Nampiasain'ny Nagasaki Archive ny Google Earth hanamboarana sarintany azo tsidihana maneho an'i Nagasaki taloha sy taorian'ny nidarohana baomba atomika ilay tanàna any atsimo andrefan'i Japana tamin'ny 9 Aogositra 1945.
Angonin'ilay tranonkala sy arindrany ireo torohay ilaina avy any amin'ireo tranonkala rehetra, ampifandraisiny amin'ny tantaran'ireo sisa velona ao amin'ny Youtube, ohatra, ny toerana marina nisy ireo olona ireo tany Nagasaki tamin'ny fotoana nipoahan'ilay baomba.
Ilaina amin'ny fampandehanana ny Nagasaki Archive ny fifandraisan'ny Google Earth amin'ny Windows na MacOSX 10.6+.
Manana tranonkala mitovy amin'io izay mampiseho ny daroka baomba atomika tany Hiroshima, sy ny Ady mihoson-drà tany Okinawa tany am-piandohan'ny 1945 izay nahafatesana olon-tsotra 150.000 ihany koa ilay tranonkala .