- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hosihosen'ny Kyrgyz mpanao rap ao amin'ny vaovao atao hip-hop ireo mpandray tsolotra

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kyrgyzstan, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina
Screenshot from Kloop.kg's official channel.

Pikantsary avy amin'ny fantsona ofisialin'ny Kloop.kg

Kloop.kg [1],vavahadim-baovao Kyrgyz tantanin'ny tanora malaza amin'ny fanandramana endrika vaovao no nanao izany indray.

Taorian'ny fivoahan'ny raharaha maloto resaka kolikoly nahavoapaingotra olo-malaza ara-politika maro ao Kyrgyzstan tamin'ny volana jolay, dia nomen'ny Kloop sehatra ny tanora mpanao rap anankiroa hitsikera ny rafitra politika tao amin'ny fandaharana vaovao fihaonan'ny hip-hop amin'ny folo maraina.

Avy amin'izao ireo tanora mpanao rap, Ermek Myrzabekov sy Mederbek Yrsaliyev, no namoaka [2] lahatsary maharitra roaminitra momba ny fisamborana ny mpikambana parlemantera Kyrgyz Hadzhimurat Korkmazov sy ny talen'ny kabinetran'ny prezidansa Daniyar Narymbayev.

Izy mirahalahy nosamborina ireo dia voampanga ho naka vola an-kendaroroka mitentina $100.000 avy amin'ny zanakavavin'ny Ben'ny tanànan'i Bishkek taloha — notazonina noho ny raharahan-kolikoly hatramin'ny 2012 — ho takalon'ny didim-pitsarana manafaka amin'ny fandraofana ny fananany, trano sy tany.

Ny iray amin'ny mpihira rap mamerimberina [2] momba ilay mpikambana parlemantera voasambotra:

Привет, коррупция. Встречай, вымогательства и взятки,

Теперь Коркмазов с правосудием играет в прятки.

Miarahaba ry kolikoly. Mihaona ny fakambola an-keriny sy ny tsolotra.

Ankehitriny i Korkmazov milalao ara-kiafina amin'ny fitsarana.

Ao amin'ny hirany ireo mpihira rap no manameloka ireo manampahefana sy ny any amin'ny fitsarana:

По идее тут выше всех должен быть судов система,

Но в прогнившем насквозь шальных денег в мире иная схема.

Тузы, шестерки, у короля в кармане перемены.

Навряд ли возможны, нет чистых лиц на старой сцене.

Raha a-nofinofy dia ambonin'ny zavatra rehetra ny rafi-pitsarana,

Saingy misy ny endrika hafa ao amin'ity lò ao amin'ny atidohan'ity tontolo hahazoana vola haingana ity.

As, enina, tazonin'ny Mpanjaka [Filoha] am-paosiny ny fiovana [karatra belôty?]. 

Tsy misy olona madio eo ambonin'ity kianja tranainy ity.

Ulugbek Akishev, tonia ao amin'ny Kloop.kg niteny tamin'ny Global Voices ho enaninona ny ekipam-pamoahana no nanapa-kevitra ny hanome sehatra ireo tanora mpanao rap ireo hanehoany ny talentany:

Мы хотели запустить видео репортажи о главных событиях недели, как это делают некоторые новостные агентства. Услышав первый трек ребят, мы связались с ними и решили пригласить их делать для нас такие репортажи, потому что рэп на социальные темы затрагивают. Ребята настояли, что видео будут посвящены отдельному событию.

Nitady ny andefasana lahatsarin-tatitra [fonony] amin'ny vaovao malazan'ny herinandro, araka ny fanaon'ny sampam-baovao, izahay. Taorian'ny fahitana ny sombiny voalohany nataon-dry zalahy, dia nifandray tamin'izy ireo izahay ary nanap-kevitra ny hanasa azy ireo hanao ireo tantaran-dahatsary ho anay satria fitaovana matajaka eo amin'ny firesahana olana ara-tsosialy ny fanaovana rap. Nikiry ry zalahy fa natokana ho amin'ny toe-javatra manokana ihany ny lahatsary.

Raha hijery ‘vaovao rap’ hafa ato amin'ny Global Voices, jereo ny tantaran'i Anna Gueye ao amin'ny ‘Ny vaovao vita rap’ Vaovao tsy manara-penitra avy ao Senegaly [teny malagasy] [3].