Mpisolovava Rahampitso Manome Fanantenana ho an'ireo Lasibatry ny Fanondranan'Olombelona

Kinshasa, DR Congo: A woman’s hands make the heart-shaped logo of the World Day of dignity for victims of human trafficking, celebrated on 30 July. Photo by MONUSCO Photos; Photographer: Abel Kavanagh; used under a CC BY-SA 2.0 license.

Kinshasa, RD Congo: Tanam-behivavy iray manao sary famantarana fo amin'ny androm-pahamendrehana ho an'ny lasibatry ny fanondranana olombelona, nankalazaina tamin'ny 30 Jolay. Saripikan'ny MONUSCO Photos; Mpaka sary: Abel Kavanagh; nampiasaina noho ny lisansa CC BY-SA 2.0.

Nifandray tanana ny mpianatra lalàna manerana an'i Karaiba ho fandraisana anjara amin'ny fanentanana antserasera manerantany ho fampahafantarana ny Andro Manerantany Iadiana Amin'ny Fanondranana Olona. Notabatabain-dry zareo ny momba ilay heloka bevava ao amin'ny firenendry zareo ary naneho firaisankina tamin'ireo lasibatra ao amin'ny fiarahamonina sy fikambanana ary orinasa misy an-dry zareo ry zareo.

“Manome Fanantenana aho”. DIEZY: #igivehope

Niditra an-tsehatra tao amin'ny hetsika ny Mpianatra ao amin'ny Sekolin'ny Lalàna Hugh Wooding ao Trinite sy Tobago.

wdtraff1 (1) Goyaney mpianatra, Stefan Knights, izay nandray anjara tamin'ny tetikasan-dresaka momba ny fanondranan'olombelona nokarakarain'ny sekoly Klinikan'ny Lalànan'ny Zon'Olombelona ,no nanome famakafakana iray momba ny fiantraikan'ny fanondranan'olombelona tao amin'ny faritra Karaiba:

In the Caribbean, human trafficking takes different forms. The most popular form of trafficking up for discussion is generally women and girls being forced into prostitution on the streets. However, this is not the only type of sexual exploitation occurring in the region. Child sex tourism which is common in Belize and the act of adults pressuring children to engage in sex acts with men and women in exchange for money or gifts constitute the crime of human trafficking. Forced labour and domestic servitude are other forms of human trafficking. These forms of human trafficking are visible in the Caribbean but are often ignored by society. Examples would include forced labour in the fishing industry and on construction sites. Recently, in Suriname, a farmer was arrested on human trafficking charges after Guyanese nationals claimed that they were forced to work for free on his farm. Moreover, in Guyana and Trinidad, the prevalent act of forcing children into street vending and begging is form of human trafficking. Further, another example of human trafficking is where children are forced into domestic servitude, after their parents sent them to live with and work for an outside family who agrees to provide food, clothing and shelter; this is common in Haiti.

Nanana endrika sy bika maro ny fanondranan'olombelona tao Karaiba. Ny endrika fanondranan'olombelona malaza indrindra nanaovana adihevitra amin'ny ankapobeny dia ny vehivavy sy ny zazavavy noterena hivaro-tena eny an-dalambe. Na izany aza, tsy izay ihany ny endrika fitrandrahana ara-pananahana mitranga ao amin'ny faritra. Ny fizahantany fampiasana ny ankizy hivarotena sy ny faneren'ny olondehibe ny ankizy hanao firaisam-batana amin'ny lehilahy sy vehivavy maro ho takalon'ny vola na fanomezana fahita ao Belize dia mandrafitra ny heloka bevavan'ny fanondranan'olombelona. Endrika hafa amin'ny fanondranan'olombelona ny asa an-tery sy ny fanompoana an-trano. Hita ao Karaiba ireo endrika fanondranan'olombelona ireo saingy tsy raharahian'ny fiaraha-monina. Ny ohatra no mampiditra ny asa an-tery any amin'ny indostrian'ny fanjonoana sy ny fanorenana. Vao haingana teo tao Suriname, dia nosamborina noho ny fanondranan'olombelona ny tantsaha iray rehefa nitory ireo olom-pirenena Goyaney fa terena hiasa maimaimpoana ao amin'ny toera-piompiany sy famboleny izy ireo. Ambonin'izany ao Goyana sy Trinite, ny fahamaroan'ny ankizy terena hivarotra sy hangataka eny an-dalambe dia endrika iray amin'ny fanondranan'olombelona. Ankoatra izay, endrika hafa amin'ny fanondranan'olombelona ny fanerena ny ankizy hanao raharaha mafy ao an-trano, rehefa irahin'ny ray amandreniny honina sy hiasa amin'ny fianakaviana hafa manaiky ny hanome sakafo, fitafiana ary fialofana ireo ankizy ireo; fahita mahazatra any Haiti izany.

Niroboka i Knights hifanakalo hevitra amin'ny fiantraikan'ny fanondranan'olona ao amin'ny fiarahamonina karaibeana:

Human trafficking presents enormous challenges for sustainable human development in the Caribbean. Indubitably, victims will suffer the greatest impacts ranging from risk of HIV AIDS and STDs infections to psychological and emotional trauma to the denial of the enjoyment of a number of basic human rights. The consequences of human trafficking are equally grave for society at large. Trafficking in persons is likely to exacerbate major societal issues such as violence, corruption and poverty.

Mametraka haika lehibe amin'ny fampandrosoana maharitra ao Karaiba ny fanondranan'olona. Tsy isalasalana fa ireo lasibatra ireo dia hizaka ny ampahany betsaka indrindra amin'ny mety fahazoana ny valan'aretina azo avy amin'ny firaisana sy ny VIH SIDA ka hatrany amin'ny fanaintainana ara-toetsaina sy toe-po mbamin'ny fanakanana azy ireo tsy hisitraka ny ankamaroan'ny zo fototra mahaolombelona maro dia maro. Ho henjana ihany koa ny vokatry ny fanondranan'olombelona ho an'ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny. Ny fanondranan'olona dia mampivandravandra ny olana ara-piarahamonina amin'ny ankapobeny toy ny herisetra, kolikoly ary ny fahantrana.

Ny fitandremana ny Andro Manerantany Iadiana amin'ny Fanondranan'Olombelona dia nifanandrify tamin'ny tetikasa farny indrindra navoakan'ny Klinikan'ny Lalànan'ny Zon'Olombelona izay nanontaniana ny hoe “What does freedom mean to you? [Inona ny dikan'ny fahafahana ho anao?]. Tamin'ny voalohany volana aogositra dia zaratany maro no nahatsiaro ny tsingerintaonan'ny fanafahana ny andevo Afrikana tany amin'ny India Andrefana Britanika.

emancipationig Mandritra izany fotoana izany, dia faly ireo mpianatra lalàna hafa mandray anjara amin'ny fanentanana #igivehope, amin'ny alalan'ny fandraisana anjara voarindra ao amin'ny media sosialy.

Androany ny androm-pirenena iadiana amin'ny fanondranan'olombelona! tian'ny mpanantanteraka ato amin'ny komitin'ny zon'olombelona ny mampahatsiahy anao hanoananao ny hafatra! Mamoaha androany sarinao na sary miaraka amin'ny namanao manao endrika fo ka paingory an-tserasera izahay! Aza adinoina ny diezy #igivehope – ho avoakanay hiampita ny sarinareo, ilazao ny namanao <3 Sary navoakan'ny zon'olombelona HWLS

@Regrann from @bohochicster92 – World Day Against Trafficking In Persons #IGiveHope #Hearts #Love #CelebrateFreedom #Regrann A photo posted by HWLS Human Rights Committee (@hwls_hrc) on

Andro manerantany iadiana amin'ny fanondranan'olona, manome fanantenana aho, fo, fitiavana, ankalazao ny fahafahana, Regrann, Sary navoakan'ny Komitin'ny Zon'olombelona HWLS

Saingy na nisy aza ny fahazotoana ara-tsosialy, zavatra maro kokoa no ilaina vitaina ao amin'ny faritra hampihenana ny fanondranan'olombelona ao amin'ny faritra. Nanao ny fehinteniny i Knights:

Undeniably, human trafficking is a very complex issue for Caribbean countries to address and there cannot be a one-size-fits-all solution to this problem. However, there needs to be greater public awareness on this subject matter and a better system to report this crime and support the victims.

Tsy azo lavina fa raharaha sarotra ho an'ny firenena ao Karaiba ny fanondranan'olombelona ary tsy misy ny vahaolana iray mety ho an'ny rehetra. Na izany aza, ilaina ny fanentanana bebe kokoa ny olona amin'ity raharaha ity sy ny rafitra tsara kokoa hitoriana ity heloka bevava ity sy hanohanana ny lasibatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.