Nanoratra karatry ny paositra an'arivony ity dokotera ity hahazoan'ny mahantra ao India torohevitra ara-pahasalamana

Dr. Aaraveeti Ramayogaiah, a government doctor in the Indian state of Andhra Pradesh, says he wrote 27 thousand postcards about preventive medicine during his career. Credit: Rahul M

Nilaza i Dr. Aaraveeti Ramayogaiah, dokoteram-panjakana ao amin'ny firenena Indiana Andhra Pradesh fa nanoratra karatry ny paositra 27 000 miresaka fitsaboana fisorohan'aretina izy nandritra ny taona niasany. Sary: Rahul M

Ity lahatsoratra ity sy tatitra amin'ny onjam-peo nosoratan'i Daniel Gross ho an'ny The World ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 19 Aogositra 2015, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Efa toerana fandehanana mahazatra ao antanàndehibe Indiana ankehitriny ireo hopitaly mampiasa teknolojia avo lenta. Saingy lafo be ihany koa ireo, tsy takatry ny fahefa-mividin'ny mahantra.

Nahita fomba tsy mampiasa teknolojia avo lenta ny dokotera Indiana iray amin'ny fanomezana fomba fikarakarana ara-pahasalamana: manoratra karatry ny paositra (carte postale).

Nandritra ny fotoana niasany, nanoratra karatry ny paositra 27000 ho an'ireo marary sy olom-pantany i Dr. Aaraveeti Ramayogaiah. Nanazava ny fomba fanao hisorohana ny aretina ny ankamaroan'izy ireo, toy ny manasa tanana sy mampangotraka rano. Natao hanampiana ireo olona an'arivony tsy manam-bola handehanana any amin'ny dokotera na tsy misy dokotera izany.

Tamin'ny antsafa nifanaovany tamin'ny mpanao gazety Indiana antsoina hoe Rahul M no nilazan'ny Dr. Ramayogaiah fa avy amin'ny fianakaviana mahantra izy ary lasa dokoteram-panjakana teo amin'ny taona faha-27 taonany.

“Nanomboka nahita izy fa sehatra natao itadiavam-bola be loatra ny fahasalamana ao India, izay mifandray tanteraka amin'ny orinasa fanaovam-panafody”, hoy Rahul.

Nanome tsirin-kevitra an'i Ramayogaiah hanatontosa paikady hafa ny halafosan'ny fitsaboana. Nanangona adiresy paositalin'ireo olona an'arivony marary hatramin'ny olon-tsy fantatra izy. Ao anatin'ny karatry ny paositra no nanazavany fa ireo olana ara-pahasalamana sasany – toy ny aretim-pivalanana – dia azo sorohina tsy voatery mila fitsaboana.

Nilaza izy fa any amin'ny fiarahamonina lavitra dokotera, tokony hifantoka amin'ny fanatsarana ny fotodrafitrasam-pidiovana sy ny tontolo iainana ny mponina.

Nivoaka tamin'ny lohatenim-baovaon'ireo gazety Indiana ny hetsika karatra paositrany sy ny lahatsoratra nosoratany ao anatin'izany. Saigy nilaza tamin'i Rahul izy fa misy ireo fampahalalam-baovao sasany tsy mandray azy ho matotra noho ny fijoroany manohitra mafy ireo hopitaly lafo saram-pitsaboana.

A postcard addressed to the journalist Rahul M. Credit: Rahul M

Karatry ny paositra nalefa tany amin'ilay mpanao gazety, Rahul M. Sary: Rahul M

Vao haingana, nanjary tolona manokana ny fanoheran'i Ramayogaiah ny saram-pitsaboana lafo vidy. “Voan'ny homamiadana izy  amin'izao fotoana izao,” hoy i Rahul. Nahatonga azy ho malemy tsy afa-miala am-pandriana ny fivontosan'ny atidoha mahazo azy.

Na dia eo aza ny olana ara-pahasalamana tao aminy dia mbola tsy resy lahatra hatrany amin'ny fitadiavan-tombombarotry ny hopitaly i Ramayogaiah. “Tsy te-handeha any amin'ny hopitaly tsara izy hitsaboany tena”, hoy i Rahul.

“Niady mafy nanohitra ny fitantanana fanaovana ampihimamban'ny toera-pitsaboana nandritra ny fiainany manontolo izy,” hoy i Rahul. “Izay rafitra tokana ahafahany manalava kokoa ny androm-piainany. Amin'ny heviny hafa, ho azy dia manan-danja kokoa noho ny aina ny fitsipiky ny foto-pisainany. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.