Taorian'ny Fipoahana Baomba 2 Tao Bangkok, Niara-nientana Ny Mpiserasera Thailandey

#StrongerTogether memes are widely shared on social media by Thai Internet users

Nozarain'ireo mpiserasera Thailandey manerana ny media sosialy ny meme #StrongerTogether.

#StrongerTogether memes are widely shared on social media by Thai Internet users.

Nidaroka ny afovoan-tanànan”i Bangkok ny fipoahana baomba roa tao anatin'ny roa andro misesy, izay rnamoizana ain'olona 20 sy naharatràna anjatony. Nahavoa ny Tempoly Erawan, toeram-pizahan-tany malaza, ny fipoahana voalohany, ary tao amin'ny tetezana Saphan Taksin kosa ny fipoahana faharoa izay tsy nisy ny niharam-boina.

Mbola eo am-panadihadiana ireo fipoahana roa ireo, izay mampitombo indray ny fihenjanana politika efa misy ao amin'ny firenena, ny manampahefana. Nandroba-pahefana ny tafika tamin'ny taon-dasa ary namolavola lalàmpanorenana vonjimaika, izay nitarika tamin'ny fanendrena miaramila manamboninahitra teo anivon'ny governemanta sivily tohanan'ny miaramila. Nampanantena hanatontosa fifidianana ny fitondrana miaramila amin'ny herintaona raha miverina amin'ny laoniny ny fanavaozana ara-politika sy ny fahamarinan-toerana ao amin'ny firenena.

Naneho hevitra mikasika ity fipoahana baomba ity ny mpiseraseraThailandey tamin'ny alalan'ny fanehoana firaisan-tsaina sy firaisankina tao amin'ny Twitter miaraka amin'ny diezy #StrongerTogether.

miaraka mandrakizay

24 ora taorian'ny fipoahana baomba, nitsidika ny Toeram-panasinana Erawan aho. Teny feno alahelo amin'ny teny Shinoa, Thailandey, Japoney sy Rosiana

Ny ampitson'ny fipoahana voalohany, Thailandey maro no nametraka voninkazo tao amin'ny toeram-panasinana Erawan:

Nametraka voninkazo sy jiro labozia ho an'ireo niharam-boina tamin'ny fipoahana baomba tao amin'ny Toera-panasinana Erawan ny olona

Mangina be ny toeram-panasinana Erawan androany hariva, vitsivitsy ny olona mandrehitra labozia sy manome voninahitra ireo niharam-boina

Taorian'ny fandefasam-baovao tamin'ny Alatsinainy hariva mikasika ny fipoahana baomba tao Erawan, dokotera marobe avy hatrany no nanolo-tena hanampy ireo niharam-boina. Hoy ny tatitra tao amin'ny Fampielezam-peom-bahoaka Thailandey:

There was another group of off-duty doctors who, after the bomb blast, rushed directly to emergency wards of their respective hospitals without being told or asked. They went there to help out, to tend to the patients out of their own free will.

Taorian'ny fipoahana baomba, Nisy vondrona iray hafa ahitana dokotera tsy tokony hiasa nirohotra avy hatrany tao amin'ny sampana vonjitaitra misy ny hopitaly iasan'izy ireo tsirairay avy kanefa tsy nisy nilaza na nangataka tamin'izy ireo. Nandeha tany izy ireo mba hanampy sy hitsabo an-tsitrapo ireo marary.

Ankoatra ny dokotera, nanolo-tena ihany koa ireo mpandika teny Shinoa, satria mpizaha tany avy ao Shina ny sasany tamin'ireo niharam-boina. Maro ihany koa ireo namaly ny antso amin'ny fanomezan-drà :

7:30 hariva, mbola lavabe ny filaharan'ireo olona te-hanome rà ao amin'ny Vokovoko Mena Thailandey -

Ankoatra ny famonoana sy fandratrana olona tsy manan-tsiny, mety hanimba ny indostrian'ny fizahantany ao Thailandy ihany koa ny fanafihana amin'ny daroka baomba. Efa maro ireo firenena namoaka fanambarana mikasika ny tokony hitandremana rehefa hisidina ho any Thailandy. Toa marobe  ihany koa ireo toerana nilaozana tanteraka ao Bangkok ny ampitson'ny fipoahana baomba tao Erawan:

Tsy mba toy izao mihitsy tamin'ny herinandro lasa (fiaran-dalambin'i Bangkok mitodidoha mankany amin'ny kianja nasionaly )

Tahaka ny tanàna haolo ny Central World  & tsenambarotra lehibe hafa ao afovoan'i Bangkok androany alina

8:20 pm – foana tsy misy olona ny garan'ny fiarandalambin'i Bangkok Siam

Niampanga ireo nahavita ny heloka fipoahana baomba ny Praiminisitra Prayut Chan-o-Cha, lehiben'ny tafika teo aloha ao amin'ny firenena. Niantso ho amin'ny firaisankina izy ary nandrisika ny rehetra mba hahatsara tena ho tompon'andraikitra rehefa mizara vaovao mikasika ny #BangkokBlast:

I would like to seek the cooperation from the media, including all social media agents, in providing news that will be constructive rather than news which expounds violence and destruction, either by video or sound clips or contentious commentary, which may have a misleading effect on ongoing investigations and create misunderstandings in our society.

Te hitady fiarahamiasa amin'ny haino aman-jery aho, anisan'izany ireo mpisehatra rehetra amin'ny media sosialy, amin'ny fanomezam-baovao hitondra fanavaozana fa tsy vaovao hiteraka herisetra sy fandravana, na amin'ny lahatsary izany na rakitsary am-peo na fanehoan-kevitra miteraka fifandirana, izay mety hisy fiantraikany amin'ny fitohizan'ny fanadihadiana ary hiteraka tsy fifankahazoan-kevitra eo amin'ny fiarahamonintsika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.