- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taom-bolamenan'ny firenena mampanembona ny Singapaoreana ao amin'ny aterineto

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika, Vaovao Tsara
Start of the jubilee weekend. Photo from the Facebook page of Singapore50 [1]

Fanombohan'ny faran'ny herinandron'ny jobily. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Singapore50

Nosy mahantra i Singapaora raha lasa firenena nahaleotena tamin'ny 1965. Saingy tao anatin'ny 50 taona farany dia niofo ho tanàndehibe manerantany manankarena izy. Izany no tantara hankalazain'ny mponina manerana izao tontolo izao noho ny fanamarihan'ny [2] firenena ny faha-50 taona niorenany tamin'ny 9 aogositra.

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izao dia nandray anjara tamin'ny fanombohan-javatra isankarazany ho fampahatsiarovana ny zavabita ijoroan'izy ireo vavolombelona amin'ny mahafirenena azy ny Singapaoreana. Ny sasany amin'ireo tetikasa antserasera dia nampanembona olona maro — indrindra ireo mampahatsiahy an'i Singapaora taloha.

Raisina ho ohatra ny nananganan'ny studio iray mpanao endrika telorefy (3D) lahatsary maro mampiseho fanorenana antitra maro sy famantarana maro izay tsy misy intsony amin'izao fotoana izao. Mandritra izany fotoana izany ny diezy Twitter #GrowingUpSingaporean [3] nampientana mpiserasera maro hizara ny fahatsiarovany fahazaza.

“Ireo vaovao tsaran'ny andro fahiny”

Tamin'ny fampiasana fikirakirana sary amin'ny solosaina dia namoaka lahatsary [4] maro i Sixtrees izay “namerina” ireo fanorenana sy famantarana malaza izay tsy hitan'ny tanora amin'izao fotoana izao eny an-dalamben'i Singapaora intsony.

The main objective is to relive memories for the earlier generation and introduce these to the younger ones for a deeper appreciation of the Lion City’s rich history and rise to success.

Ny tanjona voalohany dia ny hamelomana indray ny tsiaron'ireo taranaka taloha sy hampiditra amin'ireo tanora ny tantara lalin'ny Tanànan'ny Liona sy ny fisandratany mankany amin'ny fahombiazana.

Ho an'ny Singapaoreana, ny lahatsary dia azo ampiasaina ho fitaovana vaovao hampianarana ny tantaran'ny fiarahamoniny. Ho an'ny tsy Singapaoreana, ohatra mahatalanjona amin'ny fampiasana ireo teknolojia vaovao izay hamerenana ho toy ny tena izy ireo fanorenana nanamarika toerana iray manokana.

Indreto ambany indreto ny sasantsasany amin'ny lahatsarin'ny ‘vaovao tsaran'ny andro fahiny’ ao Singapaora:

1. Ny Teatra Nasionalin'i Singapaora [5]. Ny Lapan'ny teatra dia noravaina [6] tamin'ny fiandohan'ny taompolo 1980

2. Ny Lion'ny Tetezan'i Merdeka [7]. Efa napetraka any amin'ny sekoly miaramila iray amin'izao fotoana izao ireo liona manandaza niambina ny tetezana tamin'ny 1950s

3. Garan-damasinin'ny Tanjona Pagar [8]. Nosokafana tamin'ny 1932 ny gara ary nakatona tamin'ny 2011.

#GrowingUpSingaporean

Nanjary be mampiasa ny diezy Twitter #GrowingUpSingaporean rehefa navitrika nizara ny fahatsiarovany nandritra ny fitomboany tao amin'ny firenena ireo mpiserasera. Maro amin'ireo sioka no ahitana tantara mahaliana amin'ny fiainana talohan'i Singapaora taloha izay tsy mahazatra ny ankizy ankehitriny intsony. Indretony sasantsasany amin'ireo sioka nampiasa ny diezy:

mividy gaoma, mikitika agrafy ao anatiny, izay mamandrika tahaka ny hareza

Tsy miantso ny fampisehoana amin'ny fahitalavitra amin'ny anarany izahay fa miantso azy amin'ny ora andehanany tahaka ny hoe “fampisehoana amin'ny fito”, ” fandaharana amin'ny sivy”

Ny ankizin'ny taona 90s ihany no mahay azy.

Ireo singan-gazety voalohany taty amintsika.