- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indizena Mpiompy Diera, Tezitra Amin'ny Goavan'ny Solika Ao Siberia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Teratany, Tontolo_iainana
Sergey Kechimov shows the traces the oil companies left on Khanty land. Courtesy Denis Sinyakov/Greenpeace.

Sergey Kechimov mampiseho ny dindo navelan'ny fandalovan'ireo orinasa mpitrandraka solika teo amin'ny tanin'ny Khanty. Sary natolotr'i Denis Sinyakov/Greenpeace.

Ity dia dika avy amin'ny lahatsoratra iray [1] nosoratan'i Mikhail Matveev ho an'ny 350.org [2], fikambanana iray manangana hetsika manerantany momba ny toetrandro. Naverina navoaka eto amin'ny Global Voices navoaka ao anatin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Ny 17 Aogositra, nisy fakàna am-bàvany naharira minitra dimy natao tao amin'ny ftsaràm-paritany tao amin'ny Distrikan'i Surgut ao Sibera Rosiana. Ny toriana, Sergey Kechimov, mpiompy diera [3] avy any Yugra sy iray amin'ireo olona vitsy sisa tavela tamin'ny indizena Khanty, dia nampangaina ho nandrahona ho faty mpiasa roa ao amin'ny Surgutneftegaz – iray amin'ireo orinasan-tsolika goavana indrindra any Rosia. Raha voaheloka izy dia mety hifonja mandritry ny taona roa, araka ny lalàna Rosiana mifehy ny ady heloka.

Nandritra ilay fakàna am-bàvany, nolazain'ny mpisolovava tamin'i Asharina, mpitsara, fa tsy nomena mpandikateny i Kechimov nandritry ny fanadihadiana. Na dia nekena aza ny fisian'ny fanitsakitsahana ny zon'i Kechimov, niroso tamin'ny fandinihana ny raharaha ihany ilay mpitsara. Hatao amin'ny 12 Septambra ny fihainoana manaraka. Saingy  lasa lavitra mihoatra noho ny fiampangàna filàna ady ny raharaha .

Mety hofaritana ho tafiditra aminà heloka fanakorontanana filaminam-bahoaka sy tsy mendrika ny hisarihana saim-bahoaka ny raharaha Kechimov [4]. Araka ny voalaza amin'ilay raharaha, nipoitra ny fifandonana rehefa notifirin'i Kechimov ny alika iray, an'ireo mpiasan'ilay orinasa mpitrandraka solika, izay namono iray tamin'ireo diera ompiany ary saika hamely azy ihany koa. Nilaza koa ireo mpiasan'ilay orinasa fa nandidy azy ireo i Kechimov hiala amin'ny tanin'ny razany ary nitaky fandoavana onitra no sady nanofahofa ny basiny tany amin'izy ireo.

Iray amin'ireo teratany Khanty sisa tavela miaina eny akaikin'ny Farihy Imlor i Kechimov. Nandritry ny taonjato maro, nanao ny natiora ho andriamanitra sy nidera azy i Khantys, tamin'ny finoana fa tsy misy olona afaka maka fanomezana bebe kokoa aminy mihoatra noho izay efa nivononany hozaraina.

Rehefa tonga ireo orinasa mpitrandraka solika, lasa loharanon'akoran'afo maharitra ilay Farihy masina Imlor, potiky ny solika no sady ravan'ireo asa fanorenana ratsy endrika. Tsy zavatra nahagaga, nisafidy ny tsy hiara-miaina amin'ireto vao tonga ny ankamaroan'ireo vahoaka Khanty, nandao ny tany navelan'ny razany ho raisin'ireo mpiasan'ny solika an-tànana.

Ireo toa an'i Kechimov sy ny hafa sahy nijanona kosa dia nanjary fanohintohinana tsy mitsahatra ho an'ireo orinasa mpitrandraka solika. Ny fepetra napetraky ny governemanta mba hiarovana ny zon'ireo olona ntaolo mihitsy no manome tosika ampy ho an'ireo orinasa mpitrandraka solika hanilihana ny vahoaka tahàka ireny.

Ho an'ireo mponina ao an-toerana,  ny fisian'ireo orinasa mpitrandraka solika dia mitovy amin'ny fananiham-bohitry ny tafika [5] – misy sakàna, fijerena antontan-taratasy  sy fisavàna olona miendrika fanambaniana ataon'ireo sivily mpiambina.

Noho izany, tsy fifandonana eo amin'ny samy olona fotsiny ny raharaha Kechimov : fitaratry ny fomba fijery roa tsy mitovy amin'ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona sy ny natiora io. Olana iray navela hovahàn'i Asharina, mpitsara ao amin'ny soba-distrika faharoan'ny Fitsarana ao amin'ny Distrikan'i Surgut.

Jereo ato [6] ny fanangonana sonia anaty aterineto ho fanohanana an'i Kechimov ao amin'ny Change.org