Manova Ny Fiainan'ny Tsirairay Ny Olan'ny Tsy Fahampian'ny Angovo any Zambia. Ary Tsy Amin'ny Tsaratsara Kokoa.

The Kariba Dam. Photo by Adam Ojdahl, March 9, 2015. CC 2.0.

Ny tohodrano Kariba. Sary avy tamin'i Adam Ojdahl 9 Martsa 2015. CC 2.0.

Namely an'i Zambia ny fahatapahan'ny herinaratra nanerana ny firenena tamin'ny voalohan'ity taona ity, nahafaty ny herinaratra tao Losaka renivohitra sy Copperbelt, faritra misy fitrandrahana harena ambanin'ny tany any avaratra. Volana vitsivitsy taorian'izay, nampiditra ny “fahatapahan-jiro mifandimby” tamin'ny faritra maro tao amin'ny firenena, mba hizarazaràna ny famatsiana herinaratra, ny orinasanà herinaratra “Zambia Electricity Supply Corporation” (Orinasa Mpamatsy Herinaratra an'i Zambia), fantatra kokoa amin'ny fanafohezana hoe ZESCO.

Tsy hoe namely ireo mpanjifa tsotra fotsiny ilay fizarazaràna herinaratra, izy ireo izay lasa miady amin'ny fitsinjaràna ny fijerena fahitalavitra sy ny fitazonana ireo entam-barotra tsy ho simba, fa ihany koa manimba ireo orinasa mpivarotra izay miankina amin'ny herinaratra ny fihodinan'ny asany. Mandrahona ny hampiato mpiasa amin'ny asany mihitsy ireo orinasa sasany mpitrandraka harena ambanin'ny tany, taorian'ny nanambaràn'ny ZESCO ny famerana vaovao ny herinaratra afaka vatsiany amin'ireo mpitrandraka any Zambia.

Azo avy amin'ny Fefilohan'i Kariba ny ankamaroan'ireo herinaratry ny firenena, ao amin'ny Reniranon'i Zambezi manamorona an'i Zimbaboe, sy ao Kafue Gorge amin'ny Reniranon'i Kafue, tsy lavitra an'i Losaka.

Misy ireo vondrona sasany maneho ahiahy amin'ny antony ofisialy nolazaina momba ny fahatapahan'ny herinaratra: tena kely ny haavon'ny rano ao amin'ny Farihy Kariba sy Itezhi Tezhi, any ambonin'i Kafue Gorge.

Mandà ny filazàna ny haavon'ny rano ao amin'ny tobin-drano ho anton'ny fahatapahan-jiro i Edith Nawakwi, mpitarika ny Sehatra Firesahan'ny Mpanohitra ho an'ny Demokrasia sy ny Fampandrosoana (ary minisitry fahiny nisahana ny angovo tamin'ny taona 1990), milaza izao izy:

Tantara fotsiny ny resaka hoe tsy misy rano ao amin'ny Kariba, satria efa Minisitry ny Angovo aho ary tsy maintsy mampahatsiahy ireo vahoaka fa tamin'ny taona 1994 isika tsy nisy orana nandritra ny roa taona nifanesy, ary tsy nisy izany zavatra tsy misy fotony izany teto. Ny olantsika amin'izao dia nataon'ity governemanta ity fangalàna lelavola mivantana amin'izay alehany ny ZESCO, ary angalàny vola handoavana ny karaman'ny governemanta, ka ankehitriny rehefa mila lelavola ny ZESCO hividianana ireo fanodinana angovo sy misy zavatra tokony amboarina, tsy manam-bola intsony izy.

Nanome antony tena hafa amin'io mihitsy momba ny resaka fahatapahan-jiro manerana ny firenena ilay vohikala tsy miankina amin'ny fanjakana Zambian Watchdog, amin'ny fanamelohana ireo milina mpamokatra angovo napetraka tao Kariba sy tao Kafue Gorge nandritra ireo fanavaozana vao haingana.

Sino Hydro Power, ilay Orinasa Shinoa izay nataon'ny governemanta PF hanavao sy hikarakara ireo tobin'angovo Kariba North Bank sy Kafue Gorge, dia nametaka fitaovana ambany noho ny fenitra ilaina sy mora vidy, izay manana fahafaha-mamokatra ambany noho ireo milina teo aloha vita Britanika hitan'izy ireo tao sy nosoloiny…. Izany no mahatonga ny fahatapahan-jiro, araka ny mpiasa ambony ao amin'ny ZESCO sy ireo tomponandraiki-panjakana.

Mitanisa loharano ihany koa ny Zambian Watchdog, izay milaza fa avy tamin'ny Eurobond 2012 ny vola nampiasaina ho an'ny fanamboarana ireo tobin'angovo roa ireo:

Nesorin'io orinasa io ireo milina vita Britanika sy ny kojakoja mifandray aminy, izay napetaka teo taona maromaro lasa izay. Fa raha toa ka tokony nampitomboiny ny tanjaka fahafahan'ny milina mamokatra, novaina ireo mombamomba azy noho ny kolikoly ary nofitahana ireo Zambiana hoe nisy milina lehibebe kokoa napetaka, kanefa izy ireo tena ambany fahafaha-mamatsy sy tsy manara-penitra raha oharina amin'ireo milina teo aloha. Sahala amin'ny hoe mametaka kodiarana kely aminà fiara lehibebe kokoa mitondra vesatra mitovy na mihoatra.

Nampiakatra ny vidin'ny saribao sy ny mofo dipaina ny fahatapahan-jiro amin'izao, araka ny Facebook famoaham-baovao Zambian Day:

Tsy idiran'ireo mpivarotra saribao antsoina eo an-toerana hoe “Malasha”, ny hetra  alaina amin'ireo mponin'i Losaka, amin'ny fizarazaràna ny herinaratra ankehitriny ataon'ny orinasam-panjakana mpanome tolotra herinaratra Zambia Electricity Supply Corporation (ZESCO).
Nampiakatra ny vidin'entany ireo mpivarotra noho ny fiakaran'ny tinady. Nampiakarina ho K40 [5,1 dolara Amerikana] ny goninà 25kg izay novidiana K35 [4,5 dolara Amerikana] hatrizay, raha toa ka alaina amin'ny vidiny K120 [15,3 dolara Amerikana] ny tokony ho izy ny gony 90kg, lasa niakatra ho K150 [19,2 doalara Amerikana] izy amin'izao.

Voakendan'ny fahatapahan-jiro ihany koa ireo mpamokatra mofo dipaina, izay lasa nikorontana ny fandaharam-potoanany amin'ny famokarana, amin'ilay fanamboarana mbola mila apetraka kely, ka lasa mety hiteraka tsy fahampian'ny mofo, izay midika hoe fiakaran'ny vidiny.
Mba hahafahany mijanona ao anatin'ny fandraharahàny dia nanova ny fandaharam-potoanan'ny mpiasany mihitsy ireo mpamokatra mofo mipetraka any amin'ny faritra ahitana fahatapahan-jiro amin'ny fotoana tampotampoka.

Efa niaina fahatapahan-jiro nandritra ny ora 8 ao anatin'ny andro iray i Losaka, tamin'ny fitantanana ny fanaparitahana ny vesatra tao amin'ny ZESCO, nolazaina ho noho ny fahakelezan-drano ao amin'ny Tohodrano Kariba, loharano fototra ho an'ny famokarana herinaratra any Zambia.

Mpampiasa Facebook iray, Gift Tako Linyada Mbewe, nanisy hanihany tamin'ny fahatapahan-jiro, mametraka ny ZESCO ho fototry ny hanihany.

MITARAINA NOHO NY FAHATAPAHAN-JIRO KANSI IANAREO [raha] VAO MAINKA RATSY LAVITRA NY MIARAKA AMIN'NY ZESCO.

RAHA MBOLA NOTOHIZAN'NY ZESCO IHANY NY FAHATAPAHAN-JIRO MANDRITRA NY ORA 8, TSY NAHALOA NY KARAMAN'IREO MPIASANY INTSONY IZY. NIJANONA TSY NIVIDY HERINARATRA INTSONY IREO VAHOAKA.

MIKAPOKA NY ZESCO MAFY NOHO IREO MPANJIFANY NY FAHATAPAHAN-JIRO. NAHENAN-DRY ZAREO NY ORA MBA HANANGONANY FOTSINY IREO KARAMA SY IREO VOLA MIVOAKA AMIN'NY FANODINANA.

Tao anatin'izany, nanova ny fomba famarotany ny herinaratra ihany koa ilay orinasa mpamatsy angovon'i Zambia, indrindra ho an'ireo mpanjfa an-trano izay lasa mandoa mialoha ny tolotra. Miaraka amin'ny fahatapahan'ny herinaratra, toa hita ho maro ireo olona nanajanona ny fividianana herinaratra.

Raha jerena amin'ny voasoratry ny maro ao amin'ny media sosialy ankehitriny, maro ireo Zambiana lasa mampiasa entona fandrehatra amin'ny fahandroana sakafo ary mampiasa milina mpamokatra herinaratra ho an'ny vonjy taitra. Misy ihany koa ireo vondrona sasany nanavao ny ezaka mba hanalàn'ny governemanta ny haba amin'ny fanafarana fitaovana mpamatsy herinaratra mandeha amin'ny masoandro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.