- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahatohina An’i Shina Ny Fividianan’ny Vondron’orinasa Japoney Misahana Media Ny Financial Times

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Shina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
Photo from Flickr user: Gareth (CC: NC-AT) [1]

Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Gareth (CC: NC-AT)

Ny alakamisy alina (23 Jolay), nanambara ny fivarotana ny Vondron’orinasa Financial Times tamin’ny vola $ 1,32 lavitris tamin'ny Orinasa Japoney momba ny media Nikkei ny vondrom-panontàna Pearson, hetsika niteraka ahiahy teny anivon'ny Shinoa maro.

Nahatohina ny maro tao amin'ny indostrian’ny media ilay raharaha lafo vidy, satria nilaza ny tatitra teo aloha fa ny vondron’orinasa Alemàna Alex Springer no efa andalam-pamitàna fifanarahana hividianana ny Financial Times. Nahazendana an’I Beijing ihany koa ny vaovao, toa an’i George Chen, mpanangom-baovao avy amin'ny gazety South China Morning Post ao Hong Kong, nambara tao amin'ny Twitter.

Vao avy niresaka tamin'ny manampahefana Shinoa momba ny raharaha Nikkei-FT aho. “Marina ve? Tsy ekena izany! Ahoana no nahatonga an’izany! Aoka aho hitatitra amin'ny mpampiasa ahy”, hoy ilay manampahefana.

Iray amin'ireo media Tandrefana famoahana vaovao matanjaka indrindra amin'ny fandrakofana ny fandraharahana Shinoa ny Financial Times. Ankoatra izany, manana fifandraisan’ny mpinamana amin'ny governemanta Shinoa ny gazety [3], raha oharina amin'ny famoahana vaovao Tandrefana hafa

Naorina tamin'ny taona 1888, manana birao telo any Shina — Beijing, Shanghai sy Hong Kong ilay gazety izay mitatitra betsaka momba an'i Shina. Natomboka 10 taona lasa izay  [4]ny dika amin'ny fiteny Shinoa, FTChinese, ary manana fipariahana tsara aza. Lasa famokarana media vahiny voalohany nanao tafa tamin’i Li Keqiang ny FT tamin'ny volana Martsa tamin'ity taona ity, fahafahana miavaka raha dinihana ny fihetsika mifanohitra ataon’i Beijing amin’ny fikambanana vahiny misahana ny fampahalalam-baovao.

Raha jerena ny tsy fifankahazoana hatry ny ela eo amin'i Shina sy Japana tamin'ny heloka bevava momba ny ady nataon’ny Japoney nandritra ny Ady Lehibe faha-II ary koa ny disadisa ara-jeopolitika tany Azia, betsaka no nanontany tena hoe ahoana, raha misy izany, ny fiovàna tompo no mety hisy fiantraikany amin'ny fanitarana ny Financial Times any Shina sy ny fandrakofany ny vaovao ao amin’ny firenena.

Mahita lafy ratsiny momba ny hoavin'ny gazety i George Chen:

Mety misy dikany ara-bola ny raharaha FT-Nikkei, fa politika hendry, hisy fanamby GOAVANA any Azia. MARO koa ny fifanandrinana ara-kolontsaina amin’ny vondron'orinasa amin’ny ho avy!

Ny famelàna ny Japoney hividy ny FT no zavatra farany tian’i Shina ho hita. Hahita fialantsiny betsaka kokoa hitarainana momba ny fandrakofan’ny FT an’i Shina i Beijing

Fa nandinika ny raharaha amin'ny fomba fijerin’ny mpampiasa vola i Zhang Xin, ilay Filoha Tale Jeneralin'ny SOHO, orinasa misahana fampanànan-trano, ary nino fa [7] tsy hosimbain'ny Nikkei ny fitokisana ny gazety :

FT卖给Nikkei后还能保持英国新闻的优良传统“新闻独立”吗?当然被操控的媒体是没有读者的,谁会花这么多钱买一个没人读的报纸呢?还是相信买家的智慧吧。但也不能低估文化传承的固执。日本文化的“礼貌和尊重”也是追求真理道路上的障碍。

Afaka manaraka ny fomba fanaon’ny asa fanaovan-gazety Britanika sy hijanona ho mahaleotena ve ny FT taorian'ny nivarotana azy tamin’i Nikkei? Mazava ho azy, ho very mpihaino izay media rehetra voabaiko. Iza no hividy gazety tsy misy olona mamaky? Tsara kokoa ny miantehitra amin'ny fahendren’ny mpividy. Fa mety hisakana ny fizotry ny gazety amin’ny fitadiavana ny marina ny rarintsaina noho ny  “fomba fanao sy ny fanajana” ny kolontsaina Japoney.

Raha tsy eritreretina ny fanomezan-toky [8] nataon’ny Nikkei fa tapa-kevitra izy ny hitàna ny “kalitao, ny tsy fombàna ny atsy sy ny aroa ary ny fahazoana antoky ny gazety amin'ny asa fanaovany gazety sy ny fomba fijery maneran-tany”, ny valintenin’ny nasionalista no nameno ny media sosialy Shinoa taoriana kelin'ny namoahana ny raharaha ho fanta-bahoaka, ny sasany aza miantso ny fanaovana ankivy ny gazety.

Satria maika te-hanitatra ny fahefany ara-politika amin’ny faritra sy maneran-tany i Shina, maro ireo Shinoa mpampiasa aterineto no nanontany hoe nahoana no tsy novidian'ny vondrona mediam-panjakana ilay gazety. Naneho hevitra momba [9] ity tantara mampitolagaga ity tao amin'ny Weibo, sehatra media sosialy Shinoa malaza, i George Chen:

BREAKING:日本經濟新聞社(Nikkei)剛剛正式對外宣布全面收購英國金融時報(Financial Times),交易作價近13億美金。125年歷史的FT易手,結果被日本人拿下,全世界震驚。此交易意義深刻,對日本提升世界軟實力和全球話語權有深遠影響!(人民日報沒有參與投標嗎?才13億美金啊!)

Vaovao farany: avy nanambara ny fahazoany ny Financial Times Britanika ny Nikkei. Mitentina US $1,3 lavitrisa eo ho eo ny raharaha. Lasa fananan’ny Japoney ankehitriny ny FT, gazety izay 125 taona teo amin'ny tantara. Nahatohina izao tontolo izao ny vaovao. Hampidi-doza ihany koa ny ho fiantraikan'ilay famarotana, satria toa hanampy an’i Japana hampitombo ny fahefany malefaka eo amin'ny politika maneran-tany ny gazety. (Nanao tolobidy ve ny People's Daily? US $ 1,3 lavitrisa monja no vidiny)

Nanao fanamarihana tao amn'ny fametrahana fanehoankevitra ny olona hafa:

13亿美金?还不够中铁一个副总工贪污的呢。

US $ 1,3 lavitrisa? Latsaka kokoa noho ny volan’ny kolikoly nataon’ny injeniera lefitra ao amin’ny Kompanian-Dalambỳ any Shina io vola io.

人民日报没有买,这是我国大外宣工作的严重失误!

Hadisoana goavana amin’ny fampielezan-kevitra ara-diplomatikan’ny firenentsika ny tsy nahafahan’ny People's Daily nividy ilay gazety.

Fa nihomehezan'ny [10] sasany ny nasionalisma:

人民日报忙着日人民呢

Tototra loatra amin’ny fametavetana ny vahoakany ny People's Daily.

如果人日买了,就不用看了。

Raha ny People's Daily no nividy azy, tsy hamaky ny [FT] intsony isika.

希望人民日报买了,把全球变成一家堂 ,省着总出各种谣言。让世界山河一片红。呵呵

Antenaiko hovidian’ny People's Daily daholo ny gazety rehetra ary hovainy izao tontolo izao ho mpitondra teniny. Amin’izay mety tsy hisy “tsaho” maro toy izao. Ndeha havaditsika ho lasa mena daholo ny tendrombohitra sy renirano eto amin'izao tontolo izao. Haha.