Manararaotra ny lazan'ny kolikolin'i Shina Tanibe ireo mpisoloky hanambakàna ny mponina ao Hong Kong

Scammers pretending to be mainland Chinese police, called up Hong Kong people telling them they were wanted fugitives in mainland China. Image from Standnews. Non-commercial use.

Mpisoloky milaza fa polisy avy ao amin'ny tanibe Shinoa niantso an-tariby ny olona ao Hong Kong, milaza azy ireo ho nandositra tadiavina ao amin'ny tanibe Shinoa. Sary avy amin'ny Standnews. Tsy azo ampiasaina hahazoam-bola.

Noho ny fahambanian'ny tahan'ny heloka bevava dia iray amin'ireo tanàna milamina indrindra manerantany i Hong Kong. Na izany aza, nitombo be izaitsizy vao haingana ny isan'ireo fisolokiana an-taroby – tao anatin'ny fito volana, naharay tatitra momba ny fisolokiana 2.371 ny polisin'i Hong Kong, fisolokiana idiran'ny vola mitentina 175 tapitrisa dolara hong kong (22,6 tapitrisa dolara Amerikana).

Mety ambony kokoa noho io tarehimarika io ny tena isan'ireo fisolokiana an-tariby, satria 90% mahery amin'ireo nandray ny antso fisolokiana no tsy te hisarihana hitatitra any amin'ny mpitandro filaminana, araka ny fanadihadiana tao an-toerana. Nilaza ny fanadihadiana fa ny antsasaky ny mponina ao Hong Kong no efa naharay izany antso fisolokiana avy any amin'ny tanibe Shinoa izany ary teo amin'ny 5% teo no voasoloky.

Amin'ny ankamaroan'ny antso, nilaza fa miasa amin'ny fikambanana sasany tahaka ny ofisialy ireo mpisoloky. Nanonona mombamomba manokana an'ireo lasibatra izy ireo, anisan'izany ny nomeraon'ny kara-paranondro ary nilaza azy ireo fa olona nandositra ao amin'ny tanibe Shinoa izy ireo. Avy eo omen'izy ireo olona milaza fa mpitandro ny filaminana ao amin'ny tanibe Shinoa ny antso mba hanamarinana ilay “filazana fikarohan'olona”.

Nanazava tamin'ny niharam-boina ny “manam-pahefana mpampihatra lalàna” fa mety nangalarin'ny mpangalatra ny mombamomba azy ireo mba hanaovana ny asa ratsy, saingy tsy mazava ny raharaha raha tsy misy fanadihadiana araka ny tokony ny izy. Nilaza ireo mpisoloky fa raha sitrak'izy ireo [lasibatra] ny hanafoanana ny “filazana fitadiavana”, tsy maintsy mandoa vola izy ireo. Avy eo nangataka tamin'ireo lasibatra mba handefa ny vola any amin'ny banky ao Shina tanibe ireo mpisoloky.

Nahatratra mpiangaly mozika malaza amin'ny Erhu, Wong Kuo Tong sy ny vadiny ny raharaha faramparany teo. Voasoloky vola 20 tapitrisa dolara hong kong nomena ireo mpisoloky izy ireo. Nilaza i Wong fa naharay antso avy ao amin'ny “Biraon'ny Paositra ao Hong Kong” izy sy ny vadiny izay nanazava fa nisy taratasy tany amin'izy ireo [Biraon'ny Paositra] izay notazomin'ny Biraon'ny Fiarovam-bahoaka ao Shina tanibe.  Avy eo alefa any amin'ny “polisy manamboninahitra sy mpampanoa lalàna” ao Shina tanibe ilay antso izay milaza fa manana porofo momba ny fanodikodinam-bola nataon”i Wong sy ny vadiny tamin'ny vola fanaovana asa soa izy ireo. Mandritra ny fanadihadiana, nilaza ireo mpisoloky fa tsy maintsy mandoa vola mitovy amin'izany izy mivady mba hanaporofona ny tsy maha-meloka azy ireo.

Ankoatra ny biraon'ny paositra, mody milaza fa mpanatitra entana, mpiasan'ny banky ary koa mpiasan'ny Biraon'ny Fifandraisan'i Shina [sampana solontenan'i Shina ao Hong Kong] mihitsy aza ireo mpisoloky. Tamin'ny volana lasa, olona am-polony vitsivitsy no naharay antso fisolokiana avy amin'ny “Biraon'ny Fifandraisana ao Shina” izay niampanga ireo lasibatra ho nanao famotsiam-bola. Norahonana avy eo ireo lasibatra fa hosamborina rehefa miampita ny sisintany raha tsy mandoa vola. Very vola HK $ 3 tapitrisa dolara hong kong ny iray tamin'ireo lasibatra.

Avy amin'ny sarangam-piainana rehetra ireo lasibatry ny fisolokiana, anisan'izany ireo misotro ronono, vehivavy mpikarakara tokantrano, mpandraharaha, Filoha Tale Jeneraly, mpampianatry ny oniversite, dokotera sy mpianatra. Maro no manontany ny anton'ny fahombiazan'ny fisolokiana tahaka izao. Karazana psikolojia sosialy inona izao ampiharina izao?

Niresaka ny fifampiresahany tamin'ireo mpisoloky an-tariby i Sam Ng, mpaneho hevitra amin'ny  vaovao misongadina. Nilaza izy fa noho i Shina tanibe malaza amin'ny kolikoly, tsy sarotra tamin'ireo lasibatra ny hino fa hangataka vola hamafana ny fiampangana ny manampahefana:

被騙者講聽普通話都沒有問題,顯示他們與大陸有相當聯繫。我試過扮作不懂普通話,對方馬上收線。
經常往返大陸,做生意、旅遊、交朋結友,甚至只是淘寶網上購物,或多或少會踩界,遊走法律邊緣。當對方一口咬定有甚麼假護照,包裹郵件涉及違禁品,即使沒有做過,也只能半信半疑。
這個國家甚麼都會發生,資料外洩、有人盜用你的身份犯案,可能性極高,肯定心情焦慮,要急於自證清白。
尤其有大陸背景的香港人,習慣服從權威 […] 大陸公安局、法院、檢察院,這類公檢法專政機關,一般人都知道惹上會周身蟻,一旦被釘上,後果堪虞,希望盡快解決。
中國是個貪污大國,用人民幣可以解決的問題就不是問題,已是一般平民小百姓的常識和生活習慣,當騙徒提出可以用錢解決案件,有大陸經驗的香港人,二話不說,會相信到底。

Afaka miteny Mandarin ny ankamaroan'ireo lasibatra, izay midika fa mety nanana fifandraisana ara-tsosialy na raharaham-barotra tamin'i Shina tanibe izy ireo. Mody nilaza aho fa tsy mahay teny Mandarin ka najanon'ireo mpisoloky avy eo ny antso.

Matetika raha misy olona mankany Shina tanibe, na noho ny fandraharahana na hamangy namana na fizahan-tany, na dia mividy Taobao amin'ny alalan'ny [habaka fiantsenana antserasera] fotsiny aza dia mety iharan'ny fanasaziana ho nanitsakitsaka lalàna. Raha nilaza ireo mpisoloky fa manana pasipaoro sandoka, na nahitana zavatra tsy ara-dalàna ny entan'izy ireo, na dia tsy nahavita ny heloka aza ireo lasibatra dia ho sahiran-tsaina.

Ao amin'io firenena io, mety hitranga avokoa ny zava-drehetra. Mety misy mangalatra ny mombamomba anao manokana na mety misy olona mampiasa ny mombamomba anao mba hanaovana heloka. Mety hitranga avokoa Ireo rehetra ireo ka hiahiahy ianao dia te-hanaporofo fa tsy meloka ny tenanao.

Na dia teratany avy ao Shina tanibe aza ireo lasibatra, dia efa zatra mankato ny manampahefana izy ireo […] Fantatr'izy ireo fa raha vao manenjika olona ny polisy, ny mpampanoa lalàna na ireo olona tompon'andraikitra amin'ny fampiharana lalàna, dia sahirana izy tadiavina ka te-hamaha ny olana faran'izay haingana.

Anjakan'ny kolikoly i Shina. Mihevitra ny olona fa voavahan'ny vola ny olana. Raha nilaza ireo mpisoloky fa afaka aloa vola mivantana ny raharaha, hino tanteraka izany ireo efa niaina tao Shina tanibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.