Tsy navela hamaly ny fiampangan'ilay mpampanoa lalàna Iraniana ny mpisolovavan'ilay mpanao gazety

Jason's wife Yeganeh Salehi and mother Mary Rezaian at the courthouse. Image from ICHRI and used with permission.

Yeganeh Salehi vadin'i Jason sy ny reniny Mary Rezaian ao amin'ny lapan'ny fitsarana. Sary avy amin'ny ICHRI ary nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Ity tsanganana ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny iranhumanrights.org ary navoaka eto indray ho fiaraha-miasa amin'ny fanentanana iraisampirenena hanajana ny zon'olombelona ao Iran. 

Ny fandavana ankarihary tsy hanaovana ny fombam-pitsarana hita tamin'ny andro farany nitsarana an'i Jason Rezaian tamin'ny 15 aogositra 2015, rehefa tsy navela haneho ny fandresen-dahatra hamaliana ny mpampanoa lalàna, no manamafy ny maharesaka politika sy nisian'ny baiko mialoha ny fitsarana ilay mpanangom-baovaon'ny Washington Post, izay nandany ny herintaona farany tany amponjan'i Iran.

“Tamin'ny alatsinainy aho nanolotra ambava ny fiarovana ny olona arovako saingy tsy nisy ny fotoana nahafahako namaly ny zavatra nolazain'ny solontenan'ny mpampanoa lalàna. Na izany aza dia nametraka valiny an-tsoratra tamin'ny fitsarana aho,” hoy ny mpisolovavan'i Rezaian, Leila Ahsan, tamin'ny ISNA (Ny Sampam-baovaon'ny Mpianatra Iraniana).

Mpitatitra iray niteny amin'ny Fanentanana Iraisampirenena Hanjakan'ny Zon'Olombelona ao Iran (ICHRI) ny nilazan'ny renin'i Rezaian tamin'ny mpanangom-baovao fa tsy nisy olona afaka nanao antsafa tamin'ny vadin'i Jason, Yeganeh Salehi, satria voarara tsy mahazo miresaka amin'ny fampitam-baovao io vadiny io.

Ny Mpitsara Salavati, avy amin'ny Sampana faha-15 an'ny Fitsarana Revolisionera, no nitarika tamin'ny raharaha Rezaian. Manana tantara lava eo amin'ny fifandraisana akaiky amin'ny sampam-pitsikilovan'ny Mpiambina Revolisioneran'i Iran i Salavati, ary izy hatrany no alain'ny rafi-pitsarana nhitarika amin'ny raharaha misy idiran'ny politika, satria nolazaina fa malaza amin'ny fanomezana didim-pitsarana henjana dia henjana izy.

Ny fanakonan'i Salavati ny asan'ny fiarovana sy ny fandavany hmela ny vadin'i Rezaian sy ny reniny hahita imaso ny fitsarana tsy atrehin'ny besinimaro dia efa marika hafa indray amin'ny [fitongilanan'ny] fombafombam-pitsarana sy ny mahaendrika politika ny fitsarana an'i Rezaian.

Nandritra ny fotoana nahatany am-ponja an'i Rezaian tao Iran dia natao hatrany izay tsy isian'ny fitsarana tokony atao aminy. Nosamborina izy ary tsy nolazainy taminy mihitsy ny vesatra iampangana azy, tsy navela hisafidy izay hanolo-tsaina azy izy, ary tsy navela hisolotena feno sy mahomby azy mandritra ny fitsarana izay mpanolotsainany.

Mpikatroka iray teo aloha izay notsarain'ny Mpitsara Salavati noho ny raharaha mifandraika amin'ny famoretan'ny fanjakana ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana tohin'ny fifandirana momba ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2009 no niteny tamin'ny ICHRI, “Nandritra ny fitsarana ahy dia nilaza zavatra betsaka izay tsy marina ny mpampanoa lalàna fa rehefa anjaran'ny mpisolovavako no niteny dia notapahin'ny Mpitsara Salavati avy hatrany izy minitra vitsivitsy avy eo… Izany no nitranga rehefa azoko an-tsania fa tsy misy dikany ny manolotra teny fiarovana amin'ny alalan'ny mpisolovavako ary resy lahatra aho fa efa fantatr'ilay mpitsara mialoha ny didim-pitsarana raha mbola tsy nanomboka akory ny fitsarana.”

Ny Sampam-Baovao Farsi, ny gazety Vatan, sy ireo seha-baovao manana fifandraisana amin'ny Mpiambina Revolisionera sy ireo vondrona henja-pitenenana hafa no miampanga an'i Rezaian ho manao asam-pitsikilovana sy nahavita heloka bevava tamin'ny fiarovam-pirenena volana maromaro talohan'ny nanombohan'ny fitsarana azy—fiampangana tsy mari-pototra izay lasa ivon-dresaky ny fampanoavana.

Heverina hivoaka ao anatin'ny herinandro ny didim-pitsarana amin'ny fiampangana an'i Rezaian, izay ahitana ao anatiny ny  “fitsikilovana” sy ny “fiarahamiasa amin'ny fanjakana fahavalo,” hoy ny mpisolovavany Leila Ahsan tamin'ny ISNA.

Raha tarafina avy amin'ny alalan'ny fifanarahana ara-nokleary sy ny mety isian'ny fihatsaran'ny fifandraisana eo amin'i Iran sy ny governementa tandrefana, dia naneho ny fanantenany ny renin'i Rezaian fa ho afaka vetivety ny zananilahy. “Mpanangom-baovao tahaka anareo i Jason ary mitovy amin'ny anareo ihany ny loharanom-baovaony,” tsonga-tenin'i Mary Rezaian navoakan'ny ISNA.

“Fotoana izao hamaranan'ny mpitarika ambony eto Iran izao ‘fombam-pitsarana’ marary izao. Mendrika ny esorina amin'i Jason sy ny vadiny, Yeganeh, izay afaka vonjimaika rehefa nandoa dinan-tsazy, ny vesatra iampangana azy ireo ary averina amin'izy ireo ny fahafahany sy ny fiainany,” hoy i Martin Baron, tale mpanatanteraky ny The Washington Post tamin'ny fanambarana iray tamin'ny 10 aogositra 2015.

Mizaka ny zom-pirenena Iraniana sy Etazonia i Jason Rezaian, 38 taona, ary masoivohon'ny Washington Post ao Tehran hatramin'ny 2012. Nosamborina tao Tehran tamin'ny 22 jolay 2014 i Rezaian sy ny vadiny, Yeganeh Salehi, izay miasa amin'ny gazety iray ao Emirà Arabo Mitambatra The National ho solontenan'izy ireo ao Tehran. Navotsotra tamin'ny Oktobra 2014 i Salehi fa mbola any am-ponja kosa mandritra izany fotoana izany i Rezaian.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.