- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#AtTheEdge (Eo Amin'ny Rirany) : Fanentanana Mihantsy Ny Sivan'ny Haino Aman-Jery Any Malezia

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Journalists , activists, and concerned citizens gather in Penang, Malaysia to show solidarity to the campaign for the protection of free speech. Photo from Facebook page of 'Malaysians stand in solidarity with The Edge' [1]

Mpanao gazety, mpikatroka mafana fo ary ireo olom-pirenena velon'ahiahy nifamory tao Penang, Malezia mba haneho firaisankina amin'ireo fanentanana ho fiarovana ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra. Sary avy amin'ny Pejy Facebook-n'ny ‘Malaysians stand in solidarity with The Edge’ (Mijoro ho firaisankina amin'ny The Edge ny Maleziana)

(lahatsoratra amin'ny teny Anglisy nivoka tamin'ny 1 Aog 2015)

Eo am-pikarakarana [2]  fivoriana lehibe atao amin'ny 8 Aogositra ny vondron'ny haino aman-jery Maleziana sy ireo mpikatroka mafana fo taorian'ny nandidian'ny fitondràm-panjakana ny fampiatoana [3] gazety roa sy ny fibahanana ny tranonkalam-baovao izay mitatitra momba ny kolikoly goavana ataon'ny Praiminisitra Najib Razak.

Nanomboka taminà vondrona haino aman-jery dimy izay namorona ny tenifototr'ilay fanentanana #AtTheEdge [4] mba hanasongadinana ny firongatry ny sivana amin'ny haino aman-jery [5] ao amin'ny firenena ny Fiaraha-miasa ho amin'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety.

Ireto avy ireo vondrona ireo : ny  haino aman-jery Gerakan  Marah (Geramm), ny Ivontoeran'ny asa fanaovan-gazety, ny vondron'ireo mpanao gazety solontena vahiny any Malezia, ny mpanao gazety tsy voafehin'ny sisintany ary ny Foibe ho an'ny asa fanaovan-gazety tsy miankina.

Nampikatsoana ny  tranokalam-baovao Sarawak Report tamin'ny 19 Jolay, ary naato ny gazety roa mpiseho ao an-toerana an'ny vondron'ny haino aman-jery The Edge ny 27 Jolay. Nampiranty ny tsy mety ataon'ny 1Malaysia Development Bhd (1MDB), orinasa fampiasàm-bola tantànan'ny fanjakana izay voalaza fa nahatonga ny trosa maherin'ny iray lavitrisa dolara Amerikana, ireo orinasanà haino aman-jery ireo. Nanamafy ny famelabelaran'ny gazety Wall Street izay nilaza fa nahazo 700 tapitrisa dolara tamin'ny fandefasam-bola tamin'ny banky  [6] tamin'ny alàlan'ny 1MDB ny Praiminisitra Najib.

Mivantana any amin'ny governemanta avokoa ireo hataky [7] ny fanentanana #AtTheEdge :

1. Foano avy hatrany ny fampiatoana ny “The Edge Financial” isan-kerinandro sy ny “The Edge Financial” isan'andro.
2. Vahao ny fidirana ao amin'ny tranonkala mpanaitra Sarawak Report.
3. Hajao ny zon'ny Maleziana amin'ny fahazoam-baovao momba ny 1MDB.

Mpanao gazety sy mpikatroka mafana fo maherin'ny 70 no nifamory nanoloana ny biraon'ny ‘The Edge’ mba haneho ny firaisankina amin'ilay gazety naato tamin'ny 31 Jolay :

Mijoroa ho firaisankina amin'ny The Edge ao amin'ny biraon'ny The Edge amin'ny 31 Jolay amin'ny 3 ora hariva. Jom!

Solidarity action in front of The Edge office. Photo from the Facebook page of 'Malaysians stand in solidarity with The Edge' [17]

Hetsika firaisankina manoloana ny biraon'ny The Edge. Lazainb'ny PPPA ny lalànan'ny fanontana printy ny gazety sy ny fanaparitahana azy izay nolazain'ny manampahefana rehefa nampihantona ny The Edge ny fanjakana. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny  ‘Malaysians stand in solidarity with The Edge’ (Mijoro ho firaisankina amin'ny The Edge ny Maleziana)

Fivoriana mikendry ny hanetsehana ireo Maleziana velon'ahiahy any Kuala Lumpur ilay fivorian'ny 8 Aogositra, nomena anarana hoe 808.

Vetivety ilay fanentanana dia nahazo fanohanana avy amin'ireo sehatra maro. Efa nahazoana ‘Tia’ 9.000 ny pejy Facebook ‘Malaysians stand in solidarity with The Edge’ ( Mijoro ho firaisankina amin'ny Edge ny Maleziana). [18] Mandritra izany fotoana izany dia sonia 30.000 no voaangona tamin'ilay fangatahana tamin'ny aterineto ho fanohanana ny fanentanana #AtTheEdge. Manameloka ilay didy fampiatoana haharitra telo volana ho toy ny fikafika ataon'ny governemanta hanafenana ny marina ilay fanangonan-tsonia : [19]

Toy ny andrana atosiky ny fitiavan-tena tafahoatra mba hampanginana ireo maleziana te-hahalala zavatra ny fihetsiky ny Ministera ao anatin'ny fotoana iray maha-betsaka kokoa ny fanontaniana noho ny valiny azo omena momba ireo barofo goavana ara-bola.

Nambaran'ny biraon'ny Transparency International any Malezia fa toy ny fepetra [20] tsy misy vokany sy tsy amim-piheverana  [20] ny didy fampiatoana ny The Edge :

Tsy hanampy ny governemanta mihitsy ny fampiatoana ny gazety izay nitatitra ny barofo tao amin'ny 1MDB. Raha ny marina, dia hisy fiantraikany ratsy kokoa amin'i Malezia izany eo amin'ny  lazany iraisam-pirenena, ireo fiheverana ambony sy ireo fanamarihana hafa ao anatin'izany ny fiheveran'ny iraisam-pirenena ny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazetintsika.

Tsy tokony hisafidy ny ‘fanararaotana tafahoatra ‘ amin'ny fanafoanana ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ny governemantantsika ho antony hanoherana ireo tsikera. ‘Ndeha ho jerentsika ny zava-misy marina mialoha ny hanatanterahantsika ireo fepetra maro tsy amim-piheverana.

Tsindrian'i Francis Loh, filohan'ny vondron'ny mpisolovava Aliran, ny maha-zava-dehibe ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety [21] ao amin'ny fiaraha-monina :

…Tsy maintsy manana haino aman-jery mavitrika sy gazety tsy miankina izay sahy mitarika ny fanaovana gazety mpanao fanadihadiana toy ny nataon'ny The Edge sy ny Sarawak Report ny demokrasia iray. Tsy maintsy manome vaovao izy ireny ho an'ny rakyat [vahoaka], indrindra rehefa miteny andraso, andraso amin'ny rakyat ny manampahefana.