Mahazo Fitiavana Maro Avy Any India Ny Filoha Tale Jeneralin'ny Google, Sundar Pichai

Sundar Pichai, Filoha Tale Jeneraly vaovao an'ny Google, niteny Tamin'ny Kongresy Manerantanin'ny Finday 2015, tany Barselona, amin'ny maha-filoha lefitra zokiny amin'ny Android, Chrome sy Apps azy. Sary avy tamin'i Charlie Pérez. Fizakàmanana Demotix (2/3/2015)
Mifantoka any amin'ilay Filoha Tale Jeneraly vaovaon'ny orinasa, Sundar Pichai, 43 taona, daholo ireo maso any India, satria manao fanovàna lehibe amin'ny fanokafana orinasa vaovao lehibebe kokoa atao hoe Alphabet ny Google.
Olona an-jatony sy an'arivony no nifaly tamin'ny media sosialy raha tafiakatra teo amin'ny toerana matanjaka indrindra, ao amin'ny orinasa lehibe indrindra manerantany, Google, ilay teratany Indiana Pichai.
Looking forward to interviews with neighbors of Sundar Pichai and scenes of sweet distribution at his native village.
— greatbong (@greatbong) August 10, 2015
Tsy andry ny hitafatafa an-kafaliana tamin'ireo mpifanila vodirindrina amin'i Sundar Pichai, sy fisehon'ny fizaràna zavamamy ao amin'ny tanàna nahaterahany.
Satya-m (Nadella) is there. Sundar-am (Pichai) is there. Only a Shiv-am is needed to complete the Desi Trinity! 😝 #SundarPichai
— Mistress of Vices (@cyclopsee) August 11, 2015
Ao i Satya-m (Nadella). Ao i Sundar-am (Pichai). i Shiv-am sisa no ilaina hamenoana ny Desi Trinity! 😝 #SundarPicha
Sundar Pichai Became Google’s New CEO And The Indian Internet Could Think Of Only One Joke http://t.co/PLTbatyTbQ via @BuzzFeedIndia
— Shivam Vij (@DilliDurAst) August 11, 2015
Lasa Filoha Tale Jeneraly Vaovaon'ny Google i Sundar Pichai, Ary Hanihany Tokana Ihany No Eritreretin'ny Aterineto Indiana
Pichai, teraka Pichai Sundararajan, nitombo tao aminà trano misy efitra roa, niaraka tamin'ireo ray aman-dreniny, Lakshmi sy Regunatha, tao Madras (Chennai ankehitriny) tao amin'ny fanjakàna Indiana, Tamilnadu.
Manana ny maripahaizana Bakalorea amin'ny Teknolojia avy tao amin'ny Ivon-toerana Indiana ho an'ny Teknolojia Kharagpur, “Maitrise” tao amin'ny Anjerimanontolon'i Stanford ary MBA tao amin'ny Anjerimanontolon'i Wharton School any Pennsylvania. Taorian'ny nahazoany ilay toerana ambony, nahazo fitiavana lehibe tokoa avy tamin'ny firenena nipoirany sy ny fanjakana i Pichai, izay tsy mba fanta-bahoaka loatra tany India.
Misy adinà fanoratana goavana tokoa ao amin'ny lahatsoratra Wikipedia momba azy– eo amin'ireo vondrona roa avy aminà sekoly roa samy hafa — milaza fa nahazo ny alma mater tao aminy izy talohan'ny nidirany tao amin'ny Ivon-toerana Indiana amin'ny Teknolojia, Kharagpur.
Dear @sundarpichai, your school name in Wikipedia has been alteretd many times today, everyone wants you as alumni http://t.co/mcGFR3h8bL
— Dhanya Rajendran (@dhanyarajendran) August 11, 2015
Ramose hajaina @sundarpichai, imbetsaka nisy nanova androany ny anaran'ny sekolinao ao amin'ny Wikipedia, samy tia hanana anao ho mpianatra tao aminy teo aloha daholo ny rehetra
Nisaotra ny rehetra tamim-panetren-tena sy feo malefaka i Pichai:
Its been overwhelming to see such generous and warm responses from many dear friends, colleagues and strangers – heartfelt thanks.
— sundarpichai (@sundarpichai) August 12, 2015
Tena maha-safononoka tokoa ny mahita valin-kafatra feno fitiavana sy mahafinaritra avy amin'ireo namana, mpiara-miasa ary olon-kafa maro avy any ivelany – fisaorana eram-po.
Nisy mihitsy aza ny mpampiasa Twitter nizara sarin'i Pichai nasiam-panovàna, mba hifalifaliana fotsiny:
Pic 1: Sundar Pichai Pic 2: Gandi Pic hai. pic.twitter.com/DQMalpY3Un
— Chikoo (@TweetErrant) August 12, 2015
Pic 1: Sundar Pichai (afaka manambara ihany koa hoe “sary tsara” amin'ny fiteny Indiana maro), Pic 2: Sary ratsy
Mpampiasa Twitter iray, Gabbar, nandefa hanihany momba ny fahombiazana goavan'i Pichai, nanisy teny ny “Rajnigandha” izay milaza fa hitondra fahombiazana ny fitsakotsakoany ny siligaoma manome hanitra ao am-bavany :
I am surprised so many Indians are taking over as heads of Global organisations without chewing Rajnigandha Paan Masala.
— Gabbbar (@GabbbarSingh) August 11, 2015
Gaga aho hoe Indiana maro no tafiakatra ho filohan'ireo fikambanana Manerantany maro kanefa tsy mitsakotsako Rajnigandha Paan Masala akory.
Ny vinan'i Pichai
Haingana, taorian'ny nidirany tao amin'ny Google ny taona 2004, lasa hery ao ambadik‘ilay fivoriana isan-taona Google I/O fanaon'ireo mpanoratra rindrambaiko i Pichai, ary izy no nitantana ny fisahanana ny vokatra Google Chrome, Chrome OS ary Google Drive.
Namaly izao i Pichai, taminà lahatsary tafatafa momba ny “Verge” ny volana Jona, raha nanontany azy ny mpanontany hoe ahoana ny fihetseham-pony amin'ny hoe “miezaka ny manome ny olona rehetra solosaina matanjaka any am-paosiny i Google”:
[..] Ny zavatra tena manintona ahy amin'ny Google sy amin'ny Aterineto amin'ny lafiny rehetra, dia izy mpampitovy lenta lehibe, ary amiko, tena variana tamin'ny fomba fiasan'ny Google search foana aho hatrizay hoe mitovy foana ny tolotra omeny rehefa tafiditra amin'ny solosaina misy Aterineto ianao, na ankizy any ambanivohitra rehetra any ianao, na mpampianatra ao amin'ny Stanford na Harvard [..]
Namaly izao indray i Pichai raha nanontaniana momba ny “sampana samihafa ao anatin'ny Google izay manao zavatra tsy eritreretina”:
Ataonay izy ireny, satria mino izahay fa manana andraikitra lehibe izay mitombo lalandava amin'ny famahàna oloana ny rindrambaiko, izay zavatra tsy nataony teo aloha. Noho izany, amiko, rehefa mijery fiara aho, mandany fotoana tena betsaka tokoa amin'ny fiara ny olona, fitaovana tena tsy mba ampiasaina tsara ireny[…] Latsaky ny 10 isan-jato amin'ny tokony hampiasan'ny olona azy. Itanay ireny olana ireny ary hoy izahay hoe afaka mamaha io olana io amin'ny sehatra midadasika ve izahay, ary misy anjaran'ny rindrambaiko sy ny fahalalàna ara-informatika ve amin'io ? Raha toa ka toy ny mikendry ambony loatra na adaladala ilay ezaka, dia mandray fomba fiasa voarindra tsara izahay, eritreretina toy ny asa rehetra izy ireo fa mijery ny tena lavitra ezaka izahay, amin'ny fomba tena voarindra tsara. Mety ho lavitra ezaka be ny fikarohanay ary ataonay indrindra izany ao anatin'ny fikarohana[..] tsy fantatray mihitsy raha ho tanteraka ho lasa fampiasa azo ampiharina ny sasany amin'izy ireny, nefa tinay ny hanosika ny teknolojia.
Larry Page, Filoha Tale Jeneralin'ny Google teo aloha, ary Filoha Tale Jeneralin'ny Alphabet ankehitriny, nanambara momba io fiovàna lehibe io tao amin'ny bilaogin'i Google, toa milaza fa hiompana amin'ireo tetikasa goavana miaraka amin'ny Google ny Alphabet, amin'ny fanohizana hatrany ny fitaovam-pikarohany sy ireo vokatra hafa:
Tena nientanentana be tamin'ny fivoarany sy ny fanokanan-tenany ato amin'ny orinasa izaho sy i Sergey. Ary mazava ho anay sy ny ekipanay hoe efa fotoanan'ny hiakaran'i Sundar ho Filoha Tale Jeneralin'i Google izao. Tena mahatsapa ho manam-bitana aho manana olona manan-talenta toa azy, hampandeha ny Google izay somary nitsotsorika kely ihany, ary manome ahy fotoana malalaka hanohizana hatrany ireo zava-kinasanay.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...