Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Azo Heverina Ve Izany Hoe Bangladesh Sakaizan'ny Ankizy Kokoa?

In Bangladesh, a large number of the population is under 18 years.  Image by Mahbubur Rahman Khoka. Copywright Demotix (10/12/2013).

Latsaky ny 18 taona avokoa ny ankamaroan'ny mponina ao Bangladesh. Sary avy amin'i Mahbubur Rahman Khoka. Copywright Demotix (10/12/2013).

Anisan'ny firenena be mponina indrindra manerantany i Bangladesh. Manana ankizy eo amin'ny 66 tapitrisa ihany koa izy izay mandrafitra ny 45 isan-jaton'ny mponina ao amin'ny firenena.

Saingy indrisy, tsy mba misy azo ankalazaina ny fahabetsahan'ny tanora ao Bangladesh

Miasa mbola ankizy avokoa ny ankizy mitotaly 4,5 tapitrisa ao Bangladesh. Tsy ampy sakafo kosa ny 40 isan-jato mahery amin'ireo ankizy latsaky ny 5 taona. Bangladesh no faha-efatra manerantany manana taha avo indrindra amin'ny fampanambadiana ankizy ary avo ihany koa tahan'ny fanolanana ankizy: ankizy miisa 968 no naolana sy novonoina tao anatin'izay telo taona sy tapany izay, araka ny antontanisa ofisialy.

Raha ny marina, sarotra ny mahita firenen-kafa eo amin'izao tontolo izao ka miatrika izany karazana olana izany ny ankizy tsy ampy taona.

Na izany aza, mampanantena hahatonga an'i Bangladesh ho firenena sakaizan'ny ankizy kokoa ireo fisantaran'andraikitra malaza maromaro nampiharin'ny governemanta vao haingana.

Milanja kitapo mavesatra ho entina mianatra

Raha mitsangana eo anoloan'ny sekoly iray ao Bangladesh ianao amin'ny maraina, mahita ankizy marobe milanja kitapo mavesatra sy be velarana eo amin'ny sorony

Bilaogera Tutul Chowdhury nanoratra tao amin'ny Facebook mikasika ny zanany lahy antsoina hoe Rihan:

গতকাল ঋহান বলে “বাবা এই ব্যাগটা আমি নিতে পারি না, অনেক ওজন… কাধের এইখানটায় ব্যাথা হয়ে যায়।”
এইটুকুন পিচ্চি একটা বাচ্চা ব্যাগের ভারে জর্জরীত। ছোট ছোট কোমলমতি শিশুদের ব্যাগে বহন করা একগাদা স্কুল/হোমওয়ার্কের চাপায় হারিয়ে ফেলছে তার আনন্দময় শিশুকাল।

আইন করে সকল স্কুলে জরুরী ভিত্তিতে সেই আইন বাস্তবায়ন করা প্রয়োজন।

Nilaza i Rihan omaly hoe: “Dada, tsy zakako ity kitapo ity, mavesatra loatra…marary ny soroko.” Reraky ny filanjana izany kitapo mavesatra izany ity zazalahikely (4 taona) ity. Akorontan'ny kitapo mavesatra feno fitaovam-pianarana sy enti-mody ny fahazazan'ireo ankizy ireo.

Mila lalàna mahomby ampiharina hampitsarahana izany

Mba hanampiana ireo ankizy mandeha mianatra, namoaka didy manamaivana ny kitapo ho entin'ny ankizy mianatra ny Fitsarana Ambony ao amin'ny firenena.

Nomen'ny fitsarana baiko ny governemanta handrafitra lalàna na fitsipika mandràra ny ankizy tsy hitondra kitapo mihoatra ny 10 isan-jaton'ny lanjan'ny vatan'ny ankizy, ary mandràra ny fampiasana kitapo hoan'ny kilonga eny amin'ny garabola.

Nandany 15 andro nandanja ny kitapon'ireo ankizy avy amin'ny sekoly maro, manomboka amin'ny garabola ka hatramin'ny kilasy fahaenina i Shekh Sahiha Alam, mpanoratra gazety ao amin'ny sampam-pahalalam-baovao Daily Prothom Alo.

Tahaka izao ny zavatra hitany:

ওয়ারীর কিন্ডারগার্টেন স্কুলের এক ছাত্রের ব্যাগের ওজন ছিল সাড়ে চার কেজি। ইস্কাটনের একটি স্কুলের প্রথম শ্রেণির এক ছাত্রের ব্যাগের ওজন পাওয়া যায় তিন কেজি। ধানমন্ডির সাতমসজিদ সড়কে অবস্থিত একটি ইংরেজি মাধ্যম স্কুলের তৃতীয় শ্রেণিতে পড়া এক ছাত্রের ব্যাগের ওজন সাড়ে ছয় কেজি। নিউমার্কেট-সংলগ্ন একটি বিখ্যাত সরকারি স্কুলের চতুর্থ শ্রেণির ছাত্রের ব্যাগের ওজন ছিল সাত কেজি। শেরেবাংলা নগরের একটি সরকারি বালিকা উচ্চবিদ্যালয়ের পঞ্চম শ্রেণির ছাত্রীর ব্যাগের ওজন পাওয়া যায় সাড়ে সাত কেজি।

Nilanja kitapo 4,5kg ny mpianatra iray ao amin'ny sekoly garabola ao Wari. Mpianatra taona voalohany ao amin'ny sekoly iray ao Eskaton kosa nanana kitapo milanja 3kg. Ny kitapon'ilay mpianatra kilasy fahatelo ao amin'ny sekoly fianarana anglisy ao Lalana Dhanmondi Satmasjid kosa nilanja 6,5kg. Mpianatra kilasy fahaefatra ao amin'ny sekolim-panjakana iray malaza ao akaikin'ny Tsena Vaovao kosa nitondra kitapo milanja 7kg. 7,5kg kosa ny lanjan'ny kitapon'ilay mpianatra kilasy fahadimy ao amin'ny sekolim-panjakana hoan'ny tovovavy ao Sher-e-Bangla Nagar.

Nankasitraka ny fanapaha-kevitry ny fitsarana ireo mpiserasera.

Emdadul Haque, mpampianatra lalàna ao amin'ny Oniversite Atsimo-atsinanana, Bangladesh, nisioka hoe:

Tahaka an'i India, tsy mahazo mitondra kitapo mihoatra ny ampahafolon'ny lanjany ireo ankizy mpianatra ao Bangladesh mba hisorohana ny faharariana.

Mampianatra ny ankizy hilomano

Monina any ambanivohitra akaiky moron-drenirano ny ankamaroan'ny mponina ao Bangladesh. Voafefin-drenirano marobe manana halavana sy sakany isan-karazany ny tany. Ahitana renirano eo amin'ny 700 eo ao amin'ny firenena

Dibo-drano ireo renirano rehefa tonga ny vanim-potoanan'ny orana. Mandritra izany fotoana izany, maty an-drano ny ankizy.

Araka ny tatitra vao haingana avy amin'ny Tahirim-bolan'ny Firenena Mikambana ho An'ny Ankizy (Unicef), ankizy 18000 isan-taona no maty noho ny tsy fahaizan'izy ireo milomano.

Mba hiarovana azy ireo tsy ho maty an-drano, nanapa-kevitra hampiditra ny lesona lomano ho tsy maintsy ataon'ny ankizy mpianatra rehetra ny governemanta. Namoaka filazana tao amin'ny habatranonkala ny minisiteran'ny fampianarana.

Nankasitraka ny fanapaha-kevitry ny Minisiteran'ny Fampianarana ny olona. Nankasitraka ny fanapahan-kevitra ihany koa i Nathan Adrian, mpilomano Amerikana. Nanoratra tao amin'ny Twitter izy:

Afaka manavotra aina ny lomano! Faly mahita ny olona tonga saina amin'izany

Farhana Haider, mpanao gazety zokiny ao amin'ny BBC, nisioka hoe:

Nametraka lalàna hampiatoana ny fahafatesana an-drano ny lesona lomano ao Bangladesh. Ankizy eo amin'ny 18000 eo no maty isan-taona noho tsy fahaizan'izy ireo milomano.

Amin'ny fiarahamiasa amin'ny UNICEF, nitambatra ny Foibem-pikarohana sy ny Fisorohana ny Ratra ao Bangladesh (CIPRB), Ny Fikambanana ho an'ny Ankizy Voaaro (TASC) ary ny Fikambanan'ny Fitondram-Panjaka amin'ny Famonjena Aina Aostralia (RLSSA) mba hananganana ny fandaharan'asa SwimSafe [lomano am-pilaminana] ho fampihenana ny isan'ny fahafatesana an-drano.

Nizara fampianarana milomano tao amin'ny Youtube izy ireo:

Tetibola Voalohany Ho an'ny Ankizy

Farany, natsangana tao Bangladesh miaraka amin'ny tetibolan'ny taona 2015-16 ny tetibola voalohany ho an'ny ankizy.

Eo amin'ny 26 000 crore Taka (3.341.213 dolara Amerikana) no natokana amin'izany. Izay 8,76 isan-jaton'ny teti-bolam-pirenena.

Tsy misaraka amin'ny tetibolam-panjakana ny tetibolan'ny ankizy. Fa natao hanamorana sy hanasongadinana ny fametrahana ny zon'ny ankizy amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ireo mpanapakevitra hanao ho laharam-pahamehana ny ankizy amin'ny fanokanambola ho azy ireo.

Ambaratonga goavana miainga amin'ny dingana kely? Mety midika hoavy vaovao hoan'ny ankizy ao amin'ny firenena ny tetibola hoan'ny ankizy ao Bangladesh:

Nampivoitra indray ny maha-zava-dehibe ny tetibola ho an'ny ankizy tamin'ny kabariny momba ny tetibola ny Minisitry ny Tetibola ao Bangladesh, Abul Maal Abdul Muhith :

এটা প্রকৃত পক্ষে একটা কাঠামো, যা শিশুদের আর্থ-সামাজিক অধিকার বাস্তবায়নে সরকারি ব্যয়/বিনিয়োগের প্রকৃতি ও ব্যাপ্তিকে প্রত্যক্ষ এবং পরোক্ষভাবে প্রভাবিত করবে; যার ফলে একটি অন্তর্ভুক্তিমূলক ও টেকসই মানবিক উন্নয়ন নিশ্চিত করা সম্ভব হবে।

Raha tsorina dia rafitra nametrahana ny zo ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an'ny ankizy izany. Miantraika mivantana sy ankolaka amin'ny fandaniana sy ny fampiasam-bola-panjakana ihany koa izany. Vokatr'izany, azo atao ny fampandrosoana maha-olombelona maharitra.
Basically it is a framework wherein the socio-economic rights of children are implemented. It also directly and indirectly affects public expenditure and investment. As a result, an inclusive and sustainable human development will be possible.

Nidera ny fanapaha-kevitry ny governemanta ireo mpikatroky ny zon'ny ankizy.

Abdullah Al Mamun, mpandrindra ny fandaharana ho an'ny Fikambanana mpanao asa-soa Manusher Jonno, nilaza tamin'ny Prothom Alo hoe:

সরকারের এ ধরনের উদ্যোগের জন্য অবশ্যই ধন্যবাদ পাওয়ার যোগ্য। তবে শিশু বাজেট কে সমন্বয় করবে, বাজেট যথাযথভাবে বাস্তবায়িত হলো কি না তার জবাবদিহি কার কাছে থাকবে তাও নির্ধারণ করতে হবে।

Fisantarana andraikitra tsara izany. Mandrisika ny hametrahana departeman'ny ankizy eo anivon'ny Minisiteran'ny Vehivavy sy ny Ankizy aho mba handrindra ny tetibolan'ny ankizy sy hametraka mangarahara sy tamberin'andraikitra amin'ny fandaniana araka ny tokony ho izy.

Nabila Mahabub nisioka hoe:

Vola manokana hoan'ny ankizy ao anatin'ny tetibola manaraka mba hiarovana tsara kokoa ny zon'ny ankizy sy ny mahasoa azy ireo ao Bangladesh

Tonga tamin'ny hevitra hananganana tontolom-piainana tsara kokoa hoan'ny atsasaky ny olom-pirenena ao amin'ny firenena ireo mpanapakevitra ao Bangladesh. Ankehitriny ny fanontaniana dia hoe ampiharina ve ireny fisantaran'andraikitra ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.