Tantara tamin'ny 24 Aogositra 2015
Mihevitra Ho Maranitra Ve Ianao, Wikipedia? Drafitry Ny Rosiana Mpanivana Ny Hibahana Anao Na Izany Aza
Na dia miezaka aza ny Wikipedia handingana ireo fangatahan'ny Rosiana mpanivana mba hanaisorana vontoaty, toa mikatsaka hatrany ny fomba rehetra hibahanana azy kosa ny ao Kremlin.
Nofoanan'i Ekoatora Ny Vizà (fahazoan-dàlana) Ho An'ilay Frantsay-Breziliana Mpanao Gazety Niharan'ny Herisetra Nandritry Ny Fihetsiketsehana
"Nitombo ny habibiana atao amin'ireo mpanao gazety, ny media sy ireo mafàna fo ao Ekoatora, ary lasa mateti-pitranga ny famelezana ny fahalalahana maneho hevitra."
Mpanao fihetsiketsehana miatrika ny gidragidran'ny polisy misahana ny rotaka ao Libanona
Setriny ankerisetra no niandry ny mpanao fihetsiketsehana milamina #YouStink izay nahavoriana olona tao Beirota tamin'ny asabotsy 22 aogositra mitaky ny hamahana ny olan'ny fanariam-pako ao Libanona.
Tafiditra hiady ny famaranana amin'ny Amboaran'ny Fanaovan-Gazety an-Tserasera 2015 i Marcell Shehwaro ato amin'ny Global Voices
Faly izahay manambara ny nifantenana ny asa-soratr'i Marcell ao amin'ny sokajy fanehohan-kevitra an-tserasera amin'ilay piesy mitondra ny lohateny hoe "Lasa mpamono olona daholo izahay eto Syria".
Manararaotra ny lazan'ny kolikolin'i Shina Tanibe ireo mpisoloky hanambakàna ny mponina ao Hong Kong
Niantso an-tariby ny olona ao Hong Kong ireo mpisoloky milaza fa polisy avy ao Shina tanibe, milaza ireo antsoiny ho mpandositra ka olona tadiavina ao Shina tanibe ka tsy maintsy mandoa vola raha te-ho afaka madiodio.
Sazian'i Tajikistan ireo mpanakanto mpanitsakitsaka ny lalàm-pifamoivoizana
Tahaka ireo tanàna Sovietika taloha maro, dia manana kolontsaina fitondrana fiara mivantana avy amin'ny sarimihetsika Fast and Furious i Dushanbe. Mandrisika ny fikivilavilana anaty hafaingan-mpandeha ny lalana feno lavadavaka.
Olona Mitovy Taovam-pananahana: Fanambadiana Voalohany Nankalazaina Tao Puerto Rico
Taorian'ny taona maro nitolomana mafy, afaka manao ny fifanekeny amin'ny fomba ofisialy ireo olona mitovy taovam-pananahana ao Puerto Rico ankehitriny.
Nanivana Tena Ho Fiarovana Ny Mpitondratenin'i Poutine Ve Ny Fitaovam-Pikarohana Goavana Indrindra Ao Rosia?
Miverina indray ety anaty vaovao ny mpitondratenin'i Vladimir Poutine, taorian'ny nahitàn'ireo mpampiasa aterineto tamin'ity herinadro ity fa mety ho nanivana tena ny Yandex, ilay fitaovam-pikarohana malaza indrindra ao amin'ny firenena, mba hiarovana an'i Peskov.