- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Farany izay ny filàn'ny tompon'ity fisotroana kafe ity vaniny ny aotista rahavavin'ny mpilatro malaza iray ao Rosia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Sakafo, Akon'ny RuNet
Natalia Vodianova and her sister, Oksana. Photo shared widely on Facebook.

Natalia Vodianova sy ny rahavaviny, Oksana. Sary niparitaka tao amin'ny Facebook.

Niparika ny fahatezerana ara-drariny tamin'ny herinandro lasa teo, raha nahare vaovao hafa indray momba ny habibiana niseho tao amin'ny faritra iray ao amin'ny firenena ny mpiserasera Rosiana. Tamin'ity indray mitoraka ity, mpitantana trano fisotroana kafe iray antsoina hoe “Flamingo” ao Nizhny Novgorod no nandroaka ny mpanjifany, 27 taona, antsoina hoe Oksana, voan'ny ôtisma sy manana hasembanana amin'ny atidoha izy hatramin'ny nahaterahany. Nolazain'ity mpitantana ity taminy fa mampandositra ireo tokony ho mpanjifany izy.

Nahasarika ny haino aman-jery ny zava-nitranga, tsy ampahany kely mihitsy satria fantatra fa rahavavin'ilay Rosiana mpilatro malaza manerantany, Natalia Vodianova i Oksana.

Nampiasa ny lazany mba hanentana fanohanana hoan'ny rahavaviny i Vodianova. Nanoratra tao amin'ny Facebook, [1] namaritra ny zava-nitranga maharikoriko nihatra tamin'ny rahavaviny tao amin'ny trano fisotroana kafe iray izy tao anaty lahatsoratra izay efa olona maherin'ny 44.000 no nizara ny lahatsoratra ary maherin'ny 106.000 no nanao “tiako”. Araka ny voalazan'i Vodianova, mandany ny ankamaroan'ny androny amin'ny fitsangatsanganana ao amin'ny faritra manodidina ny tranony ny rahavaviny. Rehefa reraka izy, mitondra azy ao amin'ny trano fisotroana kafe akaiky indrindra ny mpikarakara azy. Tamin'ny herinandro lasa, raha iny handeha hipetraka sy haka aina izy ireo, nangataka tamin'izy ireo ny tompon'ny toerana hialan'izy ireo teo, nilaza tamin'ny mpikarakara an'i Oksana mba “hitsabo ny tenany [mpikarakara] sy ny zanany alohan'ny hisehoana vahoaka.”

Na izany aza, tsy azo resena lahatra hanao zavatra an-keriny na amin'ny fampitahorana ny olona ao anatin'ny toe-javatra iainan'i Oksana, ary nangataka fotoana kely tamin'ilay mpitantana ny fisotroana kafe ny mpikarakara azy mba handresy lahatra an'i Oksana hivoaka. Tsy nahandry ny tompon'ny toerana fa niantso mpiandraikitra ny filaminana. Rehefa tonga ny reniny sy rahavavin'i Oksana, nandrahona hiantso polisy ilay tompon'andraikitra. Rehefa vita izany rehetra izany, nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ao an-toerana ny roa tonta.

Nanipika i Natalia Vodianova fa tsy tranga maningana ny zava-nitranga tamin'ny rahavaviny, fa zava-misy eo amin'ny fiainan'ireo olona sy fianakaviana mila fitantanana manokana.

“Andeha isika hanampy ireo fikambanana mpanao asa soa izay miasa isan'andro hanangana fiarahamonina iombonana ao  Rosia – hanampy miaraka amin'ny faniriantsika ho lasa fiarahamonina tsy manavakavaka,” hoy i Natalia Vodianova nanoratra. Ity mpilatro malaza ity ihany no filohan'ny fikambanana Naked Heart Foundation [2], izay efa niasa hatramin'ny taona 2004 ary miezaka manova ny fomba fijerin'ny fiarahamonina ny olona manana fahasembanana. Tamin'ny 2011, rehefa nahazo hery tamin'ny fahafantarana ny zavamisy iainan'ny sembana tao amin'ny fianakaviany, nanomboka ny “fandaharanasa [3] “Me [3]ndrika Hanana Fianakaviana Ny Ankizy Tsirairay” [3]i Vodianova.

Hatramin'ny nahazoany laza ratsy ho fahavalon'ny sembana, nanakatom-baravarana avy hatrany ilay trano fisotroana kafe tao Nizhny Novgorod, ary mety ho voasazy dimy taona an-tranomaizina ny tompony noho ny “fanosihosena ny maha-olombelona.” Mandritra izany, niantso ny vahoaka mba hilamina i Vodianova, mangataka amin'izy ireo mba “tsy hamindra ny tsy fandeferana amin'ny hafa.”

Tsy navelan'ny polisy ao an-toerana hiala maina anefa ilay trano fisotroana kafe. Vao haingana ny manampahefana avy ao amin'ny Rospotrebnadzor (Sampan-draharaha misahana ny zon'ny mpanjifa sy ny mahasoa ny olona ao Rosia) no nanao fisavana tao amin'ny trano fisotroana kafe “Flamingo,” ka nampandoa lamandy (voalaza fa 3 tapitrisa robla [4], na $ 45.000) noho ireo karazam-panitsakitsahana fehezan-dalàna hita, anisan'izany ny tsy fisian'ny fepetra fisorohana ny fahamaizana sy ny tsy fisian'ny fidirana natokana hoan'ny sembana.

Rehefa nanontaniana tamin'ny sazy henjana nahazo ny tompon'ilay trano fisotroana kafe i Natalia Vodianova dia nilaza [5] fa tiany raha sazy fanaovana asa mahasoa ny vahoaka no omena ilay olona. “Mandroso soso-kevitra aho mba hanoloana ny lamandy ho asa an-tsitrapo ao amin'ny iray amin'ireo toerana fandehanana avy mianatra ho an'ny tanora,” hoy izy nanazava. “Angamba mety hoe idealista aho, saingy mino aho fa mety hitondra soa ho azy ireo izany”.