Tantara tamin'ny 15 Aogositra 2015
Japana: Dokambarotra Mahazendana Anaty TV, Mahasarika Mpijery Maro
Miparitaka be ao Japana ny dokambarotra iray mahazendana miresaka lalao baseball.
India : Tsy Ny Ara-Pahasalamana Ihany No Voakasiky Ny Tsy Fisian'ny Trano Fivoahana
Mitarika ny sotasota ara-nofo atao amin'ireo tovovavy sy ny vehivavy ny fangerena an-kalamanjana, ary ireo fitaovan'ny rafi-panavakavahan-tsaranga ao amin'ny firenena dia 'ny tsy fikitika' no natao hanadio ireo maloto any amin'ny faritra sasany, amin'ny alàlan'ny tànana.
Nahatohina An’i Shina Ny Fividianan’ny Vondron’orinasa Japoney Misahana Media Ny Financial Times
Raha jerena ny tsy fifankahazoana hatry ny ela eo amin'i Shina sy Japana tamin'ny heloka bevava momba ny ady nataon’ny Japoney nandritra ny Ady Lehibe faha-II ary koa ny disadisa ara-jeopolitika tany Azia, maro ny Shinoa no tsy nandray ny vaovao ho tsara.
Manakombona ny Vavany amin‘ny “Scotch” Ny Mpiangaly Mozika An’Arabe Ao Maosko Mba Hanoherana Ny Famoretana Ataon’ny Polisy

Ny mpiangaly mozika an’arabe ao Maosko maneho fanoherana amin’izay lazainy ho fanagadràna tsy ara-dalàna ataon’ny polisy sy ny sazy ara-bola mihoa-pampana manitsakitsaka ny zony sy ny fahalalahany ara-javakanto.
Manery Ny Governemanta Hanasazy Ny Uber Ireo Mpamily Taxi Ao Hong Kong
Manery ny governemanta mba hanasazy ireo tolotra mpanofa fiara tsy manana fahazoan-dalana tahaka ny Uber sy ny GoGo Van ireo mpamily taxi. Saingy milaza ny mpanjifa fa ahitana tombotsoa maro ny fahafahana mifidy tolotra fanofana fiara.
Ireo Nizeriana Miverina Any Amin'ny Lisea Miaraka Amin'ireo Bitsika Mahatsikaiky An'arivony
Manana laza ho 'misakafo tsara' ireo mpiandraikitra ny trano fisakafoana any amin'ireo lisea Nizeriana, miaraka amin'ny fahazaran-dratsy 'mivarotra' ny sakafo tokony ho an'ireo mpianatra sasany.
Afaka Miresaka Ny Fiovàn'ny Politika Momba Ny Fako Ao Libanona Ve?

Misy hetsika ara-politika miforona miaraka manodidina ny tsy fankasitrahan'ireo olom-pirenena Libane ny fomba fanao tsy mendrika ataon'ny governemantany amin'ny fanariana ny fako.
Tsy Ireo Vondrona Mpikirakira Rongony Intsony No Loza Lehibe Indrindra Mitatao Ho An'ireo Meksikana Mpanao Gazety
Ankehitriny, ireo tomponandraiki-panjakana sy polisy no ahiahiana ho nanao ny ankamaroan'ireo fanafihana mpanao gazety.
Japoney Mpanao Zavakanto, Manao Asa Mahavariana Mampiseho Ny Fiainana Isan'andro Amin'ny Alalan'ny Broccoli, Fitazonana Taratasy Sy Singa Elektronika
Manao fanehoana ny fiainana amin'ny hakelezany mahafinaritra, amin'ireo fitaovana fampiasa isanandro ny Japoney iray mpanao zavakanto, ary nahazo mpanjohy maro tokoa ao amin'ny Instagram.