Tafiditra hiady ny famaranana amin'ny Amboaran'ny Fanaovan-Gazety an-Tserasera 2015 i Marcell Shehwaro ato amin'ny Global Voices

Screen shot 2015-08-11 at 12.49.55 PMFaly tokoa izahay manambara fa ny mpanoratra ato amin'ny GV Marcell Shehwaro dia tafiditra famaranana amin'ny Amboaran'ny Fanaovan-Gazety An-tserasera 2015 (OJA) ao amin'ny sokajin'ny fanehoankevitra an-tserasera, noho ny sombin-dahatsorany “Ato Syria Lasa Mpamono Olona Daholo Izahay Rehetra” avy amin'ny Andiany Sombintsombiny avy ao Syria: Marcell Shehwaro amin'ny Fiainana ao Aleppo.

Nanome voninahitra ny fahatsarana dia tsara amin'ny fanaovan-gazety nomerika teto amin'izao tontolo izao hatramin'ny taona 2000 ny amboara OJA tantanin'ny Fikambanam-Baovao An-tserasera. Indro ny sombiny avy amin'ny fanambarana ny amboaran'ny Fikambanam-Baovao An-tserasera, izay milaza ihany koa ireo tafiditra famaranana “manosika ny valopin'ny fanaovaozana sy ny tsara dia tsara eo amin'ny filazan-tantara nomerika sy ny fampielezana”:

Niara-nivondrona ny vondrona mpanao gazety sy ny matihanin'ny media vaovao 134 hanara-maso ireo mpifaninana 994 sy hifantina ireo tafiditra amin'ny atsasa-dalana. Mpitsara 15 misolo tena ireo rantsana ao amin'ny indostria no nikaondoha hamaritra ireo tafiditra famaranana sy ireo nandrombaka ny amboara.

Lasa mpamono olona daholo izahay eto Syria

Taorian'ny nandrenesany fa voadaroky ny baomba ny toera-pisavana izay namonoan'ny miaramilan'ny fitondrana syriana ny reniny, dia nanoratra ny lahatsorany voafantina i Marcell, “Miankina amin'ny fahafatesan'ny hafa ny fahafahako miavo-tena…ary izay no hahavitan'ity fitondrana mpamono olona ity mandresy, tsy ijerena izay fiovana politika miandry an'i Syria.”

Nahazo fanohanana matanjaka avy amin'ny fikambanan'ny Global Voices i Marcell raha nandrafitra ny toko 12 mitantara an'i Aleppo, izay nivoaka tamin'ny 2014. Ny tantarany dia nahitsin'ny tale jeneraly Georgia Popplewell sy ny tonian-dahatsoratra ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra Amira Al Hussaini ary ny lahatsoratra voalohany tamin'ny teny arabo dia nadikan'i Amira AlHussainisy Lara Al Malakeh ho amin'ny teny anglisy. Mpikambana maro tao amin'ny fikambanan'ny Lingua ato aminay no nandika ireo lahatsoratra ireo ho amin'ny teny espaniola, hebreo, arabo, frantsay,shinoa, koreana ary alemana.

Ivan Sigal, tale mpanatanteraka ato aminay no nanazava ny mahazavadehibe sy ny mahamety ny nifantenana ny andian-dahatsoratr'i Marcell tamin'ny andran-dahatsoratra ao amin'ny ONA. Indro ny tsonga :

Marcell is part of a community of writers and digital activists who participated in the original nonviolent reform movement in Syria. They are digitally networked journalists and activists closely tied to reform movements in other parts of the Middle East, and their habits of communication and communities are based in the culture of the Internet. As such, Marcell’s work is emblematic of the idea of online journalism – allowing us to hear voices and stories of people who had previously been subjects in the stories of outsiders. Marcell's voice is that of an insider reflecting her experience of the war in Aleppo for a global audience. Against odds she and her peers continue to insist on the need for human dignity, and on the power of stories about individual lives in the face of extreme violence and geopolitical manipulation.

The framing of Marcell's essays runs counter to a presentation of the Syrian war in which stories about extremism and polarization are emphasized. We rarely hear about the nuances and complexities of the lives of individual Syrians. In her writing, Marcell's voice turns and winds through her days as she struggles to survive and make sense of the collapse of her world, the murder of her mother at a government checkpoint, the dilemmas of her friends and their families, and dreams of a forgone past. She brings us the complexity of Syrian society, showing us the fractures, alliances and impossible choices made by individuals living through war. Her stories again and again shatter upon the reality of those choices, the knowledge that making them requires people who in normal times might be fair, compassionate and caring to choose violence as a means of security.

Anisan'ireo mpanoratra sy mpikatroka nomerika nandray anjara tamin'ny hetsika milamina tao Syria i Marcell. Mpanao gazety sy mpikatroka nifandray akaiky tamin'ireo hetsi-piovana tany amin'ny faritra hafa tao Afovoany Atsinanana ry zareo ary mifototra amin'ny kolontsain'ny aterineto ny fahazaram-pifandraisana sy ny fikambanan'izy ireo. Amin'izay lafiny izay dia maodely amin'ny atao hoe fanaovan-gazety nomerika ny asan'i Marcell – nahafahantsika nandre ny feo sy ny tantaran'ireo olona izay efa nosoratan'olona avy any ivelany. Ny feon'i Marcell dia avy amin'ny olona niaina ny ady tao Aleppo ka nanoratra izany hoan'ny rehetra. Na dia teo aza ny zavatra nihatra dia mbola nikiry tamin'ny tokony hametrahana ny fahamendrehan'olombelona, ny herin'ny tantaran'olona miatrika herisetra faratampony ary ny fikendrena ara-jeografia politika i Marcell sy ny mpiara-dia aminy.

Mifamotitra amin'ny fomba fanehoana ny ady ao Syria izay mampisongadina ny extremisma sy ny fivakisan'ny fiarahamonina ny fomba fanoratr'i Marcell. Tsy mba fandre izany fahasamy hafana sy ny fahasarotan'ny fiainan'ny olona syriana tsirairay izany. Ao amin'ny asa-sorany i Marcell no mandahatra ny adim-piainana isan'andro tsy maintsy ataony ahafahany miavo-tena sy mametraka antom-piainana eo amin'ny tontolo mirodana, tamin'ny namonoana ny reniny teo amin'ny toera-pisavan-karatra napetraky ny governemanta, ny zava-manahirana ny namany sy ny havany, ny nofinofin'ny lasa adino. Nohazavainy tamintsika ny kipitsopitson'ny fiarahamonina syriana, tamin'ny filazany ny fivakivakisana, ny “fati-dra” sy ny safidy tsy azo noeritreretina tsy maintsy ataon'olona iray miaina ao anatin'ny ady. Mitontona any amin'ireo tsy fahafahana miala amin'ny zavamisy hatrany ny fitantaràny, rehefa mahafantatra tsara fa misy ny olona mahitsy, manana indra-fò sy sariaka izay mety hisafidy ny herisetra mba hiantohana ny fiarovantenany.

Ny Fikambanam-Baovao Antserasera dia fikambanana iray tsy mitady tombontsoa ara-barotra. Ny fanomezandoka dia hotontosaina amin'ny 26 septambra, mandritra ny lanonana iray tontosaina mandritra ny fihaonamben'ny ONA 2015 natokana ho amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.