- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manosika ho amin'ny fandrarana ny fivarotan-toaka ao atsimon'i India ny fihetsiketsehan'ny mpianatra an-dalambe

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fanabeazana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona
Image courtesy Facebook page - We support professor Ramu Manivannan [1]

Sary nindramina tamin'ny pejy Facebook “Manohana ny profesora Ramu Manivannan izahay”

Tao amin'ny fanjakana iray ao India atsimo antsoina hoe Tamil Nadu on August 11, no nahitana mpianatra tokotokony ho 50 nanatontosa sit-in tao amin'ny Oniversiten'i Madras [2] ho fanoherana ny fanesorana ny Profesora Ramu Manivannan, filohan'ny Departemantan'ny Politika sy ny Fitantanam-Panjakana ao amin'ny Oniversiten'i Madras.

Nesorina i Manivannan satria nolaviny ny handray andraikitra hanasaziana mpianatra 11 [3] nandray anjara tamin'ny fivoriana manohitra ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ao amin'ny fanjakana. Ny fivarotan-toaka no lohananombola voalohan'ny governemanta ao an-toerana.

Notakian'ny mpianatra ny hamerenan'ny [4] fitantanan'ny Oniversite azy amin'ny asany.

Nisy lahatsary nahatohinafintohina [5] iray niely tao amin'ny media sosialy [6] ahitana kilongalahy efa-taona noteren'ny andian-dehilahy ao Tiruvannamalai hisotro toaka ka izay no fanoitra niteraka ny fitakiana hifehezana ny fivarotan-toaka ao amin'ny fanjakana.

Ary nihanahery vaika ny fitakiana raha nisy olobe Gandhista iray sady mpikatroka manohitra ny fivarota-toaka antsoina hoe Sasi Perumal maty nandritra ny fihetsiketsehana iray [7] manohitra ny fivarotan-toaka iray tantanin'ny fanjakana.

Tamin'ny herinandro teo ny vondrona mpianatra avy ao amin'ny Kolejy Pachaiyappan no nodarohan'ny polisy [8] raha nitora-bato ireo tranombarotry ny fanjakana mivaro-toaka ao an-drenivohitra Chennai izy ireo.

Nisy fihetsiketsehana maro hafa mitovitovy amin'izany ihany koa nanerana ny fanjakana, nitarika tamin'ny fisamborana mpanao fihetsiketsehana an'arivony. Nolazain-dry zareo fa nampiasa ny herin'ny polisy ny governemanta Tamil Nadu handrahonana sy hidarohana mpianatra sy mpikatroka an-jatony.

Tamin'ny fanandratany ny feony tamin'ny fomba fanaparitahan'ny governemantan'i Tamil Nadu amin'ny fomba henjana ireo mpanao fihetsiketsehana no nanoratan'ny blaogera Tamil Elango [9] hoe :

உண்மையில் மதுவை எதிர்த்து முதன் முதல் குரல் கொடுத்தவர் நமது திருவள்ளுவர்தான். ”கள்ளுண்ணாமை” என்று ஒரு அதிகாரமே திருக்குறளில் இருக்கிறது. இன்றைக்கு அவர் இருந்திருந்தால் மதுவை எதிர்த்த குற்றத்திற்காக புழல் சிறையில் பிடித்து போட்டு இருப்பார்கள்.

Ny Filôzôfa lehibe indrindra ato amintsika Thiruvallur (izay niaina 2.000 taona lasa izay) no iray amin'ireo nanandratra ny feony nanohitra ny fisotroana toaka. Tao amin'ny bokiny fankalaza, ny Kural Masina, izy no nanokana toko iray miresaka ny olana vokatry ny fisotroan-toaka. Saingy, raha velona amin'izao fotoana izy, dia tsy angambaina intsony fa efa nosamborina sy nampidirina amponja noho ny fomba fijeriny manoloana ny fisotroan-toaka.

Ny governemantam-panjakana Tamil Nadu dia mahazo 3,35 miliara dolara isan-taona [10] amin'ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola amin'ireo fivarotana miisa 6.827 manerana ny fanjakana. Io no anisan'ny loharanom-bola goavan'ny governemanta.

Psikiatra ny Dr. Lakshmi Vijayakumar sady mpanorina ny Sneha, ONG iray misahana vonjy voina vokatry ny famonoan-tena. Nolazainy ary fa ny fiakaran'ny taham-pahafatesana vokatry ny famonoan-tena [11] ao amin'ny fanjakana dia mifandray mivantana amin'ny fahazoan'ny fisotroan-toaka vahana.

Tsy amin'ny resaka famonoan-tena ihany, fa misy fitomboan'isa ihany koa ny lozam-pifamoivoizana ao amin'ny fanjakana ka mifandraika amin'ny fahazaran'ny mponina migoka azy io. Tamin'ny 2013, tokotokony ho 2.764 ny lozam-pifamoivoizana nitranga [12] vokatry ny alikaola ary olona 718 no matin'ny [12] saofera mamo ao Tamil Nadu.

Izany no mahatonga ny Tamil Nadu ho iray amin'ireo firenena lohalaharana amin'ny lozam-pifamoivoizana mifandraika amin'ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Miteraka olana ara-pahasalamana ho an'ny maro, indrindra fa amin'ireo fianakaviana sahirana ara-bola, ihany koa, ny fitombon'ny fisotroana alikaola.

Vokatr'ireo fihetsiketsehana miady amin'ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola,dia tsara ny mahafantatra fa maro amin'ireo politisiana lohandohany ireo sy ny mpanaraka azy no mpamokatra ny indostrian'ny alikaola sy paraky eto amin'ny fanjakana.

Hetsika goavana ny fanoherana ny fandrarana ny zava-pisotro misy alikaola. Raha mandrara ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ny governemanta Tamil Nadu, dia tian'ny olona amin'ny ankapobeny kosa izany

Nanomboka nanohana ny fandrarana ny zavapisotro misy alikaola ihany koa ny antoko mpanohitra, na dia namaly bontana izany haingana aza ny mpiserasera [15] noho ny fihatsarambelatsihin'izy ireo, nampiranty ireo mpikambana ambony ao amin'ireo antoko mpanohitra ireo izay mamokatra sy mivarotra zava-pisotro misy alikaola sy na paraky sy sigara.

Raha mbola manohy ny fihetsiketsehany manerana ny fanjakana ny mpikatroka mpianatra [16], dia naseho tamin'ny 13 aogositra ny fitsapan-kevitra navoakan'ny Satta Panchayat Iyakkam, vondrona iray mpanao fanadihadiana ao an-toerana. Nasehon'ny tsikaritra tao fa vola 10,33 miliara dolara amerikana no very [17] noho ny fisotroan-toaka be loatra sy ny vola lany tamin'ny fikarakarana ara-pahasalamana mifandraika amin'izany ao amin'ny fanjakana.