- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Dokambarotra Mahazendana Anaty TV, Mahasarika Mpijery Maro

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
Screenshot from official toyotajpchannel on YouTube.

Pikantsary tao amin'ny Youtube an'ny toyotajpchannel [1].

Nisarika ny sain'ny media sosialy ao Japana ny dokambarotra iray tamin'ny fomba vaovao natao ho anà kojakoja fanolo amin'ny fiara japoney.

G Sports [2], an'ny Toyota no sady tantanany rahateo, dia namokatra dokambarotra iray tamin'ny fomba vaovao, nomena anarana hoe “G's Baseball Party” [3].

Ahitàna mpandeha an-tongotra miditra tampoka manatevina ny lalao amin'ny fisamborana ny baolina baseball ny fiaingàn'ilay lahatsary. Fisamborana mahazendana no ataon'ireo mpandray anjara, ary tsy mipoitra mihitsy ireo fiara nasiam-panovàna — izay heverina voalohany indrindra fa amidin'ilay dokambarotra — mandrapahatonga any amin'ny faran'ilay lahatsary tselatra.

Navoaka tamin'ny Martsa 2015 ilay lahatsary, ary hatreto dia mampitogaigy fa nahangona mpijery efa 8 tapitrsa ao amin'ny YouTube.

Araka ny ambaran'ireo media sosialy sasany, ny ampahany amin'ny antson'ilay dokambarotra dia tsy toy ny tena dokambarotra tanteraka no fahitàna azy:

Tena tsara kalitao tokoa ilay dokambarotra! Na heverina aza hoe tokony hivarotra karazam-bokatra vitsivitsy ry zareo, tsy hahatsapa velively ianao hoe namarotan-javatra. TPT.