- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fotoanan'ny Afomanga Any Japana Ny Fahavaratra

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
Kobe Fireworks

花火 (Afomanga) tamin'ny “fetiben'ny afomanga mitsingevana” tany Kobe tamin'ny 2013. Sary avy tamin'ilay mpisera amin'ny Flickr  Xiaojun Deng [1]. Sary nampiasàna ny lisansa CC BY 2.0.

Midika ho andro fialantsasatry ny fahavaratra ho an'ireo mpianatra any Japana ny volana mafanan'ny Jolay sy Aogositra, betsaka ireo fianakaviana miverina any an-tanindrazany ary henika fetibe Japana.

Zavatra tsy andrin'ny maro amin'ny volan'ny fahavaratra ny afomanga. Mazàna dia fotoan-dehibe  ny fampisehoana afomanga manerana an'i Japana, ary matetika adiny iray no faharetana fara-fahakeliny.

Ny fetiben'ny afomanga ihany koa no ahafahan'ireo mpanao asa tànana manan-talenta mifaninana sy mijery izay ekipa afaka mamorona fampisehoana miavaka indrindra.

福井花火。 [2]

A photo posted by Fujio Kojima (@fujiwo) on

Afomanga tao amin'ny fari-piadidian'i Fukui ( 1 Aogositra 2015)

家族で福井花火。 [3]

A photo posted by Fujio Kojima (@fujiwo) on

Nandeha nijery fampisehoana afomanga ny fianakaviana. ( 1 Aogositra 2015)

Nisy fikarohana kely mahagaga tamin'ny tantaran'ny afomanga any Japana. Voalaza fa fomba fanao tamin'ny taonjato faha-16 izy io, [4]ary fampidiran'ny Eoropeana ny fitaovam-piadiana misy vanja tany Japana.

Afomanga teo amin'ny tetezan'i Ryogoku, reniranon'i Sumida any Edo – Hiroshige. Loharanon-tsary :  Wikimedia Commons [5].

Ambaran'ireo mpikaroka sasany fa avy amin'ny sampana miandraikitra ny fankalazana ny fahatsiarovana tamin'ny taonjato faha-17 tany Edo [6]  (Tokyo amin'izao fotoana) ho fahatsiarovana ireo matin'ny hanoanana sy ny valan'aretina kolera, ilay fomba fanao manan-danja, fampisehoana afomanga any Japana amin'izao fotoana izao.

Noho izany, satria fotoana ahazoana fahafinaretana any amin'ny fetibe sy eny amin'ny tora-pasika amoron-dranomasina ny volan'ny fahavaratra any Japana, ny fetiben'ny afomanga any Japana dia natao indrindra mandritra na manakaiky ny O-Bon, fotoana izay ahatsiarovan'ireo fianakaviana Japone maro ireo maty tamin'ny tapaky ny volana Aogositra.

Indraindray tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny O-Bon [7] ny fampisehoana afomanga.

Ao amin'ity lahatsary, tafiditra amin'ny fankalazana ny O-Bon tapaky ny volana Aogositra ity, dia miomana ho amin'ny toro-nagashi (灯籠流し), arendrina taratasy avalan-drano, ireo mpandray anjara. Voalaza fa mitarika ny fanahin'ireo maty hiverina any amin'ny tontolon'ny maty ny arendrina.

Matetika dia miverina any amin'ny tanindrazan'ny fianakaviany ireo mpandray anjara rehefa handray anjara amin'ny fankalazana.

Na izany aza, atao mandritra ny volana Jolay sy Aogositra ny fetiben'ny afomanga any Japana, ary tsy mifamatotra mandrakariva amin'ny fialantsasatry ny O-Bon-n'ny Aogositra.

PLA Art-n'ny fetiben'ny afomanga [8], Tondabayashi, Osaka.

Manao ny “fetiben'ny afo” mahagaga ihany koa ireo faritra sasany any Japana. Misy fomba fanao isan-taona isaky ny volana Aogositra izay ahitana fanilo hazo goavam-be arehitra mba ahazoana lelafo mahavariana any amin’ ny vondrom-piarahamonina kely amoron-dranomasin'i Oi [9]tokony ho adiny roa avaratr'i Kyoto.

Lasa raharaham-pianakaviana ny fijerena afomanga amin'ny fialantsasatry ny O-Bon. Miverina any an-tanindrazany ireo fianakaviana mba hijery ny fetiben'ny O-Bon-n'ny maty. Fotoana iarahan'ny fianakaviana sy fiaraha-mijery afomanga ny fotoam-pahavaratra, ary matetika lasa fotoam-pahatsiarovana sarobidy ho an'ny fianakaviana.

#花火 #江戸川 #花火大会 #綺麗だった [10]

A photo posted by Eri Hirakawa (@eringiccho) on

* #長良川#花火#祭り#花#浴衣#夏#岐阜#fireworks#flowers#summer#festival#yukata#gifu#japan [11]

A photo posted by @marronkana1226 on