- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Omen'ny Hetsika “Maimbo ianareo” 72 Ora Hamaliana Ny Fangatahany Ny Governemanta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Lebanese protesters at Martyrs' Square in Beirut earlier today. Photo credit: You Stink Movement official Facebook page [1]

Libaney manao hetsi-panoherana ao amin'ny Kianjan'ireo Maritiora ao Beirut ny 29 Jolay vao maraina be. Sary: Pejy Facebook ofisialin'ny hetsika Maimbo Ianareo. [1]

Ny 29/07 dia nanome fe-potoana 72 ora ho an'ny governemanta ireo Libaney mpanao hetsi-panoherana mba hamaliana ny fitakian-dry zareo na hiatrika hetsi-panoherana goavana kokoa amin'ny Talata. Tafiditra ao anatin'ny fitakiana ny fametraham-pialàn'ny Minisitry ny Tontolo iainana, Muhammed El-Machnouk, ary ny fametrahana vahaolana maharitra momba ny olan'ny fako, izay tany amboalohany nitondra ny olona hidina an'arabe.

Vao maraina androany, efa tafakatra 250.000 ireo mpanao hetsi-panoherana no tonga tao amin'ny Kianjan'ireo Maritiora, toerana nanohizan-dry zareo ny hetsika hisian'ny vahaolana maharitra amin'ny olan'ny fako misavovona manerana ny firenena.

Ireo fitakiana, navoaka tao amin'ny pejy Facebook an'ny Tol3et Re7atkom (Maimbo ianareo) [2], dia nozarain'ilay Libaney bilaogera sady mafàna fo, Joey Ayoub, tao amin'ny Twitter. Joey Ayoub dia mpanoratra mandray anjara ato amin'ny Global Voices Online no sady mpikambana amin'ny hetsika “Maimbo Ianareo”.

Fampahatsiahivana ny fitakian'ny #طلعت_ريحتكم [3] . Nomen'ny hetsika YouStink ora 72 ry zareo hamaliana azy ireny, na Hetsi-panoherana amin'ny Talata

Ny fitakiana sasany dia mitazona ho tomponandraikitra ireo rehetra izay nandanilany fahatany ny volam-bahoaka nandritry ny fe-potoam-piasàna farany, ary mitazona ny Minisitry ny Atitany ho tomponandraikitra sy ireo rehetra izay nanome ny baiko hitifirana ny mpanao hetsi-panoherana.

Nofaritan'i Rami Khouri ho “voalanjalanja” ireo fitakiana, saingy nampitandrina izy ny amin'ny hoe ny tsy fahavitàna manome antoka ny hahatanteraka azy ireny dia midika faharavàn'ny hetsika “Maimbo ianareo (You Stink)”. Hoy izy mampitandrina:

Hanome hery ity hetsi-panoherana ity ny fahatanterahan'ireny fitakiana voalanjalanja  ireny ary hampitombo ny fototra. Zava-doza ny tsy fahombiazana

Ayoub milaza fa manaikaiky ny 250.000 ireo olona nanatrika ilay hetsi-panoherana:

Nanambàra ny hetsika “Maimbo Ianareo” fa maherin'ny 250.000 ny olona nanao hetsi-panoherana androany tao Beirut

Habib Battah, bilaogera, milaza fa maherin'ny 200.000 ny olona tonga :

Vahoaka sesehena, lazain'ny mpikarakara fa maherin'ny 200.000

Ary i Mohamad Najem manome vinavina maka kokoa ny elanelam-panahy ho :

nisy 100.000 ireo mpanao hetsi-panoherana nidina an'arabe, fandresena ara-tantara ity hoy i @Ma3louf, [15] entano ny olona ho any amin'ny Kianjan'ireo Maritiora

Na ho inona na ho inona, dia mizara ireto saripika ireto ny Anjerimanontolo Amerikana tsy miankina amin'ny ara-pinonana ao Beirut, avy amin'ny hetsi-panoherana nisy androany, tamin'ny filazàna fa “tsy misy sary hahalàza ny habetsahan'ny vahoaka be tonga eto androany.”

tsy misy sary hahalàza ny habetsahan'ny vahoaka be tonga eto androany

Ary raha hiverenana i Battah, dia ity ihany koa no tena hetsi-panoherana miresaka tontolo iainana tsy mbola hitany hatrizay :

Rehefa lasa ireo vahoaka marobe, dia tavoahangy tsy hita isa no nangonin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba #haverina hahodina indray. [19] tena hetsi-panoherana miresaka tontolo iainana tsy mbola hitako hatrizay

Araka ny filazan'i Najem, nijanona hatrany ireo Libaney mpanao hetsi-panoherana, eny fa na efa nifàrana tamin'ny fomba ofisialy aza ny fihetsiketsehana ary efa nanambara ireo fitakian-dry zareo ny mpikarakara. Mizara ity lahatsary ity izy:

Mbola ao amin'ny Kianjan'ireo Maritiora hatrany ny maro amin'ireo mpanao hetsi-panoherana , mbola feno i Riad Solh. Tsy misy te-hody ny olona amin'ity alina ity

Nitarin'ny “Maimbo Ianareo” ny zavatra nifantohany ho tonga hatrany amin'ny tsy fahaizan'ireo manampahefana mitantana ny olana taorian'ny nanakatonana ilay toerana midadasika fanariana fako tao amin'ny firenena, tamin'ny Jolay. Ankehitriny dia takian'ireo mpikambana ny fametrahana fialàn'ny governemanta, ary ny famarànana ny kolikoly sy ny fanaovana fifidianana solombavambahoaka vaovao, ankoatra ireo fitakiana hafa. Libanona izay efa miaritra ny fisianà fotodrafitrasa tsizarizary sy fahatapahan'ny herinaratra isanandro, dia tsy manana filoham-pirenena efa ho taona iray mahery. Tamin'ny 2009, nanalava ny fe-potoam-piasàny ho hatramin'ny 2017 ny parlemantany, tsy misy fifidianana, tamin'ny fitanisàna ny korontana ho antony.

Aza misaraka aminay raha te-hahazo fandrakofana bebe kokoa ny vaovao avy any Libanona.


Vakio koa:
GV Face: Ny Zavatra Ilainao Fantarina Momba Ny Hetsi-panoherana Goavana”Maimbo IAnareo” Ao Libanona [24]

Videos Show How the Lebanese Security Forces Violently Dealt With ‘You Stink’ Protesters [25]

‘You Stink’ Protesters Call for the Resignation of the Lebanese Government [26]