- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolivia : Trano Fisakafoanana Mahazo Dera Noho Ny Fampandrosoany Malalaka Ny Reny Mampinono

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Sakafo, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta
sdfsfdsf

Ny vakin'ny tabilao : ” Neny, rehefa te-hampinono ianao, midira fa aza mangataka fahazoan-dàlana ary manafàra dite mafana maimaim-poana. Tsy mila mividy na inona na inona ianao.”

Nozaraina sy nankasitrahana nanerana ireo haino aman-jery ao an-toerana ny sarin'ilay trano fisakafoanana tsy mihinan-kena sy tsy mihinana ny rehetra vokatra avy amin'ny biby, [1] izay manasa ireo reny mampinono.

Red Monkey [2] no anaran'ilay trano fisakafoanana.

Tsy voarara ny fampinonoan-dreny imasom-bahoaka any Bolivia, ary araky ny voalazan'ny Ministerio de Salud (Ministeran'ny fahasalamana) dia i Bolivia no firenena Amerikana Tatsimo izay manana taha ambony amin'ny fampinonoan-dreny. [3]

Izany akory tsy midika fa ampiana na arovana ny fampinonoan-dreny amin'ny toerana vory vahoaka (ohatra, any amin'ny trano fisakafoanana ary vitsy kokoa eny an-dàlambe).  Noho io antony io no nahasintonan'ity fandraharahana kely manodidina an'i San Miguel ity ny fisainan'ny  maro.