoandro sy ny ranomasina ary ny fasika ihany no mamaritra an'i Culebra. Vavolombelona sady mpandray anjara tanatinà tantara feno fanoherana sy tolona ho an'ny taniny sy ny ranony ny vahoakan'i Culebra, ny ampahany betsaka tamin'izany dia teo ambany fifehezan'ny Tafika Amerikana ho an'ireo toby fanofanany miaramila.

Playa Flamenco es un ejemplo de las playas prístinas de Culebra. Foto por Christopher Zapf. Utilizada bajo licencia CC BY-SA 4.0 via Wikimedia Commons. [2]

Ohatra iray amin'ireo moron-dranomasina tsara dia tsara any Culebra ny moron-dranomasin'i Flamenco. Sary an'i Christopher Zapf. Nampiasaina teo ambany fahazoan-dalàna CC BY-SA 4.0 avy amin'ny Wikimedia Commons.

Tao anatin'ny taona maro dia tsy maintsy niaina teo ambany fipoahana, baomba, tifitifitra ary fandotoana nataon'ny Navy ny vahoaka tao Culebra, io tafika io izay nanao sosokevitra miafinafina tamin'ny governemanta ao Pôrto Rikô ny mba hanaisorany ireo nosy kaominina, dia i Vieques s'i Culebra, ary handefa ireo mponina any amin'ny nosiben'i Pôrtô Rikô; na ireo maty aza dia hafindran'izy hiala amin'ny fasany.

Ny tetiky ny Navy tamin'izany dia ny ahafahany mampiasa tanteraka ireo nosy roa ireo ary handrara ny vahoakan'i Vieques s'i Culebra tsy hanitsaka ny tanindrazany intsony, na dia ny hanatitra voninkazo ho an'ireo maty aza. Noho ny endrik'ilay fangatahan'ny Navy mampahatsiaro fahafatesana, dia lasa fantatra tamin'ny anarana “Drafitra Dracula” ilay izy.

Na izany aza, nandresy ny vahoakan'i Culebra, izay nahavita namerina ny Navy hiala amin'ny taniny tamin'ny 1975. Nandroaka ny Navy kosa i Vieques tamin'ny 2003 taorian'ireo taona maro nanaovana hetsi-panentanana ho an'ny tsy fankatoavan'ny olom-pirenena sy ireo ezaky ny hetsi-panoherana sosialy sy ireo olon-tsotra manoloana ny pôlitika.

Aún quedan vestigios de los ejercicios de la marina contaminando las playas de Culebra, como este tanque. Foto tomada por Christopher Zapf. Utilizada bajo licencia CC BY-SA 4.0 via Wikimedia Commons. [3]

Mbola mitoetra ireo potipotiky ny Navy Amerikana, tahaka ity fiara fenti-miady ity, ka mandoto ireo moron-dranomasin'i Culebra.  Sary nalain'i Christopher Zapf.  Nampiasaina teo ambany fahazoan-dàlana CC BY-SA 4.0 avy amin'ny Wikimedia Commons.

Navondrona anatin'ilay fanadihadiana antsoina hoe “Culebra 135-40 [4]” ireo tsiaro sasany tamin'ireo ady, izay novokarin'ny gazety ao Pôrtô Rikô mpivoaka isam-bolana, “Diálogo UPR”. Tafiditra anatin'ireo fizarazarana manokana ataon'ity mpamokatra ity io horonantsary io, ho fankalazana ny faha-135 taonan'ny nananganana an'i Culebra, sy ny faha-40 taona taorian'ny nialan'ny Navy.

Jereo eto ambany ny horonantsary fanadihadiana (amin'ny teny Espaniola):